Tontolo Toly, tontolo miavaka

Tontolo Toly, tontolo miavaka
Nirihaja - 10/10/2024

Tontolo Toly, tontolo miavaka

Faha-35 taonan'ny Faribolana Sandratra

Fotoana niavaka sy kanto no natolotry ny Faribolana Sandratra an'ireo mpianoka azy ny 9 oktobra 2024 tetsy amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy tamin'ny alalan'i Toly izay tsy zovina amin'ny maro.

"Tontolo Toly" no lohatenin'ny hetsika, niresahana momba ny mpanoratra, ireo dingana vitany teo amin'ny asasoratra, ny aingam-panahiny sy ny firehan-keviny, ireo mpanakanto namany, ny fahitany ny literatiora ankehitriny, ny fifandraisany amin'ny mpiraifaribolana Sandratra.

Nifandimby nijoro vavolombelona nilaza ny fahitany an'i Toly sy ny asasorany ireo mpanoratra mpiraifaribolana aminy toa an-dry Tsitohery, Zo Maminirina, Ranoe. Singanina koa ireo artista mpitankosona amin'i Toly izay nisy nanisy feo ny tononkalony ho lasa tononkira toa an-dry  Tovo Andrianandraina. Nanotrona azy koa i Ifanihy.

Nandravaka ny hetsika ny hiran'i Jenny, Pazzapa andiany fahafito, sy i Manoa. Efa zatra miara-miasa amin'i Toly eo amin'ny lafin'ny kanto izy ireo. Niavaka koa ny fiantsan'ireo namana mpiraifaribolana ny tononkalon'i Toly.

Ny masoandro mody no nampalahelo satria nalaina ny hisaraka ireo mpanatrika. Tsapa ho nianoka tanteraka hatramin'ny farany mantsy izy ireo, hatreo amin'ny famalian'i Toly ireo fanontaniana napetraky ry Noah sy ny mpijery.

Nirihaja

Sary etsy ambony, miankavia : Ranoe, Tovo Andrianandraina, Ifanihy, Toly, andefimandrin'i Ifanihy

Manoa eo ankavia sy Jenny eo ankavanana, nampiara-peo tamin'ilay hiran'i Bessa hoe "Tsy hoe kisendrasendra...". I Toly no manoratra ny tonony

Noah, mpiraifaribolana, nametraka fanontaniana sy nanao fanamarihana

Ny poeta Hanitra Olive
anisanireo niantsa ny tononkalon'i Toly

Mandray fienenana i Ranoe


Date de dernière mise à jour : 10/10/2024