Rahdo, nilofika ilay poeta!
Felana
Radoniaina - 01/11/2024
Rahdo, nilofika ilay poeta!
Nilentika
ny 29 novambra 2024 ny masoandrom-piainan'ny poeta Rahdo na
Randrianasolo Heriniaina Dieudonné, teo amin'ny faha-50 taonany.
Tampoka ho an'ny rehetra, na ny havany na ny namany, izao fahalasanany
izao.
Mpanoratra nanana ny talentany raha i Rahdo. Maro ireo asasoratra nataony. Imbetsaka izy no nikasa ny hamoaka izany ho fantatry ny maro saingy nijanona ho fikasana izany noho ny hetraky ny fahafatesana. Efa nanomana seho iray niaraka tamina poeta vitsivitsy izy tany amin'ny taona 2020 saingy tsy tontosa izany noho ny antony tsy niankina tamin'izy ireo.
Ankehitriny anefa nitsahatra ny penina, tsy afaka hanohy ny diany amin'ny maha mpanoratra i Rahdo. Ireo asasoratra nataony hatrizay kosa ho lova ho antsika havana sy namana ary ny fiarahamonina, ho hafatra mitoetra mifono fananarana.
Natao veloma farany ny alahady 01 desambra 2024 ny vata-mangatsiakany, niala tao an-tranony teny Andoharanofotsy Antananarivo, nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra tao amin'ny fiangonana advantista Ankadilalampotsy ary naterina tany amin'ny fasan-drazany ao Ambodivona Miadapaonina Mahitsy.
Namoy zanaka Razafiarimanana Emélienne reniny ary zary kamboty tsy satry ny zanany roa sy zafikeliny iray. Ontsa dia ontsa ny tontolon'ny poezia malagasy. Miondrika ny tranonkala Poetawebs fa nilentika tsy azo tanana ny volam-penomanana araka ity andinin-teniny manaraka ity:
(...)
tsy any ialahy fa eto
ka aza hadino hatreto
fa mbola misy ISIKA mandram-pilentiky ny volam-penomanana
ary io tsy ho azo tanana
....rehefa tonga ny ora...
Rahdo 16/01/24 - 00h59

Date de dernière mise à jour : 01/12/2024