J.-J. Rabearivelo hoy i Jacques Rabemananjara
Tsikimilamina
Rakotomavo - 04/03/2025
J.-J. Rabearivelo hoy i
Jacques Rabemananjara
"Mikasoka amin'ny voninkazo koa ny
molotro
ny voninkazo mihasaro-pantarina
ary mihatsara tarehy, ary sahisahy tampoka."
JJ Rabearivelo
Traduit de la nuit LVII - Avril 1932
Nanana ny zoro nahitany an'i J.-J. Rabearivelo ireo akaiky azy. Amin'ity anio ity izay tsiahin'ny fotoana nivelarany teo amin'ny maha olona dia hotaterina ny nanoritsoritan'i Jacques Rabemananjara ny mombamomba azy.
Manasa anao hanjohy izany.
Rabearivelo ? Toy izao no fahitan'i Jacques Rabemananjara azy:
"Vao niditra ny efitra aho hoy Rabemananjara ao amin'ny Revue des Jeunes, dia boky mifanizina no voajeriko.
Eo ambony latabatra, taratasy fotsy miandry ny penina hitondra ny nofin'ilay poety tahaka ny renin-tantely mikopak'elatra.
Misy koa taratasy efa voasoratra feno fanitsiana, boky mivelatra izay hitsangatsanganan'ny maso toy ny mpianatra mamakivaky lalana.
Ao afovoan'izany zavatra izany, mila tsy ho hita akory, io Rabearivelo amin'ny maha izy azy rehetra. Ny volony oly, lava mikorontana, ny handrina midadasika mivolom-barahina, lehibe toa mendrika ny mahazeny azy.
- Ny masony kely nefa matselaka fijery ary lalina ery ka toy ny mahita sy manaraka nofinofy manan'elatra sy miandry mozika tsy ho avy, izay tsy ho azo adika raha tsy any amin'ny misiterin'ny alina.
- Ny fitsikiny hafahafa teo am-boalohany dia nanjary feo nitondra ako mazava tao amin'ny fahanginako nihaino azy. Somary avo kokoa noho ny hafa izay feony izay, misondrotra kely toy ny hilaza zava-baovao.
- Eo am-piresahana izy, dia mijery anao amin'ireo masony toa misy voaly indraindray sahala amin'ny an'ny fohy maso.
- Ny molony raha miteny dia manana fihetsika toa maneso, nefa vetivety dia lasa.
- Raha mamaky poema izy dia mahavariana ny mihaino ny feony miakatra dia midina, dia toa mandositra, mangovitra na mihararetra.
in Fampitaha lah8-9, Fev-Marsa1960

Commentaires (2)

- 1. | 10/03/2025
J.-J. Rabearivelo sy Jacques Rabemananjara, samy fitaratry ny literatiora malagasy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

- 2. | 04/03/2025
Raha mba nisy raki-peony mantsy nahafahana nihaino izany miakatra dia midina izany.
Indrisy ! Mbola tsy ampy ny teknôlôjia tamin'ny fotoana androny.