Eto ry Lala, ahoana hoy Ratsifa?
Toetra
Ràja - 25/10/2024
"Eto ry Lala", ahoana hoy
Ratsifa?
Tapaatapakahitra
Mpanankanto andrarezina no hamelona ny "Eto ry Lala", somongan-kira mifototra amin'ny sangan'asan'i Therack, mpamoron-kira kalon'ny fahiny fanta-daza toa an-dry Victor Rajoro, Andrianary Ratianarivo, Naka Rabemanantsoa. Anisany ny poeta Avelo Nidor sy ny poeta Ratsifa. Vahinin'ny Poetawebs Ratsifa amin'izao ankatoky ny 27 oktobra 2024 higadonan'ny seho ao amin'ny Havoria Auditorium Anosy izao.
Toetra Raja
Miarahaba anao Ratsifa manolotra fotoana ho an'ny mpisera. Azo fantarina ve ny tompon'antoka amin'ity hetsika ity ary mpifanerasera aminao avokoa ve ireo mpanankanto ireo?
Ratsifa
Tompon'antoka voalohany amin'ny hetsika izahay mivady sy ny vinantolahin'i Therack, izany hoe vadin'ny zanany, ary ny rahalahin'ny vadiko sy ny vadiny. Mpifanerasera amiko tokoa ireo mpanankanto ireo.
Toetra Raja
Manoloana ny fivoaran'ny hira ankehitriny, mbola manana toerana miavaka ve ny kalon'ny fahiny?
Ratsifa
Tena sahiko ny milaza amintsika mpanaraka ny serasera Poetawebs fa mbola manana ny toerana sy lanja mampiavaka azy ny Kalon'ny fahiny raha oharina amin'ny hira ankehitriny. Miteny kokoa ny tononkiran'ny Kalon'ny fahiny.
Toetra Raja
Inona no karazana tononkalo hantsainao sy i Avelo Nidor?
Ratsifa
Karazana tononkalom-pitiavana sy fiainana andavan'andro.
Toetra Raja
Famerenana ny hasin'ny poeta eo anivon'ny fianakaviam-ben'ny mpanakanto ity hetsika ity. Ahoana ny fomba fanamafisana izany amin'ny ho avy?
Ratsifa
Tena eo am-piketrehana sahady ny ho tohin'ity hetsika ity izahay ary hanomana hetsika goavana mahakasika ny hiran'ny Kalon'ny fahiny.
Toetra Raja
Mankasitraka Ratsifa namaly ny hetahetan'ny mpisera. Mirary fahombiazana feno ho anao sy ho an'ity hetsika tsy manam-paharoa ity!
Ratsifa
Mankasitraka indrindra anao Toetra Raja nanome sehatra anay eto amin'ny pejin'ny Poetawebs. Manasa antsika mpanaraka hijery ny fampisehoana amin'ny alahady ho avy izao.