Rado, Vao teny an-tsasa-dalany
Il'Aina
Herinandrasana - 18/10/2024
Vao teny an-tsasa-dalany
Fanadihadiana ny tononkalon'i Rado
Ilaina ny fanabeazana ny taranaka mikasika ny fananahana amin'izao vaninandro izao. Tsikaritra eny amin’ny fiarahamonina mantsy ireo tovovavy tsy ampy taona solafaka vokatry ny tsy fahafehezana ny tontolon’ny fananahana, ny fidirana aloha loatra amin’ny firaisana ara-nofo. Ity tononkalon-dRado mitondra ny lohateny hoe : "Vao teny an-tsasa-dalany" ity izao dia miresaka izany. Asongadiny amin’izany fa misedra olana goavana ireo tovovavy mitondra vohoka tsy nirina nefa mbola nilaozan’ny rain-janany. Miteraka adin-tsaina lalina eo aminy ny fiatrehana izany ary manampy trotraka izany ny fihetsiky ny fiarahamonina manoloana ny zava-misy. Mety hiafara amin’ny famonoan-tena izany noho ny famoizam-po.
Vao manomboka ny adolantsentony ny tanora dia feno ny fepetra mamorona ny maha lahy na maha vavy azy. Efa misy filana mitsiry ao aminy nefa mbola sarotra aminy ny mifehy izany. Ambonin’izany, mbola resaka mahamenatra ny miresaka fananahana amin’ny fiarahamonina malagasy, hany ka lasa mitsapatsapa ny tanora ka miafara amin’ny fitondran’ny zazavavy vohoka ny tsy nirina. Vokatr’izany, sahiran-tsaina izy ireo ny amin’ny misy sy izay ho tohiny. Samy tsy mbola vonona hizaka adidy na ny lahy na ny vavy ka ny tovovavy no tratra farany amin’izany. Hoy ny tononkalo raha milaza izany :
"Manomboka ny tolony,
Maina ery ny molony,
Valaka sy lanaka,
Fa hita ho manana anaka…"
Manoloana izany, rehefa mandinika lalina ny misy ireo tovovavy solafaka ireo dia tra-nenina, izay tsy hanova inona amin’ny toe-java-misy. Ny tanora, amin’ny maha tanora azy dia mbola miaina amin’ny andrakandrana, mbola tsy mahay mandanjalanja loatra fa voabaikon’ny filany ihany. Rehefa misy fahasarotana na fahavoazana vao manenina sy manamelo-tena. Vokatr’izany, menatra ny tenany izy, sadaikatra amin’ny misiny, nefa tsy hitany ny atao ka fahakiviana no mameno ny fiainana. Ny olon-tiany nantenaina hiara-dalana aminy, nahafoy azy rahateo Hoy i Rado raha nanoritsoritra izany toe-java-misy izany :
"Kaikerin’ito neniny,
Ny kibony afeniny,
Sadaikatra ery
No kivy koa satria…
Vao teny an-tsasa-dalany
‘lay tiany sy malalany
Nataony ho reharehany
Dia tsy hita…’zay nalehany!"
Misedra olana tokoa ireo tovovavy miatrika irery ny fitondrana vohoka tsy nirina. Mivesatra adin-tsaina irery izy ireny, mizaka irery ny adidy ao anatin’ny nenina ny amin’ny vokatry ny filana tsy voafehiny. Fa manao ahoana kosa ny fihetsiky ny manodidina azy ireny manoloana izany?
Efa hatry ny ela ny fiarahamonina malagasy no tsy nankasitraka ny misin’ireny vehivavy nitondra vohoka tsy nirina ireny, na toy inona na toy inona fomba nahazoany izany. Toe-javatra mahamenatra izany. Koa manoloana izany, manenjika ireny tovovavy solafaka ireny ny fiarahamonina, eny, na dia ireo heverina ho mpivavaka, tokony hanarina fa tsy hanenji-dresy aza. Fa hoy i Rado :
"Masiaka koa ny velona
K’indreo miselontselona,
Mifosa an-katakonana
Ireo mpiray fiangonana."
"Koa na dia heloka aza
Ny hoe manala zaza…
Dia vitany tokoa"
Tsy mbola eken’ny fiarahamonina malagasy ny fisian’ny vehivavy mitondra vohoka aloha loatra, indrindra fa mbola nilaozan’ny rain-janany hany ka ny fanalan-jaza no vahaolona farany hahatafavoahana amin’ny toe-java-misy. Inona anefa no mety ho vokatr’izany fanalan-jaza izany?
Koa satria ny fanalan-jaza no vahaolana farany inoana fa hamaranana ny adin-tsaina sy hampanginana ny fanenjehan’ny olona noho izany vohoka entina an-tery izany, dia miroso amin izany tokoa ny voakasika. Ilay zaza miteraka olana saro-bahana no mila afaka ka isany mahafeno ny fepetra amin’ny fanatanterahana izany ny fisotroana fanafody manala zaza.
