Créer un site internet
Sorapiainan'i Edouard Andrianjafitrimo
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 mey 2021
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja

Pôetawebs Fantaro i...
STELLA

(Edouard ANDRIANJAFINTRIMO)

(1881 - 1972)
Pôeta
Mpanoratra
Mpanao gazety
Mpamoron-kira
“Ny olona mahalala vaovao sy notezaina amin’ny fahalalana no olona afaka hanana fahendrena sy ho tia ny tanindrazany”
___________________

Fandalinan'i Heriarilala Andriamamonjy
Pôetawebs

1. EDOUARD ANDRIANJAFINTRIMO SY NY FIANAKAVIANA

T
eraka ny 28 Mey (Adijady) 1881 i Edouard Andrianjafintrimo. Teny Andohalo, tao an-tranon’ny Printsesy Raketaka, renin’ny Mpanjaka Ranavalona III no nahalatsahan’ny tavoniny. Rasahenolahy, lehiben’ny Zazamarolahy farany tamin’ny faha mpanjaka, izay mpitsara sady Lefitry ny Kômandy tany Mandridrano Soavinandriana no rainy. Rasoanjanahary, Zazamarolahy avy ao Anosindrakaloanosy Ambalanirana Iharamy kosa no reniny. Izy no lahitokan’izy mivady, niamboho ny 15 Martsa 1972 rehefa nandia ny 91 taonany teto an-tany.

1.1. Ny ankohonana naoriny

Nampakatra an-dRasoamanantena ho vadiny izy ary niteraka 5 vavy sy 3 lahy. Toy izao manaraka izao no filaharan'izy 8 mianadahy:

Ramanantenasoa Clémentine Félicité, Razaiarisoa Christine, Andrianjafintrimo Samuel (Musael And), Ravaoseheno Georgine Suzanne (Suzy Andry), Andrianjafintrimo Charles (Charles and Stella), Rasoloharisoa Giselle, Andrianjafintrimo Randal (Randal Mex), Rasoamanantena Sehenoarisoa.


1.2. Tsy manavakavaka
Pôetawebs
Loharanon'ny sary: Taranakatsara

Tsy nanavakava-piaviana i Edouard Andrianjafintrimo na dia sarotiny tamin’ny loharano nipoirana aza. Toy izao raha fotopotorina ny loharano nipoirany.

- Avy amin’ny lafin-drainy, zafindohalik'Andriambelomasina, nantsoina hoe Rakotomavo talohan'ny naha mpanjaka azy, i Edouard Andrianjafitrimo. Andriambelomasina dia Mpanjakan'Imerina nitondra tao Ambohimanga. Raha hazavaina bebe kokoa dia niteraka an'Andriatsimitovizafinitrimo izay voalaza fa lehiben'ny Zazamarolahy napetraka tao Ambatomanoina Andriambelomasina sy Rasoherimananitany vadiny. Andriantsimitovizafinitrimo indray no niteraka an'Andriantsaba Andriamahenina. Ity farany kosa no niteraka an-dRasaneholahy rain'i
Edouard Andrianjafintrimo. Ny renibeny indray dia taranaky ny Mpanjaka Andrianampoinimerina tamin’ny vadiny Rabodo.

- Avy amin’ny lafin-dreniny, Andriatomponimerina, Zazamarolahy avy ao Ambalanirana no raibeny ary Rakaloanosy avy eny Anosindrakaloanosy Iharamy no renibeny, zanaka vavin’Andriamaheritsialaintany rahalahin’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina io renibeny io.

Pôetawebs
Tetiarana niainga avy tamin'ny AVIAVY & AMONTANA Family Tree

Toy izao kosa ny loharano nipoiran’ny vadiny. Teraka tamin’ny 21 Marsa 1888 Rasoamanantena, zanak’Itompokolahy Rampanarivotomponiony, Andriamasinavalona avy ao Antampon’Itaosy sy Itompokovavy Ramanantenasoa, zanaka vavimatoan-dRatafika rahalahin-dRadama Rainy. Nahasarotiny sy nahasaropiaro azy fatratra izany fiavian’izy mivady izany. Ninoan’izy mivady fa nanana hasina manokana nomen’Andriamanitra izy ireo, ka notandrovana izany hasina izany mba tsy ho simba ary nezahiny nampitaina tamin’ny taranany.

