Créer un site internet

Hiaina ny FANAHY FAHAROA ny ao Vakinankaratra

Hiaina ny FANAHY FAHAROA ny ao Vakinankaratra
Faniry Ezeckiel, 31/10/2024

Hiaina ny FANAHY FAHAROA ny ao Vakinankaratra

Ambohipihaonan'ireo mpankafy sy mpiangaly literatiora indray ny ao Vakinankaratra ny faran'ity herinandro ity. Hizara fahalalana amin'ny alalan'ny velakevitra ho an'ny mpianatra sy ireo mpanatrika ny sabotsy 2 novambra 2024 ao amin'ny Tranoben' ny Serasera sy ny Kolontsaina Akon'Ankaratra, hanomboka amin'ny 2 ora tolaka andro Ranoe. Karakarain'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo ny hetsika, hanandratana ny literatiora ary indrindra hanampiana ny mpianatra hanala fanadinam-panjakana, hanampy ny fahalalany sy hitiavany ny kolontsaina malagasy misimisy kokoa. Nampisalorana ny anarana hoe FANAHY FAHAROA ity seho ity satria mifanitsy indrindra amin'ny daty fahatsiarovana ireo nody mandry. Ampifanarahana amin'izay koa ireo lohahevitra hovelabelarina: Zanahary, Andriamanitra, Razana (ho an'ny kilasy famaranana), ny famadihana kosa ho an'ny kilasy fahasivy.

Tiana ny manamarika fa efa za-draharaha amin'ity sehatra ity Ranoe amin'ny maha poeta sy Mpanoratra, mpandrindra nasionalin'ny Faribolana Sandratra, mpanao velakevitra ary akademisianina azy. Tombony lehibe ho an'ny mpianatra izany traikefa ananany hozarainy ho an'ny rehetra izany.

Ankoatra izay, handravaka ny sehatra ny antsa tononkalo hoentin'ireo mpiraifaribolana ao Betafo izay miketrika ity seho kanto ity. Hanome aina ny fotoana koa ny fahatongavan'ireo mpandihy avy amin'ny Groupe Sang'Art sy handrenesana indray an'i Mami Bastah sy ny ngadona tandonaka.

Tsy handalo fotsiny akory io andro iray toa zato io fa afaka mitondra fahatsiarovana sy mitahiry fahalalana ireo manatrika. Hisy mantsy ny boky mikasika ny fampianarana sy momba ny asasoratra aman-tononkalo
maro hamidy ho an'ireo izay liana.

Mitaiza ny saina ho tia karokaroka ny literatiora, manitatra ny fahaizana ihany koa, tsy hanenina ary hanana tahirim-pahalalana maro araka izany izay hahay manararaotra io hetsika FANAHY FAHAROA io.


Fanahy faharoa
Fanahy faharoa

Ajouter un commentaire