"Nony lasa nody
Nisotro fanafody
Fanalana zaza"
Vokatry ny fihinana fanafody fanalan-jaza anefa dia misy fiantraikany amin’ny toe-pahasalamana izany. Tsy azo lavina fa afaka tokoa ilay zaza fototry ny olana saingy ny fahasalaman’ilay saika ho reny dia miharatsy ary mety hiafara na hiafara mihitsy amin’ny fahafatesana. Hoy ny tononkalo mitantara izany :
"Ka indro fa voalaza
Fa hoe nanavinavy,
Dia maty ilay zavavy…"
Raha fintinina izay voalaza dia hita fa vokatry ny tsy fahafehezan’ny tanora vao misandratra ny fiainam-pananahany dia lasa nitondra vohoka tsy nirina izy. Amin’izany anefa, tsy mbola sahy miatrika adidy ireo mpifankatia vao misandratra hany ka mizaka adidy irery ilay tovovavy. Ankoatra izany olana goavana vahany irery izany dia manampy trotraka ny fiarahamonina sy ny fanenjehany ka miafara amin’ny fanalan-jaza izany. Fahafatesana anefa no vokatr’izany fanalan-jaza izany, izay mety ho tsy nosainina akory. Araka izany, tsy manan-jo ny ho tohanana tokoa ve ireny tovovavy solafaka ireny ? Dia ditrany ka lasa adidiny samirery tokoa ve ny fiatrehany ny fiainany? Moa ve tsy azo sorohina mialoha izany toe-javatra izany ? samy manana adidy anefa na ny ray aman-dreny na ny fiarahamonina na ny tanora tsy nahafehy tena. Ny marina tsy azo lavina, mila ny fanabeazana momba ny fananahana ny taranaka mba tsy ho simba foana ny fiainany.

Rehefa nianjadian’ny adin-tsaina mizaka irery ny fitondrana vohoka izy ireny, izay ampian’ny fiarahamonina trotraka amin’ny fanenjehana azy dia lasa tsy mahalala intsony izay hatao ka lasa manaotao foana ny farany. Satria ilay zaza azo tamin’ny fotoana tsy nampoizina no miteraka olana dia vahaolana akaiky, tsy ilana fandalinana loatra intsony ny fanalana azy.
"Koa na dia heloka aza
Ny hoe manala zaza…
Dia vitany tokoa"
Tsy mbola eken’ny fiarahamonina malagasy ny fisian’ny vehivavy mitondra vohoka aloha loatra, indrindra fa mbola nilaozan’ny rain-janany hany ka ny fanalan-jaza no vahaolona farany hahatafavoahana amin’ny toe-java-misy. Inona anefa no mety ho vokatr’izany fanalan-jaza izany?
Koa satria ny fanalan-jaza no vahaolana farany inoana fa hamaranana ny adin-tsaina sy hampanginana ny fanenjehan’ny olona noho izany vohoka entina an-tery izany, dia miroso amin izany tokoa ny voakasika. Ilay zaza miteraka olana saro-bahana no mila afaka ka isany mahafeno ny fepetra amin’ny fanatanterahana izany ny fisotroana fanafody manala zaza.
"Nony lasa nody
Nisotro fanafody
Fanalana zaza"
Vokatry ny fihinana fanafody fanalan-jaza anefa dia misy fiantraikany amin’ny toe-pahasalamana izany. Tsy azo lavina fa afaka tokoa ilay zaza fototry ny olana saingy ny fahasalaman’ilay saika ho reny dia miharatsy ary mety hiafara na hiafara mihitsy amin’ny fahafatesana. Hoy ny tononkalo mitantara izany :
"Ka indro fa voalaza
Fa hoe nanavinavy,
Dia maty ilay zavavy…"
Raha fintinina izay voalaza dia hita fa vokatry ny tsy fahafehezan’ny tanora vao misandratra ny fiainam-pananahany dia lasa nitondra vohoka tsy nirina izy. Amin’izany anefa, tsy mbola sahy miatrika adidy ireo mpifankatia vao misandratra hany ka mizaka adidy irery ilay tovovavy. Ankoatra izany olana goavana vahany irery izany dia manampy trotraka ny fiarahamonina sy ny fanenjehany ka miafara amin’ny fanalan-jaza izany. Fahafatesana anefa no vokatr’izany fanalan-jaza izany, izay mety ho tsy nosainina akory. Araka izany, tsy manan-jo ny ho tohanana tokoa ve ireny tovovavy solafaka ireny ? Dia ditrany ka lasa adidiny samirery tokoa ve ny fiatrehany ny fiainany? Moa ve tsy azo sorohina mialoha izany toe-javatra izany ? samy manana adidy anefa na ny ray aman-dreny na ny fiarahamonina na ny tanora tsy nahafehy tena. Ny marina tsy azo lavina, mila ny fanabeazana momba ny fananahana ny taranaka mba tsy ho simba foana ny fiainany.
Date de dernière mise à jour : 19/10/2024