Na dia isan’ireo andriana teto ankibon’Imerina aza anefa izy ireo, dia tsy nataony ho sakana amin’ny tsy fivelarana sy fisokafana amin’ny hafa izany fiandrianany izany. Nijoro tamin’ny maha Zazamarolahy azy hatrany i Stella na tamin’ny fihetsika na tamin’ny fisainana ary nisokatra sy nivelatra tamin’ny fiarahamonina. Ambetin-teniny hoy i Jupiter ny hoe “Ny zava-drehetra dia miara-miasa avokoa”. Olona sariaka sy misokatra amin’ny fiarahamonina no ahatadiavan’ny maro azy ary tsy mba isan’ireo manavakavaka na miavona amin’ireo tsy mitovy sokajy sy fiaviana aminy ny tenany. Fantany ny fiaviany ary hainy ny mampifandray izany amin’ny fiarahamonina nisy azy. Tsy mahagaga araka izany raha toa ka tsara fihafara ny fiainan'i Edouard Andrianjafintrimo.

1.3. Edouard Andrianjafintrimo tsara levenana

Na dia niaina zava-mafy aza ity lahimatoan’ny mpanoratra ity dia mbola tratra antitra sy ela velona ihany. Niamboho ny alarobia 15 Martsa 1972 teo amin’ny faha-91 taonany izy ary vahoaka alin-kisa no nanao veloma farany azy. Nentina tao amin’ny Fiangonana FJKM Ambohitantely ny nofony ka ny Funeral March “Saul” nosoratan’i Handel, hira fanao any Angletera rehefa mandevina mpanjaka no noredonin’ny Orkesitra "symphonique" an’Antananarivo ho fampidirana ny tranovorona tao am-piangonana. Eny amin’ny lohombintanin’ny rainy eny Maninton’Imarovatana no toerana nanafenana ny vatany.

Ny 20 Febroary 1974 kosa no niamboho teo amin’ny faha-88 taonany Rasoamanantena vadiny. Nafenina tao Antampon’Itaosy tao aorian'ny nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tao amin’ny FJKM Ambohitantely ny 23 febroary. Nafindra teny Maninton’Imarovatana akaikin’ny vadiny kosa izy ny taona 1983.

2. EDOUARD ANDRIANJAFINTRIMO SY NY FINOANA

T
sy azo sarahina amin'ny tantaran'ny Kristianina ny tantaran'ny literatiora malagasy. Ao anatin'izany ny loharano nipoiran'i Edouard Andrianjafitrimo izay nilona tanteraka tao anatin'ny fiainana kristianina.

2.1. Nibe sy nobeazina tamin’ny finoana kristianina

Isan’ireo mpiangona voasoratra anarana tao amin’ny fiangonana Tranovato Anatirova Rasahenolahy rainy. Kristianina katôlika tao Ambalanirana Rasoanjanahary reniny fony mbola mpitovo. Notezain’ireo ray aman-dreniny tamin’ny finoana sy fahalalana an’Andriamanitra hatrany izy. Tao Mahaizamirindra no fianarana nampidirana azy voalohany, fianarana natokana ho an’ireo zanaky ny tandapa sy manambonihitra. Nony voatendry hiasa teny Mandridrano Soavinandriana ny rainy, dia nampidirina hianatra tao amin’ny sekolin’ny Frenjy FFMA tany Mandridrano Soavinandriana izy. Rehefa tafaverina teto Antananarivo noho ny raharaha Menalamba dia nanana fari-pahaizana avo momba ny Soratra Masina. Nanohy fianarana tao Miaramirindra Anatirova mantsy izy, sekoly protestanta ambony izay nanana taha avo momba ny fianarana Soratra Masina, ny marika, ny teny malagasy sy ny teny anglisy.

Namaivay tanteraka ny tolona nataon'ny Menalamba tamin’izany fotoana izany satria niharihary ny famonoana tera-tany vahiny nataon’izy ireo. Misionera Anglisy anankiray atao hoe “Docteur Hubert Fox Standing” mianakavy no sendra niharan’izany fijinjana nataon’ny Menalamba izany ka Rasahenolahy, Zazamarolahy to teny no niaro sy nanavotra ny ain’ito farany. “Raha tsy hianao, hoy ity Misionera, tsy tonga soa aman-tsara aho ka te hanao mari-pankasitrahana lehibe aminao aho”. “Aoka ho tezainao ny zanako” hoy ny navalin’ity andriandahy azy. Nanomboka teo dia noraisin’i Dr Standing ho kilasimandry tao aminy tao Faravohitra i Edouard Andrianjafintrimo.

