Créer un site internet

Ny Vetso faha 30 taona

Tapatapakahitra nifanaovan'i Toetra Ràja tamin'i Ny Vetso
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

20 janoary 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

NY VETSO, FAHA 30 TAONA NIKORIANAN'NY PENINA


Lavitra ny lalany, hatao jery todika no sady harangaranga, satria mavesa-danja!
Nikoriana tokoa ny peniny hatramin'ny taona 1989, 30 taona hatreto, nivangongoan'ny ravin-taratasy nandrindrana andalan-tenina pôeta antsoina hoe Ny Vetso na Rakotovao Mbola Tiana araka ny tena anarany.
Mialoha ny andro lehibe fankalazana izany faharetana izany, amin'ny 24 janoary izao, dia nanokana fotoana ho an'ny Pôetawebs izy, mamaliany ireo fanontanian'i Toetra Ràja.

Toetra Ràja

Miarahaba anao Ny Vetso nahatratra ny faha 30 taona tamin'ny fiainana pôeta. Andeha hatao indray mitopy maso izany lalan-davitra nodiavinao izany!

Ny Vetso
Ny lalan-davitra nodiaviko tamin'ny soratra? Zanatohatra maro tokoa, tadidy ilay zanatohatra voalohany, niainga tany am-pianarana, namaky tononkiran'olona, nolazaiko fa hoe ahy. Teo imason'ny mpianatra iray manontolo no nilazana tamiko fa tsy ahy ny tononkalo fa tononkira tao anaty fihirana. Rehefa tonga tany an-trano aho dia niainga ny tanana ka nanakoriana ny penina. Ny 14 septambra 1989 io andro io. Nitohy niakatra hatrany, mino aho fa eo an-tenantenan'ny zanatohatra no misy ahy izao. Tsy mbola tonga any amin'ny faratampony fa mbola eo am-panohizana ny fiakarana amin'ny tohatra.

Toetra Ràja
Nihevitra ny hahatratra izany faha 30 taona izany ve ianao tany am-piandohana?

Ny Vetso
Efa nampoiziko ihany ny hilonako tanteraka amin'ny asasoratra. Ankafiziko loatra mantsy ny diampenin'ireo mpanoratra malagasy teo aloha, indrindra ny tononkalo, toa an-dry : Jean-Joseph Rabearivelo, Rado, Dox, Ny Avana Ramanantoanina sns. Sahy milaza aho hoe nihevitra ny hahatratra ny faha 30 taona satria tsy nitsahatra nanoratra.

Toetra Ràja
Misy antony manokana ve ny nahatonga anao hanoratra?

Ny Vetso
Mety ho ny fiainana angamba hoy aho no nanosika ahy hanoratra. Niaina tao anatin'ny fianakaviana maro anaka izahay, 11 mianadahy ary izaho no faravavy. Tsapako ho nitolona i dada sy i mama, tsy niraviravy tanana, nanao izay hahatafita anay zanany. Efa faniriana lalina tato anatiko ihany koa ny hampita lesona notsoahina avy tamin'ny fiainana teo aloha, ho amin'ny fiainana tsaratsara kokoa. Ny tsara hotohizana hatrany fa ny ratsy kosa hakana lesona.

Toetra Ràja
Fantatra fa olon'ny sehatra ianao. Azonao fintinina ve ireo karazana hetsika efa nataonao?

Ny Vetso
Ireo karazana sehatra efa nataoko? Tany an-tsekoly, tany am-piangonana matetika, tamin'ny fetim-pianakaviana ihany koa. Ary indrindra nandray anjara mandrakariva tamin'ny lanonam-panjakana.


Toetra Ràja

Tsy irery ianao amin'ity fankalazana ity fa voahodidina olona sy fikambanana maro. Ahoana no azo amaritana azy ireo?

Ny Vetso
Tsy irery tokoa fa manana aho manana azy ireo ary ankasitrahako feno azy ireo izany. Mpiara-miasa anisan'ny nanokatra ny varavaran'i Ny Vetso izy ireo. Nikombona ny asasoratra teo aloha satria tao anaty kahie tao fotsiny. Tsy hitako izay hamaritana azy, tsy haiko izay azo ametrahana azy ireo, ny hany teniko dia misaotra misaotra misaotra! Tena hery lehibe ho ahy ny fisian'izy ireo, TANANA LEHIBE iray nanosika sy nampakatra ahy ho amin'ny avo no azoko ilazana azy.

Toetra Ràja
Efa ho an-jatony, ho fanoharana, ny isan'izy ireo. Inona re no tsiambaratelo nahafahanao manolotra hetsika goavana tahaka izao?

