Angano sy tapasiry ho an'ny mpianatra
Toetra Ràja -
17/08/2024
ANGANO SY TAPASIRY HO AN'NY
MPIANATRA
Nampihaonina
tao amin'ny trano fivarotam-boky Md-Paoly ny sabotsy 17 aogositra 2024
ny
sekolin'ny Ntaolo sy ny fampianarana ambaratonga ambony tamin'ny
alalan'ny fanolorana ny boky vaovao "Angano
sy tapasiry ho an'ny
mpianatra". Ny Profesora elanihetezana Narivelo Rajaonarimanana
sy ny
Maître de conférence Louise Ouvrard izay samy mpampianatra ao amin'ny INALCO Parisy no nanoratra ny boky. Nikarakara ity
lanonana ity ny trano fivarotam-boky Md-Paoly
Analakely
izay mpampiantrano, ny Fitaleavana misahana ny maha Izy
ara-kolontsaina, ny Fitaleavan'ny Tranombokim-pirenena, ary ny
Profesora Narivelo Rajaonarimanana izay tsy zovina intsony ny maha
poeta sy mpikamban'ny tranonkala Poetawebs azy.
Lahateny sy
fanentanana
Tamin'ny 10 ora maraina no
nanomboka ny fotoana. Nanazava teny am-piandohana ny ho fizotry ny
fotoana ireo mpiandraikitra avy tao amin'ny Tranombokim-pirenena,
nahitana an'i Patricia lehiben'ny sampandraharahan'ny fampiroboroboana
ny rohim-boky sy Irène ary i Sandra. Nanamarika ny fanentanan'izy ireo
ny
fampandraisana anjara an'ireo mpanatrika mba hampiaina ny fotoana.
Nanampy izany koa ny fanentanana ny mpanatrika hanjifa izany
bokim-panabeazana vaovao izany.
Nisantatra ny anjara fitenenana i Soeur Isabelle izay mpiandraikitra ny trano fivarotam-boky sady hisahana ny fanjifan'ny besinimaro an'ity boky angano ity. Nisaotra ny mpampiantrano ny Pr Narivelo Rajaonarimanana ary nanazava ny momba ny boky angano. Nanolotra izany ho an'ny Tranombokim-pirenena rahateo koa izy.
Niavaka teny anelanelan'ireo ny fandraisan'anjaran'ny mpianatra L3 Malagasy eny Ankatso toa an'i Fiantsa Hary Dia niantsa ny tononkalo TSY MBA sy Valiha Gasy nanome aina ny ampahan'angano notsoahina tao anatin'ny boky, tak 34 sy tak 264. Nanamarika ny fotoana koa ny fiantsana tononkalo niangalian'ny poeta Lavenona tamin'ny HEREZO NY DIA.
Mpamolavola
sy mpanotrona
Namolavola ny fotoana i Tsikimilamina Rakotomavo tale misahana ny
maha Izy ara-kolontsaina.
Nanotrona ny lanonana ny mpikamban'ny Akademia toa an'i Nalisoa Ravalitera filoha lefitra sy Oliva Ramavonirina mpikaroky ny foiben'ny teny. Tazana tao an'efitra koa ny mpampianatra avy ao amin'ny INALCO Linah Ravonjiarisoa sy ny mpampianatry ny ENS toa an-dRazanabahiny ary ny mpikaroka Didier Mauro izay naman'ny Pr Narivelo Rajaonarimanana.
Nisantatra ny anjara fitenenana i Soeur Isabelle izay mpiandraikitra ny trano fivarotam-boky sady hisahana ny fanjifan'ny besinimaro an'ity boky angano ity. Nisaotra ny mpampiantrano ny Pr Narivelo Rajaonarimanana ary nanazava ny momba ny boky angano. Nanolotra izany ho an'ny Tranombokim-pirenena rahateo koa izy.
Niavaka teny anelanelan'ireo ny fandraisan'anjaran'ny mpianatra L3 Malagasy eny Ankatso toa an'i Fiantsa Hary Dia niantsa ny tononkalo TSY MBA sy Valiha Gasy nanome aina ny ampahan'angano notsoahina tao anatin'ny boky, tak 34 sy tak 264. Nanamarika ny fotoana koa ny fiantsana tononkalo niangalian'ny poeta Lavenona tamin'ny HEREZO NY DIA.
Mpamolavola
sy mpanotrona
Namolavola ny fotoana i Tsikimilamina Rakotomavo tale misahana ny
maha Izy ara-kolontsaina.Nanotrona ny lanonana ny mpikamban'ny Akademia toa an'i Nalisoa Ravalitera filoha lefitra sy Oliva Ramavonirina mpikaroky ny foiben'ny teny. Tazana tao an'efitra koa ny mpampianatra avy ao amin'ny INALCO Linah Ravonjiarisoa sy ny mpampianatry ny ENS toa an-dRazanabahiny ary ny mpikaroka Didier Mauro izay naman'ny Pr Narivelo Rajaonarimanana.
Tontolon'ny
boky
Mirakitra takila 312 ny boky
"Angano sy tapasiry ho an'ny mpianatra" ary voasoratra amin'ny teny
malagasy sy teny frantsay. Any amin'ny takila 301-311 no ahitana tovana
manazava ny atao hoe angano, ny tantarany, ny endrika isehoany, ny
karazana angano, ny drafitry ny angano. Torolalana haifampianatra no
lohateniny. Sady boky mirakitra ny soatoavina malagasy amin'ny
alalan'ny sekolin'ny Ntaolo ity boky ity no fampianarana mamaky teny
amin'ny fiteny roa. Mirakitra angano 59 ny ao anatiny ka nanasokajiana
ny anganom-biby sy anganom-piandohana, angano mahazendana sy
anganom-pahendrena, anganon-kafetsena sy haranitan-tsaina.
Mandravaka ny atiny ny sary tanan'i Oolou miisa 67. Teza boky no edisiona namolavola azy ary ny Ecoprim Ankorondrano no nanonta. Ny trano fivarotam-boky Md-Paoly Analakely no misahana ny fivarotana.
Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Rita