Ny Mpitandrina Rajaonary (1850 – 1902) sy ny tantaran’ny literatiora malagasy

Ny Mpitandrina Rajaonary (1850 – 1902) sy ny tantaran’ny literatiora malagasy
Ny Hasina Ratsimbazafy - 18/09/2024

Ny Mpitandrina Rajaonary (1850 – 1902) sy ny tantaran’ny literatiora malagasy

Poeta, mpamoron-kira ary mpandika teny ny mpitandrina Rajaonary (1850 – 1902). Iza tokoa moa no tsy mahalala ny tononkira tahaka ny hoe: “Jeso sakaizanay” na ny “Ao ny lanitra tsara tokoa” (izay niarahany namorona tamin’ny mpitandrina Andrianaivoravelona Josefa rainy (1835 – 1897) na ny “Mafy ny alon-drano izao” sy ny sisa maro hafa? Saika tononkira fanoloran-tena sy fampaherezana hatrany ireo noforoniny ary tsy nisy lefy laza; ao koa ireo nadikany. Eo anelanelan’ny fihira vahiny sy ny zafindraony malagasy ny hira noforoniny voalohany. Nametraka zavatra maro izy teo amin’ny tantaran’ny literatiora malagasy sy ny tantaran’ny firenena malagasy. Nampalaza azy ny fanentanana ireo mpivavaka sy ireo mpitandrina indray nihira taminy ho tia ny gadon-kira malagasy sy ho tia ny tanindrazany. Nanangana ny fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro an-tranobiriky ao Ambatonakanga) izy, fiangonana malagasy tsy niankina tamin’ny vahiny voalohany, izay nalaza tokoa tamin’ny fivoizana ny feon-kira zafindraony. Poeta voalohany namorona ilay poezia malaza Abidian’ny toaka (1880) izy izay poezia malagasy voalohany sady tsy nohiraina no tsy niresaka fivavahana. Nanomboka teo dia niroborobo tsikelikely ny poezia tsy miankina amin’ny feon-kira sy ny fivavahana. Amin-dRajaonary dia tsy voatery hohiraina foana akory ny poezia ary tsy voatery hiresaka fivavahana foana ihany koa fa azo atao ho fananarana ihany koa izany. Azo lazaina àry ve fa Mpitarika fototra teo amin’ny poezia malagasy an-tsoratra voalohany tokoa Rajaonary? Niezaka hatrany izy nanangana zava-baovao fa tsy isan’ireo mpanara-drenirano fotsiny na teo amin’ny tantaran’ny fiangonana izany, na teo amin’ny tantaran’ny firenena na teo amin’ny tantaran’ny literatiora malagasy.

Ny Mpitandrina Rajaonary sy ny tononkira fivavahana


Ara-tantara, nanana ny poeziany sy ny gadon-kira nampiavaka azy ny Malagasy mialohan’ny nidiran’ny poezia vahiny teto Madagasikara. Isan’ireny ny Hainteny sy ny Tononkalo (karazana tononkira natokana hohiraina, nisy natao ho an’ny ankizy, nisy natao ho an’ny lehibe). Ireny ilay poezia nentin-drazana ary samy nanana ny nampiavaka azy ny isam-paritra. Nanodidina ny taona 1818 tokoa mantsy, rehefa niditra teto ny London missionary Society (LMS) dia nampianatra nanoratra ny abidia latina ary nitondra ny fomba famoronana tononkira fivavahana. Koa ny tononkiram-pivavahana no endrika voalohany nisehoan’ny poezia malagasy maoderina voalohany. Tao ireo tononkira maintimolaly izay noforonin’ireo Malagasy niafina tany an-davabato nandritra ny fanenjehana ny fivavahana kristianina nataon’ny mpanjaka Ranavalona voalohany; taorian’izay, nisy koa ireo tononkiram-pivavahana noforonina Malagasy izay saika mpitandrina izy ireo amin’ny ankapobeny. Iray tamin’ireny mpitandrina, zanaky ny LMS, sady mpamoron-kira ireny Rajaonary, niaraka tamin’ireo mpitandrina namany: Andrianaivoravelona Josefa rainy, ry Rainitrimo, Ramaka, Rabary sy ny sisa. Tany am-piandohana dia nandika tononkira anglisy tahaka ny nataon’ireo misionera no nataony. Isan’ny nalaza tamin’izany sy mandraka ankehitriny ny hira Jeso sakaizanay izay nadikany tamin’ny tononkiran’i Sarah Fuller Flower Adams (1805 – 1848) sy tamin’ny feon-kiran’i Lowell Mason (1792-1872):

Nearer, my God, to Thee,
Nearer to Thee,
E”en thourh it be a cross
That raiseth me,
Still all ny song shall be
Nearer, my God, to Thee,
Nearer, my God, to Thee,
Nearer to Thee.
(…)
Lyrics: Sarah Fuller Flower Adams

