Créer un site internet

RADO : Poeta mikolo !

RADO : Poeta mikolo !
Tsikimilamina Rakotomavo - 01/10/2024

RADO : Poeta mikolo !

1 oktobra 1923 - 1 oktobra 2024
Tsingerina faha-101 taona

Tononkalom-pitiavana, maneho ny tranga eo anivon’ny fiarahamonina, tsikera amin’ny ataon’ny mpitondra, ny hetraketraky ny fiainana… Ireo matetika no hita taratra raha vao i Rado sy ny asasorany no resahina. Hiavaka kosa ity tsingerina ho an’i Rado ity satria asongadina etoana fa tena mikolo ireo taranaka amam-para izy amin’ireo kalony. Andeha àry  isika hanjohy ny ANDO izay boky mirakitra ny tononkalony ary natolony ho an’ny ankizy.

Navoakan’ny poeta ho fanamarihana ny taona manerantany ho an’ny ankizy ny 1979 izany. Nosafidiny ny voambolana ANDO mba hamelombelona ny fitiavan’ny taranaka ny teny, indrindra ny fitiavan-tanindrazana. Fanirian’ity poeta ity loatra ny hanome aina vaovao hatrany ny fiainam-pirenena amin’ny fanandratana ny maha Malagasy.

Tononkalo roa ambin’ny folo (12) voarakitra anaty takila dimy amby roapolo (25) no mandrafitra ny ANDO. Firenena, ny toerana onenana, ny hatsaran’ny fianakaviana, ny fanentanana ny mpiara-belona handala ny firaisankina no lohahevitra voizina tanatin’izany. Fomba filazan-javatra tsotra azon’ny ankizy vakina matetika hahaizana mamaky teny malagasy feno ary mandrisika azy ireo hikolo toe-tsaina handala ny maha izy azy no tsikaritra. Azo atao tsianjery avy hatrany izany noho ny voambolana tsotra ambara ao. Andininy dimy hatrany no mandrafitra ny ankamaroan’ny tononkalo tsirairay. Mampiavaka ny boky ny fisian’ny kisary izay eo ankavian’ny tononkalo, entina hanazavana bebe kokoa izay avohitran’ny asasoratra.

Indro ny tononkalo izay sady fanentanana ny ankizy hahay hampiasa ny tanana sy vava no fampieritreretana ny olon-drehetra tsy fidian-tsy avahana handala ny fiombonana eo amin’ny tranga rehetra lalovana eo amin’ny fiainana.

TANANA SY VAVA

Ny hoe firaisankina
Raha tianao hazava
Dia fifanampian’
Ny tanana sy vava

Tsy hoe mifanakaiky
F’ambony sy ambany
Kanefa mifanaiky
Mba hifamonjy hatrany

Raha sendra ka maratra
Ny vava ange, jereo !
Ny tanana no tratra
Manafosafo eo

Raha tanana maratra
Fa toro sady tery
Ny vava mahavatra
Hitsoka izato fery

Rado
In ANDO Tak 25





Date de dernière mise à jour : 28/09/2024