Volam-pahavaratra - Faribolana Sandratra

Volam-pahavaratra
Toetra Ràja - 24/01/2025

VOLAM-PAHAVARATRA

Faribolana Sandratra

Vao avy namarana tamin'ny fomba manetriketrika ny fankalazana ny faha-35-taona nijoroany ireo mpiraifaribolan'ny Sandratra dia indro tazana sahady mameno ny tambajotra sosialy ny petadrindrina manambara hetsika lehibe antsoina hoe Volam-pahavaratra. Tsy misy fakana aina ny an'ireto Apostolin'ny soratra sady mpitety vazan-tany ireto fa ny avy any amin'ny vazan-tany aza no ho avy hifety ao amin'ny 25 janoary 2025 ao amin'ny Cercle Germano-Malagasy Analakely.

Tsy araka ny mahazatra ahatarafana tarehin'olona misongadina ny petadrindrina satria ho maro sy tsy ampoizina ireo hiaka-tsehatra, izany hoe ireo fohazin'ny aingam-panahy mifandraika amin'ny volana sy ny androm-pahavaratra iainana izao. Antsa tononkalo arafitra ao anatin'ny fizarana telo no hanehoana izany fifohazana aingam-panahy izany, ary horavahan'ireo mpanakanto mpihira ny mozikany mifanaraka amin'ny lohahevitra tsirairay.

Ajouter un commentaire