Jeso sakaizanay
Jeso anay
Izy no aronay
Jeso anay
Raha ny olona
Mety handao anay
Jeso no tsy mandao
Jeso anay.
(…)
Tonony: Rajaonary

Music/ Feony : Lowell Mason

 

    Iaraha-mahita ny fahaizan-dRajaonary mampifandrindra ilay tononkira amin’ny feon-kira misy. Tsy mitovy amin’ilay tononkira vahiny ilay tononkira noforoniny fa ilay hevi-dehibe no notazoniny. Tsy nanao dika ara-bakiteny mihitsy izy. Raha ilay andian-teny hoe Nearer, my God to Thee tokoa mantsy no hadika ara-bakiteny maimaika dia tokony hoe : Ny akaikinao, ry Andriamanitro kanefa naleony lavitra nisafidy teny hafa mihitsy Jeso sakaizanay. Ilay teny hoe sakaiza (best friend) tokoa mantsy amin’ny Malagasy no mahalaza kokoa ny tena finamanana, ary ny mpinamana dia mifampiantso amin’ny anarana ka mety ho nahatonga azy nisafidy ny anarana hoe Jeso toy izay ilay teny hoe Andriamanitra (God). Mety antony iray koa anefa ny fanajany ilay feon-kira satria fohy kokoa ny teny hoe God sy ny Jeso. Tahaka izany koa ny hoe Nearer to Thee (Akaiky anao) izay novainy hoe Jeso anay. Teny fohy, mandona fo, kanefa mahafaoka hevitra maro ny famoronany. Tahaka izany koa izao ilay andalana efatra farany, tsy misy hifandraisany mihitsy ilay teny anglisy sy teny malagasy: tsy misy resaka fandaozana mihitsy ao amin’ilay teny anglisy kanefa izay somary tantara kely misy fandaozana izay no nitondran-dRajaonary ny resaka ao anaty tononkirany. Iza tokoa moa ny tsy ho babo mahare izany tononkira nosoratany izany? Ny feon-kira nataon’i Lowell Mason kosa dia tsy nasiany fanovana :

Tahaka izay koa ny namoronany tonony ity feon-kiran’ i Towner Daniel Brink (1850 – 1919) ity ka nanomezany ilay lohateny hoe : Vimbino tsara izahay.

Vimbino tsara izahay,
Ry Jeso Kristy Tomponay!
Mba tsy ho diso lalana
Aty ambony rano be,
Ka na manonja aza re
Ny ria-dranomasina,
Tazony mafy izahay
Mba tsy ho rendrika aty.
(…)
Tonony : Rajaonary
 Feony : Towner Daniel Brink

   
Tononkira malagasy, voaravaka sarinteny sy onjam-pihetseham-po mafonja no tazana eto. Mirakitra ny fanonjan’ny fiainana sy ny ady mafy hatrehina ary ny lalan-tsarotra rehetra tsy maintsy hizorana ety an-tany ny sarinteny nosafidin’ny mpanoratra. Sary tokana, sarin’ny onjan-dranomasina mavany izay afaka hitelina sy handrendrika ilay sambokelin’ny fiainana no nentin-dRajaonary naneho izany. Efa fantatra hatramin’ny ela ny fitiavan’ny Malagasy poezia feno sarinteny. Mifanandrify indrindra amin’ny tebitebin’ny fo any anaty ny fikapoky ny onjan-dranomasina eto. Kanefa na dia eo aza ireny ady mafy atrehina ireny dia mbola mampahery ireo mpino hatrany ny mpitandrina amin’ny tokony hitokisana amin’Andriamanitra.

    Mbola maro ireo tononkiram-pivavahana noforoniny ary mahavariana ny fahaizany mifantina ireo feon-kira anglisy izay mety ho tian’ny Malagasy. Na eo aza ny tonony ataon’ireo vahiny dia hafa mihitsy ny tonony izay foronon’ny mpitandrina Rajaonary. Tahaka izany no hita amin’ity tononkira manaraka ity:

Ry kapiteny! Be ny ady manjo
Mila ho reraka sy kivy ny fo,
Ka hatanjaho mba hatoky Anao,
Tompo ô! Avia mamonjy ahy izao:

Ref: “Eny, izaho mamonjy anao,
Ka mampahery sy miaro anao,
Aza matahotra mihitsy hianao,
Fa izaho no momba sy manampy anao.”
(…)
Rajaonary

