Faribolana Sandratra, Faradoboky ny faha-35 taonany
Toetra
Ràja - 06/01/2025
Faribolana Sandratra
Faradoboky ny faha-35 taonany
Poeta andriambavilanitra roa samy mpisorona ao amin'ny komity mpikarakara ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny Faribolana Sandratra no mitapatapakahitra amin'i Toetra Ràja eto amin'ny Poetawebs.Toetra Ràja
Miarahaba an'i Nirihaja sy Felana tonga soa ary miarahaba anareo koa nahazo taom-baovao. Irina ho ampoky ny soa sy fanambinana ho anareo sy ho an'ireo mpiseran'ny tranonkala anie ity taona 2025 ity.
Nirihaja sy Felana, azo ampahatsiahivina ve ny tanjon'ny Faribolana Sandratra teny am-piandohany sy ny fivoarany ankehitriny?
Felana sy Nirihaja
Miarahaba sy manantitra ny firariantsoa noho ny taona vaovao ny Poetawebs. Ho taom-pahombiazana sy taom-panambinana ho an’ny Poetawebs anie ity taona 2025 ity.
Raha ampahatsiahivina dia ny “fampiroboroboana ny teny sy ny literatiora malagasy no tanjon’ny Faribolana Sandratra. Tsy mbola miova izay tanjona izay fa ny fomba fanatanterahana azy no mivoatra manaraka ny onjan’ny vanim-potoana.
Toetra Ràja
Firy eo ho eo moa ny isan'ny mpiray Faribolana Sandratra ary firy ny isan'ny sampana?
Felana sy Nirihaja
Miisa manodidina ny 400 ny mpikambana ary 24 ny isan’ny Sampana hatreto.
Toetra Ràja
35 taona nilonana tao anatin'ny kanto, mafonja tokoa izany! Azo fintinina ve ny lalana nizorany?
Felana sy Nirihaja
Raha azo nisaina tamin’ny rantsan-tanana ny isan’ireo mpikambana izay antsoina hoe Mpanorina, ary teto Antananarivo no foibeny sy nisy azy tamin’izany, nivoatra tsikelikely izany ary izao tonga aman-jatony izao sy mipariaka manerana ny Nosy. Teo amin’ny zavatra vita, dia aman’arivony ny boky navoaka izay amin-karazany toy ny amboaran-tononkalo, sombin-tantara... Teo anilan’izany dia namokatra piesy teatraly ihany koa ny Faribolana Sandratra : Renty manadala, Ziglo, Mangahazo maina... sy tsangan-tononkalo izay tsy voatanisa eto daholo, singanina amin’ireny ny “Andro gaigy : 2003 “; nahatsiarovana an’i Randja Zanamihoatra, “Hiaka sy Tsiky” avy amin’ny asasoratry ny mpiraifaribolana... Manana edisiona mamoaka gazety koa ny Faribolana Sandratra izay mivoaka isaky ny 3 volana ankehitriny, gazety tokana miresaka ny literatiora ranofotsiny amin’ny fiteny malagasy. Ny fandaharana mikasika ny haivolana sy haisoratra eny amin’ny onjam-peo dia saika ny mpikambana Faribolana Sandratra no miandraikitra azy. Tsy tambo isaina ihany koa ireo velakevitra tontosa nandritra izay 35 taona nisian’ny Faribolana Sandratra izay entina am-pitiavana ny teny sy literatiora malagasy. Fa tsy mitsahatra ny mitondra famoronana koa ireo mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra ka anisan’ireny ireto karazana asasoratra ireto : Riankalo, Tôkalo, Sôvaramita, Tôkandriana... ary farany teo ny hokankalo. Etsy andaniny, tsy mitsaha-mitombo ireo mpianoka sy mpitia ireo asasoratra malagasy, tsy vitsy no tonga mpikira izany. Ny Faribolana Sandratra ihany koa dia mivelatra amin’ireo fikambanana hafa na avy eto an-toerana izany na any ivelany sy ny andrim-panjakana raha niaina samirery tany am-boalohany.
Toetra Ràja
Mafonja dia mafonja tokoa izany lalana nodiavin'ny Faribolana Sandratra izany. Ahoana ny fomba nanamarihana ity faha-35 taona ity nandritra ny herintaona maninjitra?
