Sôva momba ny voninkazo
Heriarilala
Andriamamonjy - 26/12/2024
Sôva momba ny voninkazo
Tononkalon'i
Ny Voaroy, nohadihadin'i Heriarilala Andriamamonjy
Sôva momba ny voninkazo, sôva nosoratan'i Ny Voaroy. Nalaina tao amin'ny anjara fampirantiany tamin'ny herinandron'ny Havàtsa-UPEM 2024. Inona indray àry no raketin'ity zavakantony ity? Tahaka ny ahoana ny fomba entiny maneho hevitra ?
Anisan'ny notanisainy tery am-piandohana ny zava-maniry mamelana toy ny raozy, lisy, voahirana, violety, benja, avoko, telomiova. Ambarany fa ravaky ny tanàna sy manome hanitra ny voninkazo. Tsikaritra fa tena mankafy zava-maniry ny mpanoratra eto. Na ireo voninkazo dia, na ny voninkazon-drano na ny natao hambolena dia voatanisany avokoa. Mampisongadina ny maha mpanao hosodoko azy ny fitanisany ny tontolo manodidina ny voninkazo toy ny zaridaina, voron-kely velon-tsioka, hazo mamelana.
Tsy zava-maniry ihany no tondroina amin'ny teny hoe voninkazo
Ankoatra izay, raha ity sôva ity no jerena dia hita fa tsy zava-maniry ihany no tondroina amin'ny teny hoe voninkazo. Toa sarin-teny ahafahana maneho izay rehetra mirakotra hatsarana koa izy. Voalohany amin'ireny ny andriambavilanitra, hoy i Ny Voaroy milaza izany ao amin'ny andalana faha-24 manao hoe : "vehivavy ao an-trano ka voninkazo" ary mbola manamafy izany ny andalana faha-25 sy faha-26 manao hoe : "ka raha haka ry zalahy vony tsara halaina dia ho tsara hatramin'ny sombin'ny aina". Mifono hevi-dalina eto ny teny hoe tsara fa tsy midika ho endrika amam-bika fotsiny ihany. Ny fanahy aman-toetra maha olona ny olona no tena ampirisihan'ny mpanoratra hozahana amin'izany hatsarana izany.
Faharoa aorian'ny andriambavilanitra ny zanaka, "ny sombin'ny aina dia voninkazo vao mamony" hoy izy ao amin'ny andalana faha-27. Miresaka ny fitohizana aina sy ny hatsarana ifandovana koa ny mpanoratra ao anatin'izay raha niteny hoe : "hamony ifandovan'ny taranatsika" (andalana 28).
Ny hevitra namaranany ity sôva ity dia hoe ireo hatsarana rehetra hita ao amin'ny zanaka sy ny vehivavy dia hatsarana mahakanto ny firenena, toa te hiteny ny mpanoratra hoe tokony hokoloina sy hokajina izy ireo. Mamintina izany ny andalana farany manao hoe : "Ny voninkazo dia endriky ny firenena ". Raha itarina ny hevitr'izany dia midika fa mila vehivavy vanona sy taranaka vanona ny tanindrazantsika.

*
* *
* *
Asasoratra mandoko ny hatsaran'ireo zava-manana aina mamelana sy kanto

Date de dernière mise à jour : 26/12/2024