Nilaozan'i Ariela

Nilaozan'i Ariela
Heriarilala - 07/10/2024

Nilaozan'i Ariela

Banga iray indray ny poeta, nametraka ny peniny tamin'ny sabotsy 5 ôktôbra 2024 Radimiarilalao Eléonie na Ariela. Mpanoratra, poeta, havanana tamin'ny hira fiderana koa izy ka mpikambana tao amin'ny Rindra, Fanatanjahan-tena sy Fialamboly tao amin'ny FJKM Amparibe Famonjena. Mankafy hira fahiny koa i Ariela, nandray anjara tamin'ny fifaninanana Kintana Fahiny andiany fahatelo izy tamin'ny taona 2020 ka tafakatra tamin'ny ampahefa-dalana. Ny fahitalavitra I-BC no nikarakara io fifaninanana io. Anisan'ny hira novelominy tamin'izany ny "Rahoviana no hipaika" an-dRatianarivo.

Nanomboka tamin'ny taona 2017 izy no nikambana tao amin'ny Fikambanan'ny Pôety sy ny Mpanoratra Havatsa-UPEM, efa namoaka amboaran-tononkalo tamin'ny 2020. "Ny tontolo iainantsika" no lohateny nampitondrainy an'io boky io. Ny taona 2023 izy no namoaka ny felan-tatamo mitondra ny lohateny hoe "Hafatra".

Nahatazanana azy ireo hetsika nokarakarain'ny fikambanana toy ny herinandron'ny Havatsa izay nandraisany anjara tamin'ny fampirantiana tononkalo. Ny 6 septambra 2022 izy dia nandray anjara tamin'ny velakevitra izay niompana tamin'ny asasoratry ny poeta Dimbiniala na ny Mpitandrina Ramino Paul, tao amin'ny Lycée Rabearivelo no nanatontosana izany ho fankalazana ny faha-70 taona ny fikambanana. Nanoratra tononkalo iray ho an'ny poeta Régis Rajemisa Raolison izy tamin'ny taona 2023, voarakitra ao amin'ny boky navoakan'ny Havàtsa-UPEM izany ho fahatsiarovana ny faha-110 taona ny filoha mpanorina ny fikambanana.

Manana toetra manolo-tena i Ariela, tena ahatsiarovan'ny mpiray fikambanana azy na fandraisany an-tanana ny haitarehy sy ny taovolo rehefa hiaka-tsehatra iny ireo mpiantsa tononkalo na mpilalao tantara tsangana. Valo amby dimampolo taona izy izao lasa izao, ary any Ambatokely Ambanitsena no toerana hiandrasany ny fananganana ny maty.

Ny tenan'i Ariela no tsy eo intsony fa ny sorakantony mbola mitoetra ary ny fahatsiarovana tsy mba maty.

Sary nangonin'i Heriarilala


Date de dernière mise à jour : 07/10/2024