Tsy nikely soroka Ramatoa Standing nampianatra azy ny "Lettres classiques" sy filôzofia ka izay no nanefy azy ho mpanoratra havanana. Nahadika tantara maro amin'ny teny anglisy ho amin'ny teny malagasy i Stella ka navoaka tao amin'ny Sakaizan'ny Tanora izany tamin'ny 1896.

Voafantina ho isan’ireo “Efapolo lahy” tao amin’ny “Normal School” izy. Tao anatin’izany fitaizana izany dia nitsiry tao anatin’i Andrianjafintrimo ny faniriana ho lasa Mpitandrina sy Mpampianatra. "Chef comptable" no asa fiveloman'i Edouard Andrianjafintrimo ary nahafantarana azy indrindra tao amin'ny tsenan'Analakely

2.2. Edouard Andrianjafintrimo Protestanta

Tsy nanari-toky izy mivady na teo aza izany olana niavosa izany. Nanankim-po tamin'Andriamanitra hatrany izy ireo. Napetrany tamin’Andriamanitra tanteraka ny tokantranon’izy ireo.
Edouard Andrianjafintrimo no namorona ny Sekoly Alahady tao Ambohitantely. Izy no filoha naharitra an-taonany maro tamin’ izany sampana izany. Ireo zanany sy zafikeliny ary ireo taizany rehetra dia tsy maintsy manovo fahalalana Soratra Masina tao amin'ny Sekoly Alahady avokoa. Ny taona 1922 no nanomboka diakona tao Ambohintantely izy ary ny taona 1931 no lasa loholona tao amin’ny fiangonana. Mpitory teny malaza ary tena nankafizin’ny mpivavaka koa i Andrianjafintrimo. Ankoatra an’Ambohitantely manokana, dia maro ireo polipitra nijoroany nitondrana izany hafatr’Andriamanitra izany teto Madagasikara.

Lehilahy tena sarotiny ary nanasongadina teo amin’ny fiainany izany maha prôtestanta azy izany i
Edouard Andrianjafintrimo. Raha nangata-bady ny zanany vavimatoa Clémentine Félicité ny Printsy Rafaralahy Ratsimamanga, dia anisan’ny fepetra tsy maintsy nampanekena azy ny hijanonan’i Clémentine ho “prôtestanta” raha toa ka anglikanina izy, ary tsy maintsy ao Ambohitantely no hatao ny fanamasinana ny fanambadiana.

Tsy marina araka izany tantara izany ny famaohana ireo mpanoratra nitondra solon’anarana siantifika rehetra ho TSY MPINO. Izy rahateo dia nanoratra ity Salamo ity tao amin’ny Gazety Sakafontsaina: “Jehovah no Ray sy Mpiandry Mahery, ka sady mpanjakako sy Fitokiako”.

Rasoamanantena ihany koa dia nivoaka tao amin’ny fianakaviana kristianina. Isan’ireo nanangana ny fiangonan’Itaosy ny ray aman-dreniny ary nitaiza azy tao anaty fivavahana hatrany. Izany fametrahana azy tao anaty fivavahana sy fitokiana an’Andriamanitra izany dia nanome azy hery hiatrehana ny ady mafy nianjady taminy, nikarakara sy namelona irery ireo zanany raha nigadra ny vadiny. Ary izany fitaizana ny taranany ny amin’ny fitokiana an’Andriamanitra izany no nahatonga ireo zanany valo mianadahy nanome ny tany lehibe izay misy ny fanitarana ny fiangonana FJKM Itaosy ankehitrio.



3. EDOUARD ANDRIANJAFINTRIMO SY NY TANINDRAZANA

N
a teo amin'ny andavanandrony na tamin'ny asa sorany dia nahatarafana ny maha maherifo ho an'ny tanindrazana an'i Edouard Andrianjafintrimo.

