Safidin'i Bidy
Toetra
Ràja - 18/04/2025
SAFIDIN'I BIDY
*
* *
* *
Fanehoana
ny safidy
Tamin'ny alalan'ny fihetsika no nanehoan'i Bidy ny safidiny, dia ny fibedana an'i Beby izay niantefan'ny fony. Marihina fa fihetsika somary maherihery ny an'i Bidy araka ny famaritana ny mibeda hoe : "Misambotra ka mamihina amin'ny sandry mba tsy ho afa-mikofoka" (Rajemisa Raolison (1981). Teraky ny hafanam-po tanora izay sarotra homem-pondro izany satria fomba fiarovana ny safidy misedra fanohintohinana. Vidy no fototeny manakaiky ny anarana Bidy, izany hoe olona nirin'ilay nanome anarana ho olona misy lanjany sy vidiny eo amin'ny fiarahamonina. Tombanana ho tanora izy noho izy mpitovo ary mbola manana ray sady mpiahy no ankatoavina. Nanaitra an'i Doda rahateo ny fihetsiny nambeda vehivavy ka nahatonga ny tatitra hiakatra nankany amin'ilay andry iankinana. Tati-bolana no iantsoana izany, fanaon'ny ankizy, navohitran'ny mpanoratra amin'ny hoe : "Hainao moa ny Zaza...". Tsy ny zaza ihany anefa no be tati-bolana fa matoa mitsikafona ireny halatra tsy toko tsy forohana ireny dia misy olon-dehibe mitatitra ary mety ho noho ny tombontsoa voatohintohina.
Ny
fanohintohinan'ny fiarahamonina ny safidy
Mahatsiaro tena ho voatohintohina ny fiarahamonina ka mety
hanohintohina ihany koa ho setriny. Indraindray aza dia ny akaiky
mihitsy no ipoirany toy ny nataon'ny dadan'i Bidy. Maneho fihetsika sy
teny mahery izy amin'izany araka ny voasoratra hoe : "vinitra", "nibedy", "nivazavaza".
Voalazany mantsy fa bobo i Beby. Noraisin"ny dadany ho fahabadoana ka
mety hiteraka fahafaham-baraka ho an'ny fianakaviana ny fanambadiana
olona toa izany. Azo heverina ho fanimbana taranaka koa aza ny
fahatanterahan'izany.Mahatalanjona ny fidiran'ny fiarahamonina lalina amin'ny safidin'ny tsirairay. Tsy vitan'ny hoe amin'ny alalan'ny tsikera ihany fa mbola tovanana vahaolana koa toy ity eritreritra naposak'ilay ray ity : "Tsy aleo letsy i Bodo...". Iray kitapo nifonosana amin'i Beby anefa i Bodo ka mety tsy hifanalavitra toetra noho ireo krômôzôma maro iraisana.
Fanoheran'ny
tompon-tsafidy
"Dia nitsangana i Bidy
no sady nilaza
ho tompon-tsafidy"
Sady fanajana ny mpilaza sy ny mpihaino no fijoroana amin'ny heviny ny fitsanganana rehefa miteny. Mahazatra kokoa ny fanombohan'ny fandraisam-pitenenana rehefa tena tafatsangana mihitsy aloha ny mpiteny. Eto anefa dia notanterahina miaraka ireo zavatra roa ireo. Midika fahamaizana na fitroarana izany. Hentitra sy mazava ny fanambarana fa izy no "tompon-tsafidy" fa tsy ny hafa.
Manaraka izany, na diso fantatr'i Bidy aza ny kileman'ilay tiaviny araka ny hoe "fa i Beby na bobo", dia tsy hahatohitra ny herim-pitiavana izay ambonin'ny tsy fahatomombanan'ny toe-batana izany : "ny fony no babo". Ambonin'izay, tian'i Bidy havohitra mazava fa ny fanahy no maha olona fa tsy ny endrika amam-bika ivelany izay mba ananan'ny zava-manan'aina rehetra koa : "ary i Beby tsy biby".
*
* *
* *
Nasehon'i Bidy tamin'ny alalan'ny fihetsika ny safidiny. Notoherina tamin'ny fahavinirana, fibedesana, fivazavazana ary tolo-kevitra izany. Noporofoina sy narovan'i Bidy fatratra tamin'ny fijoroana anefa ny safidy izay tsy azon'iza na iza avilivily. Lesona lehibe ho an'ny fiarahamonina izany raha tiany ny handroso, miainga amin'ny tontolom-pianakaviana ary tokony hampiharina amin'ny firenena sy ny sehatra iraisam-pirenena. Matoa mantsy mikatso ny firenena iray dia noho ny safidin'ny isam-batan'olona voahosihosy lava.
Azo nosoratana tamin'ny sokajy literatiora hafa ity hafatra ity toy ny kabary, tantara, andrana sns. saingy nironan'ny aingam-panahin'ny mpanoratra kokoa ny tononkalo fohy, kanto, manaitra, mampihetsi-po ary manankarena sarinteny. Anisan'ny misongadina amin'izany ny filalaovna feo (b) sy (d) ka nahazoana an-dry Bidy, Beby, Bodo, Doda, dada ary ny fototeny beda, bedy, bado, bobo, biby. Manerana ny tononkalo izany fa tsy noferany tamin'ny andalana na fehezanteny tokana.
Commentaires (3)

- 1. | 19/04/2025
Hitako eto ny feony eo am-piantsana azy ☺️

- 2. | 19/04/2025
Tena tsy tokony ho io sary mifoka sigara io no natao varavarana hidirana ato amin'ny Tranonkala, misy lafy ratsiny be hoe io no misongadina avy hatrany ao anaty Fb.

- | 20/04/2025
Dream -> Safidy