"Eto ry Lala" tsy fahita firy
Faniry
Ezeckiel - 24/10/2024
"Eto ry Lala" tsy fahita firy
Hira
sy tononnkalo
Tsy fahita firy, hitondra ny mpankafy any amin'ny tontolo hafa ny "ETO RY LALA". Haredona ao amin'ny HAVORIA AUDITORIUM ANOSY io fampisehoana io, ny alahady 27 oktobra 2024 amin'ny 2 ora sy sasany tolaka andro. Somonga an-kira no hoentin'ireo mpanankanto efa manana ny toerany ary horavahina antsa tononkalo hiangalian'ireo poeta mianadahy efa tsy zovina amin'ny mpankafy intsony: Avelo Nidor sy Ratsifa. Hiangaly ny vazon'i Therack Ramamonjisoa amin'io fotoana io ny tarika Voamaintilany, i Benny ary i Voara.
Marihina fa mpamoron-kira tranainy teto Madagasikara i Therack Ramamonjisoa niaraka tamin'ireo namany fanta-daza tamin'ny famoronana ireny kalon'ny fahiny ireny : Victor Rajoro, Naka Rabemanantsoa, Andrianary Ratianarivo. Hameno ny fotoana mandritra izany ny hiran'i Therack Ramamonjisoa. Efa "piesy teatraly" mihitsy mantsy ireo hirany ireo ary voky traikefa amin'izany izy raha tsy hilaza hafa tsy ny "Kilalaon'afo" sy "Rabemangahazo" izay nolalaovina tao amin'ny Tranompokonolona Isotry.
"Izao indray vao mba misy izany fampisehoana kalon'ny fahiny izany eto Antananarivo. Mampiavaka azy ihany koa ny fahitana ireo taranany manolotra sy mikarakara ny hetsika ary misy amin'izy ireo no handray anjara mamelona ny hiran'i Therack", araka ny fanazavan-dRatsifa, iray amin'ireo poeta hiaka-tsehatra.
Ho an'ireo hamandrika toerana mialoha dia efa misy ny fivarotana tapakila ao amin'ny Super Music Analakely sy Épicerie Fines de Madagascar Tanjombato ary Ak'Oor Digue.
Mamelona ny kolontsaina malagasy ireo mpanan-talenta, hianoka zava-kanto hafa kely indray ny ao Iarivo araka izany.