Sitraka Feno Tanteraka
Heriarilala
Andriamamonjy - 21/12/2024
Teny - Tany - Tena
"Atombohy
amin'ny teny ny fitiavana ny tany ho voninahitry ny tena", izany no
teny filamatra noforonin'i Sitraka Feno Tanteraka tamin'ny volana
avrily 2017 ary mbola ahofahofany hatramin'izao. Novoiziny tao amin'ny
pejy Facebook "Ahoana no Fanoratra?" io teny io rehefa nizara
fahalalana maro momba ny teny malagasy izy. Raha tsiahivina vetivety
dia voazara tao avokoa na momba ny fitsipi-panoratana na ohabolana na
voambolana. Ankehitriny, nisy nangalatra (nanao piraty) io pejy io ary
notohizina ao amin'ny pejy Sitraka Feno Tanteraka ny asa famerenana ny
fitsipika marina tokony hanoratan'ny Malagasy ny teny malagasy.
Maniraka, mibaiko ary manaitra ny tsirairay tsy hanao tsinontsinona ny tenin-tanindrazany ity teny filamatra ity raha tia ny fireneny tokoa izy. Raha ny hevitr'ity poeta ity dia itafiam-boninahitra izany fahaizana ny tenin-tanindrazana izany fa tsy sanatria mahamenatra.
Mbola mitohy hatramin'izao taona 2024 izao àry ve ny fiainany sy fitaomany ny olona hiaina io teny filamatra io?
Eny avy hatrany no valin'izay. Raha hanao tombana vetivety momba ny fampitiavana ny teny malagasy nataon'i Sitraka Feno Tanteraka tamin'ity taona ity isika dia indroa nanao velakevitra izy.
- "Ny vaky boky : soliky ny fandrosoana", natao tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy tamin'ny alarobia 03 avrily 2024, nandritra ny hetsika Famoloana Telozoro; nentina tao amin'ny Kianjan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena izany nandritra hetsika Tokotany Be nokarakarain'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ny sabotsy 20 avrily 2024.
- Manaraka izany, na efa tsy eo intsony aza ny pejy "Ahoana no Fanoratra?" dia notohiziny tao amin'ny pejy Sitraka Feno Tanteraka indray ny fizarana ohabolana sy fitsipiky ny teny malagasy nanomboka tamin'ny volana septambra.
Mitohy izany ary kasaina tsy hitsahatra mihitsy araka ny fanazavany. Ny tanjona, hoy izy, dia ny hanampy ireo tanora ankehitriny, tototry ny kolontsaina vahiny, hahatsiaro fa manana harena ara-kolontsaina isika azo trandrahina sy tsy lany hamamiana. Ankoatra izay, mbola ahariharin'ity poeta ity amin'ny alalan'ireo tononkalo zarainy ao amin'ny pejiny izany fitiavana ny teny sy ny tany izany. Nanamafy izy fa ny fitiavana ny teny dia tsy mijanona eo amin'ny fitenenana azy andavanandro fotsiny fa hatramin'ny fanoratana azy marina sy madio amin'ny sehatra rehetra. Izany dia sady fanandratana azy ho avo no fiarovana azy tsy ho potika. Noho izany, mbola hiezaka hatrany ity poeta ity hampiaina io teny filamatra io amin'ny taona 2025. Hitohy araka izany ireo hetsika momba ny tononkalo sy teny malagasy.

Date de dernière mise à jour : 21/12/2024