Créer un site internet

FARIBOLANA SANDRATRA :1989-2024

Faribolana Sandratra. Fifaninanana miantsa tononkalo
Nirihaja - 25/09/2024

FARIBOLANA SANDRATRA :1989-2024

Fifaninanana miantsa tononkalo

Eo amperin'ny fankalazana ny faha-35 taona nijoroany ny Faribolana Sandratra. Fankalazana izay nosokafana tamin'ny fomba manetriketrika ny faha-11 Janoary 2024, tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy izany tamin'ny alalan'ny lanonana sy velakevitra ary notohizina tamin'ny famoaham-boky : "Amboara voalohany" natonta fanindroany ny volana jona teo, izay notontosaina tao amin'ny  Tranombokim-pirenena Malagasy ihany koa.

Somary hiavaka amin'ny mahazatra ny endriky ny fankalazana  amin'ity satria dia ireo mpankafy ivelan'ny Faribolana Sandratra no omena sehatra manokana amin'ny alalan'ny fifaninanana miantsa tononkako izay milohateny hoe : "Andeha isika hamorona olona tahaka antsika'". Hotanterahina ny sabotsy faha-28 Septambra tolakandro ao amin'ny CGM/GZ Analakely izany.

15 mianadahy izy ireo no tafakatra famaranana hifaninana amin'izany, ahitana an'i Kiady Andrianarimalala, Fahasoavana, Tsiferana Mamisaholy, Ny Volantiana, Fimandi Marïsca, Ikala Kely, Miantsa Niaina, Diart Mikalo, Fanomezantsoa, Racl Joseclaudio, Kanto Faniry, Miaro Zo, Ramiandrisoa Daniel, Jean Pierre ary Fanomezana. Tamin'ny faha-25 aogositra 2024 ny dingana fifanintsanana ka 28 no isan'ireo mpifaninana tamin'izay.  Mpitsara telo avy amin'ny vondrona samy hafa izay samy misehatra amin'ny tontolon'ny literatiora sy ny fiseharana no hitsara ny fifaninana.

Manana tanjona maro ity hetsika ity, ankoatra ny fampiroboroboana ny teny sy literatiora malagasy izay antom-pisian'ny Faribolana Sandratra rahateo dia hampahafantarana ihany koa ireo asa soratry ny mpiraifaribolana izay mipariaka manerana ny Nosy ary indrindra hanomezana lanja ilay fomba fiantsa. Mampalaza ny Faribolana Sandratra izany. Raha atao bango tokana dia ilay filamatra hoe "Ny tononkalo iainana fa tsy iniana" arak'i Elie Rajaonarison no mahalaza azy. Tsara ny manamarika fa ny fankalazana dia eo ambany fiahian'ny Ministera ny Kolontsaina sy ny Serasera.

Nirihaja

Date de dernière mise à jour : 25/09/2024

×