Haiantsan'ny Faribolana Sandratra
Toetra
Ràja - 28/10/2024
Haiantsan'ny Faribolana
Sandratra
Izay
rehetra nifaninana niantsa tononkalo dia nampihoraka ny mpanatrika
avokoa. Nisehatra tamin'ny famaranana ny fifaninanana miantsa tononkalo
tokoa tao amin'ny CGM Analakely ny
28 septambra 2024 ireo mpifaninana 13 mianadahy izay
mendrika tamin'ny fifanintsanana samihafa nampanaovin'ny Faribolana
Sandratra ho fanamarihana ny faha-35 taona nijoroany.
Lohahevitry ny hetsika
ANDEHA ISIKA HAMORONA OLONA TAHAKA ANTSIKA
Nitovitovy ny fomba fijerin'ireo vondron'ny mpitsara nahitana an'i Nirihaja, poeta sady komitin'ny faha-35 taonan'ny Faribolana Sandratra, Hary Razafindrakoto, sady mpanao gazety no mpamaliha ary i Tsikimilamina Rakotomavo, poeta sady mpandrindra ny tranonkala Poetawebs no nanao fikarohana momba ny Faribolana Sandratra. Fitafiana, angola ary ny akony amin'ny mpijery no maritsivana nandrefesan'ny mpitsara izany haiantsa izany.
Faniry Fanomezantsoa no nahazo ny laharana voalohany tamin'izany. Fanomezana kosa no mpandray anjara nambabo ny mpitsara. Izy no zokiny indrindra tamin'ny mpifaninana sady tonga lavitra avy tany Antsirabe niatrika fifaninanana ka nampihetsipo ny vondron'ny mpitsara sy ny komitin'ny faha-35 taona noho ny fahafoizan-tenany, ny fikirizany, ary indrindra ny seho kanto an-tsehatra nasongadiny ka nampihoraka ny mpanatrika.
Ankoatra ny fanomezana azon'ny mpandray anjara rehetra dia boky samihafa sy fivahinianana amin'ny toeram-pandraisam-bahiny iray any Antsirabe no loka azon'ireo telo voalohany.
Ny tranonkala Poetawebs dia miarahaba hatrany ny Faribolana Sandratra noho ny ezaka fampiroboroboana ny poezia malagasy. Tsy hay hadinoana ny mandrisika ireo mendrika rehetra.