Sidina am-poezia

Sidina poezia
Toetra Ràja - 21/10/2024

Sidina am-poezia

Andro vitsivitsy sisa isaina dia higadona ny andro itondran'ny Faribolana Sandratra ny mpanaraka azy amin'ny "Sidina am-poezia". Milohateny hoe "Embaña" ny hetsika, "Embagna" koa no fanoratra azy, voambolana avy amin'ny fitenim-paritra sihanaka, manambara ny "elatra" araka ny mety ho mahazatra ny maro.

Poeta vehivavy efatra, Haingohaja, Kalo Fanomezana, Nirihaja ary Tiavina, izay efa zatra miaraka sy samy manana ny maha izy azy avy, no hanamory ny sidina ny sabotsy 26 oktobra 2024 ao amin'ny CGM/GZ Analakely.

Tsy mitsahatra mikaroka am-pitiavana ny teny malagasy sy mizara poezia fanomezana tsiro ny andavanandrom-piainan'ireo mpianoka ny mpikambana ao amin'ny Faribolana Sandratra.

Raha hazavaina tsotsotra, fihaonan'ny hetsi-panahin'ny poeta maro ka miteraka fihetseham-po iraisan'ny samy poeta ny "Sidina am-poezia". Miako any amin'ireo mpanatrika izany ka miteraka fihetseham-po sy aingam-panahy ho an'ireto farany, izay zary lasa poeta ihany koa eo am-pianohana izany!

Haingohaja, "'Zaho tsy sipa tsinjo
ka hamonjy poritra ny vesatra tsy tanty
"
.

Kalo Fanomezana,
misarika ho amin'ny sahan'ny alina

Tiavina, niova sata, niova loko

Nirihaja, mpiventy ny fahatsoram-po sy fitoniana

Ajouter un commentaire