Kalo Fanomezana manolotra ny EMBAÑA

Kalo Fanomezana manolotra ny EMBAÑA
Toetra Ràja - 13/10/2024

Kalo Fanomezana manolotra ny EMBAÑA

Tapatapakahitra nifanaovan'i Kalo Fanomezana tamin'i Toetra Ràja

Andriambavilanitra 4 avy ao amin'ny Faribolana Sandratra no hisidina am-poezia amin'ny alalan'ny EMBAÑA amin'ny 26 oktobra 2024 izao. Aiza sy amin'ny firy ny fotoana ary inona no hevitra fonosin'ity hetsika miavaka ity? Mitapatapakahitra amin'i Toetra Ràja i Kalo Fanomezana.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Kalo Fanomezana mivahiny eto amin'ny Poetawebs. Misy antony manokana ve ny nanomezanareo anarana ny hetsika hoe EMBAÑA?

Kalo Fanomezana
Miarahaba an'i Toetra Ràja sy ny Poetawebs ary mankasitraka indrindra anareo amin'ny fandraisana. Ny hoe EMBAÑA dia fitenim-paritra iray izay midika hoe sidina raha amintsika; toy ny elatra, misidina, ambony.
Koa satria moa vehivavy avokoa izahay no mandrafitra ny mpiantsehatra amin'ity indray mitoraka ity dia nofinidinay manokana ny EMBAÑA hanehoana indrindra ny hakanto sy haavon'izany ampela izany. SIDINA  e... Avo.

Toetra Ràja
"Sidina am-poezia" no mirentirenty eo amin'ny petadrindrina.  Hanana toerana miavaka amin'io andro io ve ny poeziam-pitiavana raha toa ka ilay sary fo kely nanoloana ny "o" amin'ny poezia no dinihina?

Kalo Fanomezana
Ny fitiavana dia poezia... Ary andro natokanay FARIBOLANA SANDRATRA ilalaovana indrindra ny poezia ny sabotsy fahefatry ny volana toa io. Ary amin'ny maha-vehivavy anay mpisehatra, izahay vehivavy manko fitiavana ary TIA, dia  hisy toerana ho an'ny Fitiavana tokoa amin'io fotoana io. Tsy fitia irery anefa fa hilalaovanay resaka sy zavatra maro ny sehatra araka ny maha-POEZIA azy.

Toetra Ràja
Zavatra maro hoy ianao toy ny Ombon-kalo, Antsatononkalo, Tsangantononkalo. Ny Ombon-kalo angamba no tsara hohazavaina kely raha tsy mahadiso.

Kalo Fanomezana
Tsy mahadiso kosa e! Izahay SANDRATRA dia mivoy sy manana ilay toe-tsaina hoe "mamorona fa tsy mamerina" ary izany indrindra no mahatonga ireo karazana hetsika fanao maro nipoitra teto anivon'ny faribolana. Ary anisan'izany ny ombon-kalo. Ny OMBON-KALO, izany hoe ombona sy kalo dia kalokalo, poezia, resaka anaty fiombonana.

Toetra Ràja
Efa nisy fotoana ve niarahanareo 4 mirahavay niombona teo anivon'ny hetsika iray?

Kalo Fanomezana
Eny! Efa maro ny hetsika fanaonay ary niarahana hatrany ireny... Ohatra amin'izany ny Saramba Mikalo sy ny hetsiky ny mpiray faribolana samihafa.

Toetra Ràja
Misy manampy ve ianareo 4 mirahavavy eny an-tsehatra? Aiza ny lehilahy?

Kalo Fanomezana
Ny manampy aloha mazava ho azy satria hisy ny mpihira handravaka ny seho. Ny hoe hisy lehilahy ve? Aleo mba hisy ny tsiambaratelo mialoha ny hetsika e! Vazivazy ihany izany fa tongava dia hahita zavatra milay.

Toetra Ràja
Azo antoka fa "hilay" tokoa ny hetsika satria efa elaela ihany no nahafantarana anareo 4 tao amin'ny Faribolana Sandratra. Ho an'i Kalo Fanomezana manokana, oviana ianao no nanomboka nanoratra?

Kalo Fanomezana
Toy ny ankabeazan'ny mpanoratra, na tsy izy rehetra aza, dia tany amin'ny faha ankizy tany no nanomboka namoaka ny tao am-po tamin'ny alalan'ny soratra, na mety mbola tora-po aza fa tsy aingam-panahy. Rehefa tsapa fa niha-natoy moa ny talenta dia tapa-kevitra hiara-dia amin'ireo mpiray faribolana ka ny taona 2016 no niditra SANDRATRA.

Toetra Ràja
Eto am-pamaranana Kalo Fanomezana, afaka manolotra andinin-tononkalo kely ve ianao?

Kalo Fanomezana
Eny tompoko. Anisan'ny tononkalo ho hita ao anatin'ny boky EMBAÑA izy ity. Hararaotina eto sahady ny fanasana antsika mpanaraka  ny tranonkala Poetawebs ny amin'ny fanjifana ny boky izay ezahina ho amin'ny vidiny mirary tokoa.

       ALINA
Alina efa firy moa
No efa niandrasako
Ny avelonao ho tonga?
Masoandro firy koa
No nilentika eny ka tsy hiverina eto intsony?

Fa mbola tsy hita ianao

Impiry nisy volana
Tsinana sy feno teo am-baravarakeliko?
Dia kotroka sy orana
tsy voatanisa intsony
tao an-tafontranokeliko

Fa tsy tonga ianao...

Kintana an-jatony
No efa voatanisako
Ho takarina ho anao
Fa ny varatra sy akony
No nameno ny ati-foko nidoboka ho anao

Mbola miandry anao...

Kalo Fanomezana

Toetra Ràja
Miandry antsika mpakafy Ombon-kalo, Antsatononkalo, Tsangantononkalo ny EMBAÑA amin'ny 26 oktobra 2024 amin'ny 3 ao amin'ny CGM Analakely. Hiaraka hisidina aminy am-poezia isika. Ampahatsiahivina fa mandrafitra ny EMBAÑA i Nirihaja, Tiavina, Haingohaja ary i  Kalo Fanomezana izay isaorana tamin'ny nahafoizany fotoana namaliana ireo fanontanian'ny Poetawebs. Mirary fahombiazana tompoko!

Kalo Fanomezana
Ianareo no ankasitrahana fa tena fy ny zavatra ataonareo ary mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny tantaran'ny literatiora malagasy.
Misaotra indrindra tompoko!

Date de dernière mise à jour : 13/10/2024