Ny Vetso
Marina tokoa izany, ny serasera no tsiambaratelo iray. Ary ny tsiambaratelo tena goavana dia NY FANAOVANA ZAVATRA TSARA MANDRAKARIVA. Rehefa miteny ianao na miresaka amin'olona dia miteny tsara, mihaino ianao dia mihaino tsara, manoratra ianao dia manoratra tsara fa tsy manoratsora-poana. Rehefa ianao no resy lahatra voalohany amin'ny zavatra ataonao dia babo ho azy ny hafa manodidina anao. Ilaina ny mametraka fanontaniana matetika amin'ny tenanao hoe : mendrika hozaraina amin'ny olona ve ny zavatra ataoko? Afa-po ve aho? Rehefa izay dia zaraina ilay izy fa tsy kobonina ho anao samirery.

Toetra Ràja
Ahoana ohatra ny enti-manana amin'ny fanomanana, indrindra moa fa manasa mpanakanto maro ihany koa ianao?

Ny Vetso
Mino aho fa Kristianina avokoa isika. Andriamanitra no miady ho ahy. IZY no ametrahako ny fandaminana rehetra, IZY no iresahako voalohany vao manao zavatra aho. Ankoatra izay dia efa ela aho no nanao ny fanomanana izao hetsika izao. Efa ho herintaona mialoha tany ho any. Hoy ny Baiboly hoe : "Ny fahaizanao mandamina no fomba entinao miady."


Toetra Ràja
Azo fintinina ve ny fizotran'ny fotoana amin'io 24 janoary io?

Ny Vetso
Ny fizotran'ny fotoana amin'io 24 Janoary 2020 io :

- Hira elanelanin'ny asasoratry Ny Vetso. Misy asasoratry Ny Vetso ao, novelomin'ny Mpanakanto ho lasa hira.
- Tamberin-kafatra an-tsarimihetsika avy amin'ireo Malagasy monina any dilambato.
- Tamberin-kafatra mivantana avy amin'ireo mpankafy, marihiko fa amin'io fotoana io izahay vao hifanatri-tava fa tao anaty Facebook no nifanerasera hatramin'izay.
- Lahateny ifandimbiasana hofaranan-dRtoa Minisitra. Aorian'ny lahateniny dia hisy fanolorana mariboninahitra.
- Ranty : ahitana ireo kahie misy ny asasoratro hatramin'izay.
-Boky Volamena
- Fanapahana mofomamy ho fankalazana ny faha 30 taona
- Pikasary
- Mofomamy hifampizarana

Toetra Ràja
Eny amin'ny Tranombokim-pirenena no hatao ny lanonana, hisy boky hatolotra ve amin'io?

Ny Vetso
Efa natao ihany ny fomba rehetra ahatongavan'ny boky voalohany natonta amin'io fotoana io. Natonta tany ivelany mantsy ny boky. Raha sitrapon'Andriamanitra dia ho tanteraka izany.


Toetra Ràja
Eo ambany fiahian-dRtoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ity hetsika ity. Ahoana ny fahitanao ny fiaraha-miasa amin'io Ministera io sy ireo foibe ao anatiny?

Ny Vetso
Isaorana tanteraka ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, mampivelatra sy mampiroborobo ny literatiora malagasy ho ambony toy izao. Ny fananana ny teniny mantsy no anisan'ny maha firenena ny firenena iray. Ministera misokatra ho an'ny rehetra no fahitako ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, indrindra ho antsika Mpanoratra, mahay mihaino ary vonona ny hanoro hevitra sy hanolo-tsaina mandrakariva. Ministera misokatra, izay no hamintinako azy.


Mamerina ny fankasitrahana ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina , nanome anay Sehatra ho fankalazana ny faha 30 taona toy izao. Ho toy izao hatrany, anie, no hifampitaizantsika Malagasy na ho an'ireo mpitondra mbola hifandimby aza izany.

Toetra Ràja
Mazava ny hafatra! Misaotra anao Ny Vetso nahafoy fotoana ho an'ny mpisera. Mirary fahombiazana tanteraka ho an'ny hetsika ny tranonkalanao Pôetawebs!

Ny Vetso
Mankasitraka ny Pôetawebs nanasa anay hivahiny eto amin'ny Pejiny. Mirary soa ho an'ny Pôetawebs ho lasa lavitra hatrany. Handroso hasina mandrakariva ary ho reharehan'ny literatiora malagasy na aiza na aiza misy azy, eny, hatrany ivelany aza.

© poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 20/01/2020

×