Créer un site internet

Alitaram-poezia - Lalaina Ravahy

Tapatapakahitra

Alitaram-poezia
Toetra Ràja - 14/01/2025

Alitaram-poezia - Lalaina Ravahy

Tapatapakahitra nifanaovan'ny poeta Lalaina Ravahy tamin'i Toetra Ràja - Poetawebs
Poeta sady renim-pianakaviana i Lalaina Ravahy. Ankoatra ny tononkalo dia mamoron-kira koa izy. Manolotra ny bokin-tononkalony vaovao ho an'ny mpiseran'ny Poetawebs izy, Alitaram-poezia, ary mamaly ireo fanontanian'i Toetra Ràja.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Lalaina Ravahy tonga soa eto amin'ny Poetawebs. Miarahaba anao koa nahavita tsangambato lehibe, dia ny bokinao vaovao izany. Azon'ny mpisera fantarina ve ny momba anao amin'ny maha poeta sy amin'ny fiainana andavanandro?

Lalaina Ravahy
Razafindravahy Voahangy Lalaina no anarako, mitondra ny anarana Lalaina RAVAHY amin 'ny maha-mpanoratra. 49 taona ny tenako, renim-pianakaviana, manan-janaka mianadahy. Folo taona izay no tena nanoratako tsy niato fa saingy efa mpanoratra tononkalo hatramin'ny fony kely aho. Mpanoratra ny raiko sy ny raibeko saingy tsy nanonta boky sady tsy niseho sehatra izy ireo.

Ny fiainako andavanandro sy ny maha poeta ahy dia tena mifameno tokoa. Nentiko niseho tamin' ny sehatra rehetra  nataoko ny asasoratro sy ny maha poeta ahy ary nanokatra varavarana maro tamin'ny toerana nalehako raha tsy hilaza afa-tsy ny nahazoako amboara tamin'ny  fifaninanana "Neny Miavaka" izay nambabo ny fon'ny maro tamin'ireo olona niserasera tamiko ary nanome lanja sy nanampy ahy tamin'ny fahatokisan-tena.

Toetra Ràja
Tao anatin'izay 10 taona nampiredareda ny aingam-panahinao izay, azo fantarina ve ny vokatra mety ho mampiavaka anao?

Lalaina Ravahy
Tao anatin' izay folo taona nanoratana izay dia ny tononkalom-pitiavana no tena nisongadina sy nampiavaka ahy. Mino aho fa ho afa-po tokoa ireo mankalaza ny fetin'ny mpifankatia ary tsy ho diso fanantenana ireo izay mangetaheta ritsoka fitiavana.

Toetra Ràja
Ankoatra ireo tononkalom-pitiavana 150 mandrafitra ity boky ity, firy ireo tononkalo efa voasoratrao ary inona no lohahevitra mahavantana anao?

Lalaina Ravahy
Ialana tsiny amin'ny fahadisoana fa 136 no isan 'ireo tononkalo fa ny boky no mirakitra manodidina ny 150 pejy eo ho eo. Ny asasoratra dia miisa efa 300 mahery saingy tononkalo notsongaina ireto navoaka ho "Alitaram-poezia" ireto, izany hoe hanjifa ny tsara indrindra nofantenana  ny mpamaky eto.

Toetra Ràja
Araka izay hoe "Alitaram-poezia" izay, miampy ny diadema satrohinao taratra amin'ny petadrindrin'ny hetsika hanolorana ny boky, fahombiazan'ny fitiavana hatrany mankany amin'ny mariazy ve no no asongadin'ny boky sa misy efitra hafa koa natokana ho an'ny faharavany?

Lalaina Ravahy
Ny "Alitaram-poezia" dia tononkalom-pitiavana mifamahofaho, misy sangisangy, misy tena fitiavana, nefa misy faharavana koa. Tsy mitodika velively any amin'ny mariazy ny boky fa fiainam-pitiavana fotsiny.

Toetra Ràja
Azonao ambara eto ve ny endriky ny boky sy ireo nanampy anao tamin'izany?

Lalaina Ravahy
Manodidina ny 150 pejy eo ho eo ny takelaky ny boky. Fontsy Edisiona no nanonta azy. R.H.A. NARY sy ny namana HASINALY no nanao ny teny fanolorana sy ny teny famaranana. Azo jifaina mandritra ny hetsika famoahamboky ofisialy ny 15 febroary 2025 ao amin'ny IKM Antsahavola amin'ny 2 ora tolakandro izy, amin'ny faran'ny hetsika, na mamandrika amin'ny laharana 0386101482 koa.

Mbola tsy vonona ny sary fonom- boky, manao zavatra tsy mora saingy mampanantena zavatra tsara kosa anefa. Ny loko volombatolalaka izay tsy afa-misaraka amin'ny "Alitaram-poezia " dia loko mariky ny sorona izay natao teo amin'ny "Alitara".

Toetra Ràja
Inona no mety ho fahasarotana sy sakana nosedraina nandritra ny famolavolana ny boky ary mandra-pahatontosany tanteraka?

Lalaina Ravahy
Ny fahasarotana sy sakana? Tsy nisy angamba fa ny fahavononana no tsy ampy hatramin'izay. Ankehitriny, tonga ny fotoana, ary tsy teniteny foana mihitsy ilay hoe "Misy androny ny zava-drehetra". Izao no fotoana hitako fa mety indrindra na dia teo aza ny faniriana hatramin'izay.

Toetra Ràja
Hisehatra ianao amin'ny 15 febroary izao. Inona no tranga mety hampiavaka ka hanintona ireo mpanaraka anao hanatrika?

Lalaina Ravahy
Ny hampiavaka an'io hetsika famoaham-boky amin'ny 15 febroary io dia ny fihirako an-tsehatra tononkalo vitsivitsy. Hisy ihany koa sehatra voahaingo hakana sary miaraka amin'ireo mpanotrona ho fanamarihana ny fetin'ny mpifankatia. Eo ihany koa ny resadresaka sy fanazavana ny antony nisafidianana ny lohatenim-boky.

Toetra Ràja
Azo fantarina ve ireo hanampy anao eny an-tsehatra sy ireo mpanampy amin'ny famolavolana ny hetsika?

Lalaina Ravahy
Anisany handray anjara amin' ny fanampiana ny hetsika ny fikambanana Soamahatsangy izay misy ny tenako,  tsy olon-kafa fa rahavavy ao amin'ny soratra. Ankoatra izay ireo tapaka sy namana ary havana izay mbola holazaina miandalana.

Toetra Ràja
10 taona no nampitedareda ny soratrao. Mafonja tokoa izany! Azo fantarina ve ireo vinanao amin'ny soratra ao anatin'ny folo taona ho avy?

Lalaina Ravahy
Ny vina dia ny fivoarana hatrany, mampanantena fa hitohy hatrany ny famoaham-boky, hitondra avo ny soratra ary hizara ireo nofinofy !
Santatra ambavarano izy ity fa ny manetsa bé mbola ho avy.

Toetra Ràja
Mankasitraka Lalaina Ravahy nahafoy fotoana ho an'ny mpiseran'ny Poetawebs. Mirary fahombiazana feno ho an'ny boky sy ny hetsika famoahana azy.

Lalaina Ravahy
Misaotra sy mankasitraka ihany koa anareo namana ato amin'ny tranonkala Poetawebs nanome ny sehatra. Hiroborobo hatrany anie ny literatiora !

Date de dernière mise à jour : 14/01/2025