Voninkazodia - Hasina Ratera

Voninkazodia atolotry ny poeta Hasina Ratera
Toetra Ràja - 01/02/2025

Voninkazodia

atolotry ny poeta Hasina Ratera

Mivahiny eto amin'ny Poetawebs i Hasina Ratera, poeta renim-pianakaviana, mpiangaly sary koa ary mpihira sy mpamoron-kira. Hiaka-tsehatra amin'ny 19 marsa 2025 ho avy izao izy ho fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny bokiny vaovao "VONINKAZODIA". Toerana fitafatafana mahakasika izany rahateo ity tranonkala ity ka nahatonga an'izao fihaonana izao.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Hasina Ratera ary mankasitraka amin'ny fahatongavanao eto amin'ny tranonkala. Iza moa i Haisina Ratera amin'ny maha poeta sy amin'ny fiainana andavanandro?

Hasina Ratera
Miarahaba am-panajana anareo mpanaraka ity tranonkala ity ny tenako!
Hasina Ratera no anarana entiko amin'ny maha-mpanoratra ahy, 50 taona aho izao ary manam-bady aman-janaka amam-binanto aman-jafy.
16 taona aho dia efa nanoratra tononkalo ary hatramin'izao izany!

Toetra Ràja
Poeta ianao araka izany. Inona no mety mampiavaka ny tononkalonao?

Hasina Ratera
Soratako avokoa na ny trangam-piarahamonina na ny fiainana andavanandro na ny manodidina ny fitiavana na ny mahakasika ny zava-boahary, sns... fa indrindra ny fivavahana!
Ny mampiavaka ny  asasoratro hoy ny mpankafy dia izy ahitana baraingo mipetraka hatrany kanefa toa tsy hilako valiny fa apetrako amin'ny mpihaino sy mpamaky ary mpijery fotsiny ihany!

Toetra Ràja
Ahoana ny fomba anapariahanao ny asasoratrao?

Hasina Ratera
Ny haino vaky jery ary ny tambajotran-tserasera no fomba fanapariahako ny tononkaloko fa mahalana aho no mamonjy sehatra madinidiniky ny mpanoratra ho fiantsana tononkalo! Mbola tsy nikambam-boky tamina mpanoratra hafa aho kanefa hamoaka boky samirery kosa ankehitriny. Tsy dia miditra fikambanana aho fa mijery sy mihaino kosa ny antsan'ny mpikambana samihafa.

Toetra Ràja
Inona no azo lazaina momba io boky samirerinao io?

Hasina Ratera
Amin'ny haha-19'ny volana marsa 2025 izao aho no hamoaka amin'ny fomba ofisialy ny bokiko voalohany mirakitra ny tononkaloko! Ny lohahevitr'io boky io dia ny lohateny nampitondraiko azy hoe "VONINKAZODIA" avy hatrany. Mirakitra TONONKALO 133 isa izy io fa raha ny voasoratro dia efa 400 isa raha tsy hilaza fotsiny aho hoe efa nisy very sy efa nisy simba ary misy maro tsy mbola havoaka mihitsy aloha! Ny fonony dia efa mitantara avy hatrany izay voarakitra ao anatiny.

Toetra Ràja
Ahoana no ataonao hanapariahana ny boky ho eo am-pelatanan'ny mpamaky?

Hasina Ratera
Ny fanjifan'ny mpankafy sy ny liana amin'ny voarakitra ao anatiny ihany no fanapariahako azy ho eny an-tanan'ny olona ka!
Efa afaka jifaina eny an-toerana amin'io faha-19'ny volana marsa io ny boky "VONINKAZODIA". Amin'ny vidiny mirary izany satria ankoatra ny kalitaon'ny soratra dia azonao sitrahina koa ny niangaliana ny fonony miampy ireo kisarisary ao anatiny!

Toetra Ràja
Inona no mety hampiavaka ny "VONINKAZODIA" amin'ny bokin-tononkalo hafa?

Hasina Ratera
Ny mampivaka azy io dia ny fandravahana ny tononkalo rehetra amin'ny sary nopihiko, sary ahitana ny soniako hoe Soahanta, anarana entiko amin'ny maha mpaka sary ahy na dia tsy mbola be traikefa amin'izany aza aho. Mpanao sary hosodoko ihany koa mantsy ny tenako sady mpankafy karazan-sary rehetra noho ilay talenta efa ao anaty rako nolovaiko tamin'ny raiko Rajesitera William. Efa mpikambana tao amin'ny Akademia Malagasy fony fahavelony izy, sady mpanoratra tantara no mpanoratra tononkalo ary mpanao sary hosodoko sy mpamoron-kira ihany koa!

Eto dia tsy ho lazaiko kosa ny karazan-tsary ao anatin'ny "VONINKAZODIA" fa aleo mba izay manjifa no hahita ny mampiavaka azy e!

Toetra Ràja
Hisehatra ao amin'ny tranombokim-pirenena Anosy ianao. Azonao hazavaina ve?

Hasina Ratera
Amin'io tolakandron'ny 19 marsa 2025 io, manomboka amin'ny 1 ora sy sasany ka hatramin'ny 4 ora hariva dia toy izao no fandaharam-potoana izay mizara roa :

- Tapany voalohany, fanolorana ahy sy ny boky amin'ny fomba ofisialy ary fandraisam-pitenenan'ny olona manan-kaja nasaina toy ny an'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ary fandraisam-pitenenako fohy.
- Tapany faharoa, fampisehoana fohifohy hiantsako tononkalo ifandimbiasako amin'ny poeta hafa efa azo lazaina hoe fantatry ny maro toa an'i Tsanta Mirindra Andriamihaja, i Fanahy 18 izay efa nisy nahita niantsa teny ho eny ihany koa ary i Tojo Rakoto efa fandre asasoratra eny anivon'ny onjampeo matetika fa izay vao ho hita endrika!

Koa satria mpamoron-kira sady mpihira ihany koa ny tenako dia hihira ny hira noforoniko manelanelana ny antsan-tononkalo aho izay ho voaravaka soradihy iangalian'ny mpandihy fanta-daza antsoina hoe Cie Arangao!

Toetra Ràja
Dingana lehibe no hatrehinao amin'io fanolorana ny bokinao vaovao io. Ahoana ny fomba hivoizanao ny asasoratrao ao aorian'ny hetsika?

Hasina Ratera
Ny vinako dia tsy hijanonjanona loatra intsony mba tsy hilazako hoe tsy mora ny manao zavatra mendrika! Hanohy hampahafantatra ny sangan'asako rehetra aho ho tonga eo anatrehan'ny olona hahatafita ny hafatra fonosin'ny kanto noforonina araka ny talenta nampindramin'Andriamanitra izay tsy azo alevina! Izy izay Mpahary no tena tompon'ny talenta koa izay manjifa ny boky ihany koa no hahita ny famelabelarana ao anatiny!
Izay tompoko fa dia mametraka ny mandram-pihaona sy mandram-panoratra ry mpankafy malala!!!

Toetra Ràja
Mankasitraka Hasina Ratera nahafoy fotoana nitafatafana teto. Mirary fahombiazana ho an'ny "VONINKAZODIA" sy ny hetsika fanoloranan azy!

Hasina Ratera
Mankasitraka tompoko!

Ajouter un commentaire

 
×