Rahoviana, Harioley 2023
RAHOVIANA, TSNGERIN-TAONANY
FAHA-122
Rahoviana
“(…)
Rahoviana no hifaly
Izany olon-tia sy tiana
O! ry vinta-mampijaly
Rahoviana, rahoviana?
Rahoviana no fotoana
Hahitana ilay malala?
Rahoviana no hihaona
Iza re no mahalala? (…)"
Vondrona Ambara, "RAHOVIANA?", tak. 4, and 3
_________________
Ampahany amin'ny tononkalon'i Harioley izay nampitondrainy ny lohateny hoe "Rahoviana", nalaina tao amin'ny Vondrona Ambara, "RAHOVIANA?", tak. 4, and 3, no hohalalinintsika hahatsiarovana azy amin'ity anio ity. Ho hitantsika ny fihetseham-po maniry ho akaiky an'ilay olon-tiana sy ny fahadodonana hihaona indray.
* *
RAHOVIANA
Rahoviana. Izany no nofidin'i
Harioley ho lohatenin'ny tononkalo izay nosoratany. Fanontaniana
manitikitika izany ary mitaky famaritana fotoana ny valiny. Nahoana
ilay mpanoratra no mitaky izany? Hitantsika eo amin'ny andalana
fahatelo fa miantefa amin'ilay "vinta-mampijaly" ilay fanontaniana.
Nosarahin'ny elanelan-tany noho ny antony tsy azo ihoarana ireo
mpifankatia izay te hihaona indray hamerina ny fifaliana tsapa rehefa
samy eo.
DODONA
Ny famerenana indroa ilay fanontaniana
hoe rahoviana eo amin'ny andalana fahefatra dia mampiseho fahadodonana,
fahamaikana mihitsy ny hifankahita indray. Akaikin'ny fo mantsy ilay
olon-tiana, izay antsoiny hoe malala amin'ny andalana manaraka. Tsy
nahita valiny anefa izy ka dia namarana ny andininy hoe "Iza re no
mahalala?". Ankamantatra ho azy ny valin'ny fanontaniana ary mitaky
faharetana ny fiandrasana ilay tiana.
* *
Fihetseham-po ara-dalàna ny faniriana ho eo anilan'ny olon-tiana.
Tsapan'izay rehetra manana olon-tiana izany. Enga anie ka haharitra ho
toy ny lamban'akoho avokoa ny fifankatiavan'olon-droa.
Date de dernière mise à jour : 08/12/2024