3.1. Niaritra ny mangidy

“Tia tanindrazana hiringiriny” i Andrianjafintrimo hoy i Lucien Randrianarivelo tao amin’ny boky “Ratany, mpampianatra tao anatirova”. Niaina vanim-potoana sarotra i Stella. Teo ambany masony no nitifirana ny Printsy Ratsimamanga rafozan-janany sy Rainandriamampandry ny 26 ôktôbra 1896. Ny alin’ny 28 febroary 1897, alina nanora-mikija no noroahina hiala an’i Madagasikara ny Mpanjaka Ranavalona III izay havany akaiky. Fihetseham-po naterak’izany herisetra hitan’ny masony nandritra ny fanjanahan-tany izany no namoha ny fitiavan-tanindrazana tao aminy. Ny alahelony ny Mpanjaka Ranavalona III rahateo no namoronany ny hira FFPM 574 “Aza kivy hianao”.

“Aza kivy hianao
 Azom-pahoriana,
 Tany no fonenanao,
 Misy fihafiana,
 Matokia hianao.
 Raha tratry ny manjo,
 Jeso Tompo herinao,
 Aza mety rera-po.

 Aza kivy hianao
 Noho ny manjo izao,
 Raha Jeso aminao
 Afa-tahotra hianao;
 Matokia hianao.
 Fa Jeso Tompo tia tokoa,
 Ka izao rehetra izao
 Dia mety mahasoa.

 Aza kivy hianao
 Na dia ory aza ety,
 Ny Mpanjaka Tomponao
 Mba nihafy koa tety;
 Matokia hianao.
 Na inona mihatra izao,
 Jeso ilay Sakaizanao
 Tsy mba mahafoy anao".
Pôetawebs

3.2. Nitolona tamin'ny alalan'ny lahatsoratra an-gazety

Nasehony tamin’ny fanaovan-gazety sy literatiora ny fitiavan-tanindrazana araka izao voalazany izao:

“Ny olona mahalala vaovao sy notezaina amin’ny fahalalana no olona afaka hanana fahendrena sy ho tia ny tanindrazany”.

Ny taona 1906 no namoronany ny gazety “BASIVAVA”, gazety malagasy voalohany tsy miankina amin’ny fivavahana niaraka tamin-dRalaimanisa. Hoy izy tao anatin’ny edisiona voalohany raha nanazava ny anaran’ito gazety hoe:

“Ny feoko manao feom-basy,
voasoratra an-taratasy,
hanaitra anareo Malagasy,
koa aza be lasilasy,
andrao tratra ny don-karavasy."
Basivava

Izany no antso voalohany nanairany ny mpiray tanindrazana hanohitra ny fanjanahan-tany. Nakaton’ny Fanjakana anefa io Basivava io tamin’ny taona 1910 noho ireo teny kely ninfandonany tamin’ny TSY MPINO (libre penseur). Tsy nahasakana azy velively izany antsojay izany fa naoriny indray ny “LOHARANO” tamin’ny taona 1914. Nanana herim-po sy fikirizana izy araka izany ka nantsoin’ny mpanorina ny Vy Vato Sakelika (VVS) hanatevin-daharana azy ireo ny taona 1914. Nosokajian’izy ireo ho avara-pianarana manam-pahaizana tamin’izany fotoana izany mantsy i Stella ary ny maha mpanao gazety azy no anisany nampiroborobo indrindra ny fikambanana V.V.S., ka nahazoany mpikambana maro ary tanjaky ny fikambanana izany.

Pôetawebs Pôetawebs
Edouard Andrianjafintrimo, pôeta mitolona, nanokanana kianja manokana ao Andohalo

Rakotra fihetseham-po manaitra ny Malagasy rehetra hanohitra ireto Mpanjanaka ary ny hitaky ny fiverenanan’ny Fanjakana Malagasy ny lahatsoratra sy tononkalo rehetra navoakan’i Stella an-gazety. Isan’ireo lahatsoratra nanamelohana azy ilay hoe “Ny Idealy” tao amin’ny Ny Loharano izay nitarika ny Malagasy handray ny fandrosoana ho ampinga entina hijoroana. Hoy ny lahatsorany hoe “Fa raha tapitra misondrotra ambony ary izay voatso-drano amin’izany ka mahajoro ho tena lehilahy daholo hahaleo hahalasana, moa tsy izany va no voninahitry ny firenena sy fisondrotan’ny tanindrazany?... Koa raha tsy mahay manararaotra izany isika hanondrotana ny firenena sy ny tanindrazana dia hanjary manavesatra ny fiaingany kosa aza, na handrirotra azy hidina sy hampikororosy fahana azy. Velom-poana ny toy izany fa tsy hisy asany ho an’ny tanindrazany” (26 Août 1915, N°11).


