elie rajaonarison. Dia mbola hitsetra foana ve?

Nangonin'i Tsikimilamina Rakotomavo - 15/11/2024

DIA MBOLA HITSETRA FOANA VE ?

elie rajaonarison
15 novambra 1951 - 15 novambra 2024


Velakevitr’i elie rajaonarison notontosaina tao amin’ny Akademia malagasy ny 24 febroary 2001 no andeha hanamarihana ny tsingerina momba azy.
________________
elie rajaonarison

Rehefa mihaino fampielezam-peo sy antsan-tononkalo ankehitriny dia re foana ny hoe: TSETRA.

Izay indrindra no nahasarika ahy hamoaka ny "Revue Noire" ahitana ny lohahevitra hoe "Andeha hifoha amin’izay fa maty daholo isika".Toy izany koa ny famelabelarana natao mikasika ny haisoratra manao hoe: "Mamorona fa tsy mamerina". Ao ihany koa ny lahatsoratra maneho ny asasoratra mitondra ny lohateny hoe "Vaky zetra" tao amin’ny gazety Ambioka. Vao tsy ela akory izay no nanaovana ny famelabelarana "Ranitra, le devoir de l’Insolence" tao amin’ny CCAC.

Toa mahatonga ny tena hametra-panontaniana mantsy ny zava-misy ka hanao hoe: Inona no anjara entin’ny Malagasy eo amin’ny kolontsaina iombonana eran-tany? Mbola fandokoana ny fiainana foana ve no voalazan’ny haisoratra malagasy?

Entina hamaliana ireo dia mamelà ahy aloha hitanisa ireo vanimpotoana lalovan’ny asasoratra. Nisy ny vanimpotoana Mitady ny very, avy eo nisy ny vanimpotoana nanehoan’ny mpanoratra ny fisiany toa an-dry Rado. Manaraka izany, noheverina fa maty ny haisoratra malagasy nanomboka ny taona 1980 izay fotoana nampiroborobo ny fitserana. Nisy fikambanana Fivoy izay fikambanana mpanoratra maromaro nahitana an-dRanjatohery Harilala sy ny namany. Teo ihany koa ny Faribolana Sandratra.

Araka izany dia tsy hita loatra ny zava-baovao ao amin’ireo haisoratra ireo. Avy amin’izay indrindra mantsy no ipoiran’ny fanontaniako teo aloha hoe: Inona no anjara entintsika ankehitriny amin’ny kolontsaina iombonana eran-tany?

Vita ny an-dry zareo fahiny ; fa inona kosa no entintsika ankehitriny?

Manahy aho mantsy sao dia mamerina fa tsy mamorona ny mpanoratra Malagasy.

DIA MBOLA HITSETRA FOANA VE ?

Ankehitriny dia mbola tsetra foana no re, izany hoe fomba filazan-javatra teo aloha ihany no averina ary tsy misy fiovana mihitsy.

FA FANAHY TOY INONA NO ZARAINTSIKA HO AN’NY TONTOLO ?

Toa hadinon’ny mpanoratra mantsy fa ny akora raisina dia ny teny. Ny teny izay velona, ny teny izay misy feo, misy gadona, rindra, ritsoka, retsika, tepo. Tsy ny hevitra fotsiny no ambara ao amin’ny asa soratra fa ny feo, ny fahavelomana sy ny feon’ny teny no mahatonga ny fanahy. Ary ny fanahy dia midika hevitra ambaran’ny asasoratra.

Indraindray mantsy dia ny hevitra no mahamaika ka safotra ny fanahy. Indraindray ny rima no mahamaika na ny loko ka safotra ny fanahy.

Koa izao no mba soso-kevitro :

 
- Afaho ny teny, avelao hiaina, aza gejaina ny teny

- Araho ny bitsiky ny teny, ny hiakan’ny teny, ny tepon’ny teny

- Aza gejaina amin’ny rafitra tsy sahaza azy ny teny

- Araho ny ritsoky ny fanahy ao amin’ny teny.

Izany no hahafahana indray manasongadina ny fanahy eo amin’ny Kolontsaina eran-tany.

 

Date de dernière mise à jour : 06/10/2024