TSIAHY elie rajaonarison
Toetra
Ràja - 11/11/2024
TSIAHY elie rajaonarison

Eo aloha ny poeta Ranoe, anisan'ny tena mahafantatra an'i elie rajaonarison satria niaraka namorona taminy ny Faribolana Sandratra. Tsy vitan'izany fa niaraka nampiroborobo an'izany sehatra mampivelatra ny tanora sy fanomezan-kasina ny literatiora malagasy izy ireo.
Eo koa i Tsiky Rakotomavo, mpahay literatiora, nahavita fikarohana goavana momba ny Faribolana Sandratra, ary mialoha ny nirosoany tamin'ny dingan'ny doctorat aza dia niompana tamin'ny fiainan'i elie rajaonarison ny fandalinany. Nafonja araka izany ny fifaneraserana teo amin'ny roa tonta.
Adin'ny roa sy sasany no ho faharetan'ny velakevitra izay inoana sahady fa tsy ho ampy velively raha ny halalin'ny tian-kambara no tombanana.