3.3. Voasambotra natao sesitany

Nanenjika azy ny Frantsay noho ireo lahatsorany namoha ny Malagasy hitroatra. Nisy fambara taminy anefa ny loza hanjo azy. Indray alahady, taona 1915, nandeha hody fa avy nitory teny tao amin’ny Fiangonana Anjanahary Maritiora ankehitriny i Andrianjafintrimo mivady. Nandeha posy izy ireo ka nivembena saika nivarina tany amin'ny hantsana kely ary lasa saina tamin’izay mety ho anton’izany. Kanjo nony tonga tao an-trano, raha mbola niroso tamin’ny sakafo antoandro, dia indreny ny Senegaly, tonga haka an’i Stella ankeriny fa voaheloka noho ny resaka V.V.S.. Nogadraina tao Antanimora izy ka nivavaka hatrany rehefa niaina ny mangidy indrindra. Isan’izany ny “Ry Raiko o mahory”, “Eny Raiko mba tariho”, “Ry Tompo o indreo”. Nanohana azy hatrany ny vady aman-janany. Tsy sasatra nifoha maraina, nahandro sakafo ary nilahatra nanati-bary teny Antanimora Rasoamanantena sy i Clémentine zanany ary namonjy ireo fitsarana maro teny Andafiavaratra. Tsy nanary toky izy fa napetrany tamin’Andriamanitra hatrany ny fiainany rehetra hizakana izany rehetra izany. Ny 28 Desambra 1915 no nivoaka ny didim-pitsarana nanenjehana an’ Andrianjafintrimo ho anisan’ireo “Sous-Chef”'ny Vy Vato Sakelika. Voaheloka izy, hatao sesitany sy hanao asa an-terivozona mandritra ny folo taona tany Dzaoudzi.

Na mafy aza izany didim-pitsarana izany, dia tsy nampitanondrika azy fa mainka nampijoro azy tamin’ny maha izy azy. Rasoamanantena kosa dia nitolefika ary torana teo am-pandrenesana izany didy mavesatra izany. Nanomboka teo dia Rasoamanantena no niady irery namelona ireto zanany. Nohelohina nandritra ny 10 taona izy saingy raha vao vita ny 5 taona dia nahazo famotsoran-keloka avokoa izy sy ireo namany. Nisy fiantraikany mangidy tamin’ny vady aman-janany anefa izany satria roa tamin’ireo zanany no nodimandry vokatry ny alahelo azy.

Rehefa tafaverina teto an-tanindrazana indray izy dia namorona ny gazety “Sakafontsaina” ary nanao ho adidy ny fampianarana ny Malagasy. Tao ny fampianarana tantaram-pirenena, ny fampianarana ny literatiora, ny filôzôfia, ny siantsa, ny ara-panahy ets. Tsy nirotsaka mivantana tamin’ny raharaha pôlitika intsony anefa izy taty aoriana fa nanaraka akaiky ny fiainam-pirenena. Mpanoratra sy mpanao politika maro no tonga tao aminy fahavelony hatramin’ny taona 1972 niambohoany.


4. STELLA SY NY ASASORATRA

T
sy nitsontsorika avy any an-danitra ny talentan'i Stella fa teo tokoa ny tany lonaka nampiroborobo azy hatramin'ny fahakeliny. Nivelatra tamin'ny hiram-pivavahana izany ary hainy nizara tamin'ireo nifanerasera taminy.

4.1. Kely nanan-talenta

Voasokajy ho isan’ny mpanoratra zokiny i Stella noho izy teraka talohan’ny 1901, anisan’ny natao sesitany noho ny raharaha V.V.S. ary niaina tamin’ny fiforetana anaty. Vanim-potoana iray izay nanjakan’ny fihafiana, fijaliana, fangejana ka tsy nahafaha-mivelatra. Tontolo matroka sy volon-davenona no nanamarika ny fiainany ka nanohina ny fo sy nanaitra hitroatra avokoa ny asa sorany. Teo amin’ny faha-9 taonany no voalaza fa nanombohany nanoratra tononkalo miady rima. Efa nikoriana tao anatiny ny asasoratra satria ireo raibeny sy havany dia saika efa nilomano tao anatin’io tontolo io avokoa toa an-dRazanampiringa sy Ranomenjanahary izay havanana tokoa teo amin’ny hainteny sy ohabolana. Araka ny efa voalaza tery ambony dia taizan’i Dr Fox Standing i Edouard Andrianjafintrimo. Ny fipetrahany sy ny fitaizana azy tao no namolavola azy ka nahatonga azy ho mpanoratra tononkalo amin’ny teny anglisy, latina, frantsay ary indrindra ny teny malagasy. Teo amin’ny faha-16 taonany dia efa namoaka ireo asa sorany izy tao amin’ny gazety “Sakaizan’ny Tanora”.

