Ny Rahon-dRatsimba Georges
Toetra
Ràja - 03/09/2024
Ny Rahon-dRatsimba Georges
Tsingerin-taonany
faha-98
03/09/1926 - 03/08/2024
"Ny Rahona" dia anisan'ny anarana diam-penina fampiasan'ny poeta Ratsimba Georges, indrindra teo amin'ny tononkalo. Manana ny heviny sy ny hasiny manokana aminy izany, toy ny Bolespara an-dRafanoharana, Stella an'i Edouard Andrianjafintrimo... izay samy anarana mifandraika amin'ny singa mampitraka tazanina. Manazava ny anton'ny safidiny amin'izany anarana mampiandra izany izy ato amin'ity tononkalo "Nahoana Ny Rahona?" ity izay nosoratany tany Mahajanga tamin'ny 1948, tsy dia lavitra loatra tamin'ny taona nanombohany nanoratra. Azo lazaina ho misy ifandraisany mantsy ny toetran'ny rahona sy ny an-dRatsimba Georges toy ny fanetren-tena ary ny fiantrana sy famelomana olona. Mialoha ny fandinihana akaiky an'ireo toetra ireo dia hiompanana aloha ny fahitan'ny mpanoratra ny fanaratsian'ny fiarahamonina ny rahona.

Ny Rahona haratsina
Fitambaran'etona
miakatra avy amin'ny rano sy ny fahamandoana ety ambonin'ny tany sy ny
ranomasina ka mitangorona eny amin'ny habakabaka ny rahona. Mety
hivadika ho orana izy avy eo. Voajanahary izy araka izany ary miantoka
ny fahaveloman'ny olombelona. Kanefa "Nahoana Ny Rahona no haratsina",
araka ny tamberin'andalana ao amin'ny tononkalo? Ny vokatry ny tsy
fahombiazan'ny fitantanana ataon'ny olombelona no mety hanomezan-tsiny
ny rahona. Lazaina ho tsy nanao ny asany izy rehefa migaingaina mamaky
loha sola ny andro na ritra ny loharano fanovozana. Mbola ny rahona koa
no lazaina ho tompon'antoka amin'ny fahafenoan-drano be loatra.
"Migaina ny andro mimenona izy
Oadray ny hafanana, mandoro izaitsizy
Dia avy Ny Rahona mitondra orana
Oadray safodrano, hono, ka atahorana"
"Migaina ny andro mimenona izy
Oadray ny hafanana, mandoro izaitsizy
Dia avy Ny Rahona mitondra orana
Oadray safodrano, hono, ka atahorana"
Rehefa mirotsaka ho orana àry ny rahona ka tonga rano mpamelona, tsy ny olombelona ve no tokony hitantana am-pahendrena azy? Efa tamin'ny andron'ny Faraon'ny Egypta no voafolaka ny teknôlôjia fanadiovana sy fitaterana azy amin'ny fantsona ho fisotro. Nohajarian'Andrianampoinimerina ny lemak'i Betsimitatatra hahavelona ny mponina tamin'ny famokaram-bary ka nampatanjaka ny fanjakana. Raha fahirano ny firenena iray dia ny fomba fitantanana ny tolotry ny rahona no azo omem-pondro fa tsy ny harena voajanahary mirotsaka avy any amin'ny habakabaka noho ny fanetren-tena. Oharina amin'ny loharanon-doza mihitsy aza ny rahona noho ny safodrano mety haterany. Ampiasaina araka izany ny fototeny rahona amin'ny fampitahorana ka nahazoana ny teny iray fototra hoe mandrahona, fandrahonana. Raha mbola itarina dia manome ny rahom-bava fanaon'ny mpihetraketraka, ny dahalo, ny tompom-pahefana mihoa-pefy, ny mpanao didin-kofehy lehibe sns. izay tena mifanao atsimo sy avaratra amin'ny fanetren-tena.
Ny Rahona manetry tena
Raisin-dRatsimba
Georges ho fanetren-tena ny fidinana ambany dia ambanin'ny rahona ho eo
anivon'ny tany rehefa nandao ny toerana avo dia avo. Fitiavana ny
fiarahamonina no hany tombony ho azy.
"Nahoana Ny Rahona no haratsina ?
Saingy nietry ka bantibantina
Fitiavana anefa no anton’izany
Hamangy ‘reo resy eto ambonin’ny tany"
Fanabantibantiana aza no mety ho takalon'ny hatsaram-panahy miendrika famangiana ireo resy. Singa lehibe amin'ny fanehoam-pitiavana ny famangiana ny ory ary anisan'ny toetra mendrika voalaza ao amin'ny Baiboly. Mety ho sarotra amin'ny madio fitafy anefa ny handia ny tokonam-baravaran'ny any ambany tanàna ka hitalapetraka eo amoron'ny kidoro hotsaky ny rano miakatra noho ny fahabangan'ny fantsona fiarovana ny tontolo. Ny ranon'orana mantsy tsy mba manao an-kolafiny ny toeran-kotsidihina izay toetra tokony hotahafin'ny olombelona.

Ny Rahona mamelona
Ampiasaina
amin'ny fanadiovana, famokarana, fialamboly sns. ny rano ary tsy
iadian-kevitra fa mamelona amin'ny maha sakafo sy singa lehibe
mandrafitra ny vatan-tenan'ny olombelona azy. Manala hetaheta izy ary
madio noho ny tolotry ny rahona. Na izany aza dia tokony hokajina izany
kalitaony izany mba ho azo ampiasaina. Ao anatin'ny zo fototra ny
fisitrahana rano madio ka rariny sy hitsiny raha tsy vidina izy araka
ny nambaran'ny mpanoratra.
"Nahoana Ny Rahona no haratsina ?
Avy aiza ny rano madio tsy vidina?
Rahona ireny no nidina ambany
Hanala hetaheta ny mponina an-tany."
Misy tokoa ny firenena mizara maimaimpoana io harena voajanahary io ho an'ny vahoakany. Mampandroso ny firenena izany endrika zo fototra tolorana izany mba hanompanan'ny mponina ny heriny amin'ny famokarana. Ho sarotra amin'ireo sahirana mantsy ny hiarin-doha raha toa ka voagejan'ny saran'izany zo fototra izany izy. Ilaina ny fiantrana azy ireo araka ny modelim-pahendrena tarafina avy amin'ny rahona mpanolotra rano "tsy vidina" sy "hanala hetaheta ny mponina an-tany". Mpampianatra ny poeta Ratsimba Georges, ilay "mpamelona" amin'ny fizarana fahalalana, ilay tsy mitandro hasasarana hatramin'ny andro nisotroany ronono. Tao aorian'izany kosa dia mbola nanohy namelona hatrany ny literatiora sy ny vokatry ny aingam-panahiny izy ka nahatonga ny asasorany hitoetra ho an'ny taranaka.

*
* *
* *
Manana hasina manokana ho an'ny
mpanoratra iray ny anarana diam-penina. Nisafidy ny anarana Ny Rahona
ny poeta Ratsimba Georges saika hatrany amin'ny niantombohany nanoratra
araka ity tononkalony "Nahoana Ny Rahona?" ity. Nampahafantariny
tamin'ny alalan'ny tononkalony ireo toetra itovizany amin'ny rahona,
dia ny fanetren-tena sy ny fitiavana sy ny famelomana ny mpiara-belona
aminy.
Date de dernière mise à jour : 03/09/2024