Masoandro milentika
Randriamamonjy Frédéric
Masoandro milentika
Teo
amin'ny faha 93 taonany no nilentika ny masoandrom-piainan'i Frédéric
Randriamamonjy,
mpanoratra, mpahay tantara, mpampianatra, mpikaroka, mpanao politika,
diplaomaty, filoha am-boninahitry ny Akademia malagasy ary vady
andefimandrin'ny poeta sy mpanoratra Esther
Randriamamonjy.
Hiainga ao amin'ny tranony ao Isoraka amin'ny sabotsy 12 avrily 2025 ny razana ka entina any Mandialaza Anjiro. Ny alahady kosa no hanitrihana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ampananganana Mandialaza Anjiro. Namela kamboty 4 sy zafikely 9 ary zafiafy 6 izy.
Izahay eto amin'ny Poetawebs dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana manontolo ary hanotrona ny fianakaviana eny Mandialaza Anjiro.
|
Frédéric sy Esther Randriamamonjy |

Commentaires (3)

- 1. | 12/04/2025
Mahereza tompoko! Mirary fiononana ho an'ny fianakaviana manontolo!

- 2. | 12/04/2025
Mampahery ny fianakaviana manontolo.

- 3. | 12/04/2025
Mirary fiononana ho an'ny fianakaviana manontolo