Neken’ireo mpanoratra Malagasy fa “Lahimatoan’ny mpanoratra” izy. “Prince des Poëtes” no niantsoana azy ary izany anaram-boninahitra izany no nitondran’i Robinary azy teo anatrehan’ny "Association Nationale des Ecrivains de la Mer et de l’Outre Mer" tany Parisy ny taona 1961. Namoaka tantara maro mampientam-po ireo mpamaky ihany koa izy. Hain'ity pôeta ity ny nandona ny fon'ny mpankafy na teo amin'ny tantara foronina na an-dampihazo. Samy loa-bava amin'ny fahatsaran'ny fomba fanorany avokoa ny rehetra satria hainy ny mandrendrika ny mamaky amin'ny teny hafa fiantefa.

4.2. Talenta tamin'ny hiram-pivavahana

Hira 3 ao anatin’ny fihirana FFPM no noforonin’i Edouard Andrianjafintrimo. Amin’ny maha mpitory teny azy dia manana hira momba ny Soratra Masina izy ao amin’ny laharana 205, hira fanao any am-piangonana mialoha ny vaky teny na mialoha ny toriteny izy:

Pôetawebs
“Ny teninao rehetra,
 Ry Tompo tia anay;
 No tsy mba manam-petra
 Fa to mandrakizay;
 Ho levona avokoa
 Izao rehetra izao,
 Haharitra tokoa
 Zao teninao izao.”

Namorona hira fangataham-pitahiana sy fiarovana koa izy noho ny mafy nentiny sy ny mangidy niainan’ny fianakaviany, miompana amin’izay indrindra ny “Eny, Raiko! Mba tahio” ao amin’ny laharana 618

"Eny, Raiko! Mba tahio
 Ny fanahin-janakao.
 Ka ny saiko atodiho
 Hankato ny reninao.
 Zaza be fisiasia,
 Tano re ny zanakao,
 Dia taomy mba ho tia
 Sy hanao ny sitrakao."


Ny alahelony ny Mpanjaka Ranavalona III tamin’ny fandroahana azy tamin’ny 1897 no nahatonga azy namorona ilay hira FFPM 574 “Aza kivy hianao”.


Nazoto ery izy ny namaky ny boky anglisy “Sankey” fony tao amin’i Dr Standing. Lasa liana tamina fandikana aingam-panahim-pivavahana izy hany ka vao 13 taona dia efa nahadika ny hiran’i Horatius Bonar ho lasa “Ry zanako mania” ao amin’ny FFPM 367 sy ny hira alemana ho lasa “Ry fanahy ory” ao amin’ny FFPM 568.

“Ry zanako mania!
 Henoinao izao.
 Izaho be fitia
 Mangora-po anao:
 Sao maty hianao,
 Fa be ny bibidia;
 Modia re !
 Fihirana FFPM 367

“Ry Fanahy ory,
 Azon’ny manjo!
 Be ny mampahory
 Aza rera-po;
 Feo mamelovelo
 Mba henoy izao,
 Aza malahelo,
 Jeso havanao”
 Fihirana FFPM 568

Vitany mirima tsara toy ny tononkalo avokoa ireo hira noforoniny sy nadikany amin’ny maha pôeta azy ary raha tsy mahay ny feony dia hamaky azy toy ny famaky tononkalo ka hipaka tsara any anatin’ny mpihaino ny tonony.

4.3. Talenta miampita

Nanefy mpanoratra maro i Stella, anisan’izany ny zanak’ireo zanak’anabaviny toa an-dry Samuel RATANY na TANICUS sy Ignace Ratsimbazafy ary tsy diso anjara amin’izany ireo zanaka naterany sy ireo taranany izay toa lasa mpanoratra avokoa.