Felana sy Nirihaja
Hetsika ara-javakanto sy famoaham-boky izay notontosaina tany amin’ny ivon-toerana ara-kolontsaina toy ny CGM/GZ, AFT, Tranombokim-pirenena Anosy efitrano Dox sy Jaomanoro ary fitetezana sekoly tamin’ny alalan’ny tsangantononkalo, antsatononkalo, zarafanahy manokana, velakevitra, fifaninanana miantsa tononkalo ary tononkalo mitety vazan-tany no nentina nanamarika ny fankalazana ny faha-35 taona. Nisy ihany koa ny fandraisana anjara tamin’ny horonan-tsary "Tonony sy Kalo" izay vokarin’ny Ministera sy mandeha amin’ny tambajotra serasera. Miisa an-jatony ny hetsika tontosa manerana ny isan-tsampana tamin’izany. Nisy ihany koa ireo atrik'asa nokarakaraina tanatiny sy ivelany toy ny fanoratana tantara ka sady nizara ireo mpiraifaribolana no nisitrika tamin'izany.
Toetra Ràja
Higadona tsy ho ela ny 10 janoary faradobok'izany faha-35 taona izany. Inona no zava-kitranga mandritra io lanonana io?
Felana sy Nirihaja
Tsara ny manasongadina fa ny hetsika rehetra natao nenti-nanamarika ny faha-35 taona dia teo ambany fiahian’ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina avokoa, tsy latsa-danja amin’izany ity lanonana famaranana ity izay ho tanterahina ny Zoma faha-10 janoary 2025, manomboka amin’ny 10 ora maraina ao amin’ny Tranombokim-pirenena . Olo-manan-kaja eo anivon’ny Ministera isan-tsokajiny sy andrim-panjakana hafa, tompon’andraikitra misahana ny fampianarana ambony sy fikambanana samihafa ary ireo ivon-toerana ara-kolontsaina mpiara miombon’antoka amin’ny Faribolana Sandratra no nasaina manokana. Amin’io andro io no anoloran’ny Ministera mari-boninahitra ho an’ ireo mpikambana izay nahafeno fepetra. Amin’ny maha mpanandratra ny zava-kanto vita amin’ny teny malagasy ny Faribolana Sandratra dia hiavaka ny seho hanelanelana ny fotoana rehetra amin’io, izay ny tarika “Zanaray percussions” no handravaka azy miaraka amin’ireo tsongan-kalo hovelomin’ny mpiraifaribolana.
Toetra Ràja
Amin'ny maha fikambanana poeta sy mpanoratra malagasy azo lazaina ho lehibe indrindra ny Faribolana Sandratra, ahoana ny fomba famehezanareo ny fitsinjaran'asa ao aminy, indrindra fa mandritra ny fotoana lehibe toy izao?
Felana sy Nirihaja
Mandray anjara daholo ny mpikambana rehetra amin’ny maha faribolana azy. Miainga amin’ny fitanisana ny tanjona tratrarina sy fanehoan-kevitry ny mpiraifaribolana ny fitsinjarana ny asa.
Toetra Ràja
Misy enti-mody hozaraina amin'ny mpanatrika ve hianohana ao aorian'ny hetsika?
Felana sy Nirihaja
Heverina fa ny zavatra hitranga mandritra ny lanonana dia hipetraka ho tadidy ho an’ireo mpanatrika sy hanakoako manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny haino aman-jery ka hiaina izany tahak’ireo nanatrika ihany na ireo tsy afaka nanotrona aza.
Toetra Ràja
Manana vina manokana azo ambara ve ny Faribolana Sandratra amin'ny taona maromaro ho avy?
Felana sy Nirihaja
Be dia be tokoa ny vina ho amin’ny taona manaraka izay mbola tsy afaka lazaina eto aloha fa ho fantatsika miandalana eny ihany. Marihina fa isaky ny 2 taona ny zaikabe handinihana ny fianam-paribolana sy ireo vina ka amin’ity taona ity no hanaovana izany. Ny azo antoka dia mihevitra ny hiasa sy hanolotra ny tsara kokoa hatrany ireo mpiraifaribolana hanandratana ny teny.
Toetra Ràja
Mankasitraka indrindra Felana sy Nirihaja nanolotra fanazavana maro be ary nisolo tena ny Faribolana Sandratra. Mirary fahombiazana feno ho an'ny hetsika lehibe amin'ny zoma sy ho an'ny vina rehetra ho avy.
Felana sy Nirihaja
Misaotra ny Poetawebs miara-dia sy manome sehatra ny Faribolana Sandratra hatrany, tsy tamin’ity faha-35 taona ity ihany fa hatramin’izay nijoroan’ny Poetawebs. Irariana hitohy hatrany ny fiaraha-miasa. Mirary soa ho anareo amin’ny anjara biriky entinareo hanandratana ny teny malagasy.
Date de dernière mise à jour : 07/01/2025