Ny Mpitandrina Rajaonary sy ny fanoherana ny vahiny voalohany


Nametraka tantara teo amin’ny literatiora sy ny fitiavan-tanindrazana Rajaonary. Tsy isan’ireo mpanara-drenirano izy fa manana ny hevitra nijoroany izy. Aminy dia ireo vahiny no tokony hianatra ny feon-kira malagasy rehefa aty amin’ny tanin’i Madagasikara fa tsy ny mifanohitra amin’izay. Matetika manelanelana ireo hira zafindraony sy vahiny ny feon-kira natolony. Nolavin’ny Misionera anglisy mantsy ny fampidirana hira zafindraony anaty boky fihirana malagasy. Na izany aza nandrisika ireo namany sy ireo mpivavaka hatrany Rajaonary tsy hanary ny feon-kiran’ny taniny fa ho tia izany. Nanokatra ny fiangonana tsy miankina voalohany izy ny taona 1894 izay lasa fiangonana mitondra ny anarana hoe FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro an-tranobiriky Malagasy) taty aoriana kely. Nampiavaka ity fiangonana vaovao natsangan-dRajaonary ity ny fihirana ny hira zafindraony malagasy sy hira foronina malagasy tamin’izany. Tsy navelan’ny Misionera nampidirina anaty fihirana tokoa mantsy ny hira zafindraony tamin’izany, ary nahery sy nasika mihitsy aza ny tenin’i Sibree:

“(…) singing a lively jig rather to a solemn hymn… that’s not proper … tunes from barrel-organs….dance music learned from the military bands … incongruous and inappropriate: a curious and almost comical bus, more like the grunt of an animal than the sound of human voice, utterly unfit for congregational worship” (Antananarivo Annual. 1886: 187)

    Niniana tsy hadika ilay tenin’ny Misionera mba tsy hisiana fiviliana amin’ny hevitra. Misy sasany tamin’ny hira ihany no tafiditra anaty fihirana saingy nafenina ny Misionera izy ireny ary niteraka disadisa voalohany tamin’ny Misionera Matthew sy ny mpitandrina Rajaonary. Matetika somary natao anelanelan’ny hira vahiny sy zafindraony izy ireny ary indraindray manana feony faharo izay tena feonkira zafindraony. Isan’ny efa nahazo fanakianana talohan’izay ihany koa ny tononkira miendrika hainteny. Tsy mifanalavitra amin’izay loatra ity tononkira manaraka nosoratan-dRajaonary ity:

Mafy ny alondrano izao,
Sady maria no manindao,
Nefa ny Tompo momba anao
Moa ho kivy va?
Tsia, Jeso ato aminay,
Izy hampifaly ny fonay;
Tsy mba ho kivy re izahay;
Izy no tokinay.
(…)
Rajaonary
   
Manaraka ny onjan’ny fihetseham-po izay ny onjan’ny andalana izay miendrika alon-drano (izay sarin’ny fiainana lalovana) ary voaravaka sarinteny toy ny amin’ny hainteny ny tononkira eto. Tsy manaraka ny fampianarana nataon’ny Misionera mihitsy izao rafitra andalana natolotry ny mpitandrina Rajaonary izao, kanto ho an’ny Malagasy izay mahalala ny fiteniny sy ny literatiorany anefa izany. Natahorana mafy tokoa tamin’izany fa ny hetsiky ny fiangoanana no mety hiitatra amin’ny hetsika fanoherana ny vahiny eo amin’ny firenena malagasy manontolo. Tsara raha mamaky ny boky “Pasteur Rajaonary: or tombé dans la poussière” izay nosoratan’i Profesora Rajaonarimanana Narivelo sy Désiré A. Ranaivosoa (2019) raha te handalina ny tantara kokoa.

Ny Mpitandrina Rajaonary sy ny poezia malagasy

Ny poezia malagasy resahina eto dia tsy ilay efa voalaza tetsy ambony akory fa ilay poezia sady tsy miankina amin’ny fivavahana no tsy miankina amina feon-kira voalohany. Rajaonary tokoa no rain’ny poezia izay sady tsy nialohavana feon-kira na nohiraina no tsy niankina tamin’ny fivavahana. Na nisy aza mantsy poezia tsy niankina amin’ny fivavahana talohan’izay dia mbola natokana hohiraina izy ireny. Nalaza tamin’izany ny tononkalo Abidian’ny Toaka (1880) izay fananarana ny olona amin’ny voka-dratsin’ny fisotroan-toaka :

Raha fintinina izay rehetra izay, poeta nanangana zavatra maro ny mpitandrina Rajaonary. Nametraka zavatra maro eo amin’ny tantaran’ny literatiora izy, teo amin’ny tantaran’ny fiangonana ihany koa, ary teo amin’ny tantaran’ny firenena. Ara-tantara dia nandray anjara betsaka tamin’ny fanentanana ny olona ho tia tanindrazana izy ary azo lazaina ho fototra tany ambadiky ny fitiavan-tanindrazana nananan’ireo mpitolona tao amin’ny Vy Vato Sakelika sy ny hetsika Ralaimongo.

Ny Hasina Ratsimbazafy
18/09/2024

Date de dernière mise à jour : 27/09/2024