Hoy i Jean-Joseph Rabearivelo fahiny, raha nilaza momba an’Andrianjafintrimo tao amin’ny Revue Africaine ka nampitainy tamin’i Albert Samain:

“Na zava-mandalo sy toy ny efa malazo sy tsy manan’aina intsony eo amin’ny voahary aza, dia hain’i Stella ny mamelona ireny hampitosaka hanitra mamerovero ary ny filôzôfia miloatra malefaka avy ao amin’ny pôeziany dia mampahatsiaro an’i Vigny, saingy i Vigny Tatsinanana”.

Nifanerasera tamina mpanoratra maro izy araka izany. Singanina manokana ny Teny fanolorana nataony tao amin'ny "Fehezam-betsovetso", bokin'i Etoile du Berger na Raharisoa Justin Hélier tamin'ny 1961 (Edisiona Centre Culturel Fitarikandro Fianarantsoa).

Pôetawebs
Maro ny anarana teo amin’ny asasoratra nentin’i Edouard Andrianjafintrimo nanao sonia ny sangan’asany: zEdrA Volondanitra, EmA Rasoaseheno, Ny Ela, E.A, Ed Andrianjafintrimo. Stella kosa no nisehoany matetika. Nivoaka voalohany tao amin’ny Gazety Trompetra volamena izany ny taona 1915 ary ny fanazavany dia hoe “Kintana” mamiratra eny ana habakabaka manazava ny lalana omban’ny Malagasy.

4.4. Talenta miavaka

Ankoatra ireo talenta nananan’i Stella dia niharihary ny famolahany ny tantara filalao an-dampihazo. Anisan’ny nampisongadina azy ny Ranivo Maritiora, niarahany nanatontosa tamin-dRasamoelina (Ambatomasina) sy Rainizanabololona, tamin’ny taona 1902 ary nankafizin'ny mpijery tao Ambohijatovo Atsimo sy tao Ambatovinaky, trano nisy ny Teatra Monisipaly tamin'izany. Voambaran’ny mpikaroka fa nahavory olona hatrany izany tantara izany. Ankoatra izany dia nahafantarana an’i Stella koa ny tantara an-dampihazo "Izy sy ny Fony" nentin’ny tropy Telonorefy tamin'ny toerana maro teto amin'ny Nosy, nasehon-dRanaivo Ranarivelo sehatra tany Mahajanga, tamin’ny "Oeuvre de guerre" (1940). Fanampin’ireo dia mbola tsy lefy am-pon’ny olona mpankafy teatra ny tononkira "Sosay lakana aho Rabary", noforonin’i Stella ho an'ny tantara tsangana Rabarimanga.

Tsapa fa ny votoatin’ny tantara no mahatonga ny faharesen-dahatry ny mpankafy. Hain’ity mpanoratra ity ny mampiditra toe-javatra sarotra atrehin’ny mpilalao noho ny adim-piainana samihafa, hany ka mangorintsina hatramin’ny mpijery. Na izany aza anefa dia sintoniny indray ny mpijery hirona ho amin’ny fanantenana tsy ampoizina.

Fanampin’ireo  voambara ireo dia manan-talenta hafa sady nataony ho fialamboly i Stella dia ny fitendrena lokanga ary koa ny fanaovana hosodoko.


Santionana asasoratra

Indreto ary misy tononkalo nosoratany tao am-pigadrana teny Antanimora nony reny fa halefa sesi-tany tany Dzaoudzi izy: “Ry Raiko, maha ory” sy “Ry Tompo, indreo”.

Pôetawebs

RY RAIKO O MAHA ORY

1. Ry Raiko o! Mahory,
‘ZAo lalako izao.
Tsy fantatro akory,
Izay ao aloha ao;
Na inona hidona,
Vonjeo ny zanakao.
Tohano tsy hirona
Hiankina aminao.

2. Ry Raiko o! Afeno
Ambany elatrao
Zay loza avereno
Mba tsy hikasika ao
Mbombay mba tsy haratra
Izaho zanakao
Raha misy izay mihatra
Dia efa sitrakao

3. Ry Raiko o! Onony
Ny tebitebim-po
Ka dia mba ajanony
Ny loza izay hanjo;
Omeo hery aho
Fa ao ny tavanao
Ny saiko hatanjaho
Hatoky tsara anao

4. Ry Raiko o! hangina
Izaho zanakao
Tsy misy izay ahina
F’izao no sitrakao
Raha tapitra ny aiko
Dia ento aminao
Indreo ny sombin’aiko
Apetrako aminao
RY TOMPO! INDREO

1. Ry Tompo o! Indreo
Apetrako Aminao
Ireo tsy foy ireo
Hilaozanao hatrizao
Ny andry hijoroana
Nesorina hiala
Mipitrapitra foana
Ny mason’ny malala,

2. Raha kivy mba tohano
Hiondana aminao,
Areno ka fahano
Ny fanambananao
Fa fantatrao JEHOVAH
‘Zay tsy ampy ka omeo
Fitiavan-tsy miova
No antok’izy ireo.

3. Andraso tsy hania
Fa eo am-balanao
Ka eo hiriaria
Ho afa-po ny ao
Rah’ory mitaraina
Na nofo na fanahy
Ianao no antenaina
Hamonjy sy hitahy

4. Ny hazo fijaliana
Na tsorakazonao
Ovao ho fifaliana
Sy hasambaram-bao;
Ka aoka tsy harofy
Ny tena sy ny saina,
Handalo toy ny nofy
Ny loza nozakaina.

5. Raha sendra tsy hihaona
Fa tapitra any izao
Onony izay misaona
Ny masonao fafao
Ilay fanantenana
‘zay andraindrain’ny fony
Ataovy toy ny manda
Hiraisana ao am-pony

LOHARANO NANOVOZAN-KEVITRA

Isaorana manokana i Bary Tsito Sahenolahy, zafiafin’i Stella tamin’ny fampahafantarana ny mombamomba ny mpanoratra.

Boky

• CHARLES AND DE STELLA. Biographie STELLA
• F.F.P.M. (Fiombonan'ny Fiangonana Prôtestanta Malagasy). Fihirana hivavahana amin'Andriamanitra. (1987). Edisiona fahefatra. Antananarivo.
• RANDRIANARIVELO L. E. (2004). "Ratany (1856-1944): Mpampianatra tao Anatirova ary ny tantaran'i Madagasikara". Tomes I & II. Newprint: Antananarivo
• RAOE RALANDISON. Boky fohy momba an’i STELLA

Gazety

• BASIVAVA. Gazety nivoaka tamin'ny 1906–1910
• LAKOLOSY VOLAMENA. Gazety nivoaka tamin'ny 1914–1915
• TROMPETRA VOLAMENA. Gazety nivoaka tamin'ny 1915–1916
• SAKAFONTSAINA
• LOHARANO
• RANOVELONA
• RAVAOMANANJARA L. O. Mémoire
• FIANAKAVIANA STELLA. Arsivam-pianakaviana
Arsiva frantsay
• Dépendance de Madagascar et Colonies 1900 – 1914
• Révues Anti-francmaçonique

Taratasy sy lahateny

• Taratasy nifandraisan’i Printsy Rafaralahy Ratsimamanga sy Andrianjafintrimo raha mbola an-tsesitany.
• Lahateny nataon’ny Dr Paul Radaody Ralarosy tamin’ny andro nandevenana an’i Andrianjafintrimo teny Maninton’Imarovatana
• Taratasy nosoratan’i RAOBINARY ny taona 1961 ho an’ny Association Nationale des Ecriviains de la Mer et de l’Outre Mer à Paris


Aterineto

• CHARLES AND DE STELLA. (2011). "Stella". Tsikaritra ao amin'ny:
http://taranakatsara.unblog.fr/stella-nosoratani-charles-and-de-stella/
• AVIAVY & AMONTANA Family Tree. Ancestors of - RASAHENOLAHY. Tsikaritra ao amin'ny:
http://freepages.rootsweb.com/~aviavy/misc/ged2web/people/p00004bg.htm?h=RASAHENOLAHY
• RAHARISON ANDRIAMBOLA M. GENEANET. ANDRIATSIMITOVIZAFINITRIMO. Tsikaritra ao amin'ny:
https://gw.geneanet.org/raharison?lang=en&pz=max&nz=raharison+andriambola&p=andriatsimitovizafinitrimo+x&n=andriatsimitovizafinitrimo


Fisaorana

Bary Tsito Sahenolahy, zafiafin'i Stella tamin'ny tahirin-tsary sy tahirin-kevitra natolony.


© Pôetawebs
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 14/05/2021