Créer un site internet

Naresaka ny Ankaromiafina

Naresaka ny Ankaromiafina
Poetawebs - 29/04/2025

Naresaka ny Ankaromiafina

Nanakoako tao amin'ny CGM Analakely ny famoahan'ireo mpiraifaribolana Sandratra avy any Betafo ny boky ANKAROMIAFINA. Ny sabotsy 26 aprily 2025 lasa teo, nanomboka tamin'ny 3 ora folakandro no nanatanterahana izany.

Nanokatra ny fotoana i Mampandriniaina Manitra izay mpandrindra ny Faribolana Sandratra sampana Antananarivo. Raha efa izany, novakina ny teny fanolorana ary nanomboka ny antsa tononkalo izay noelanelanina vazo. Asasoratra 42 isa no nampiainin'ireo poeta fito mianadahy tamin'ny fihetsika miavaka sy feo mampiteny ireo ainga ka nahavaka ireo mpankafy. Tehaka mirefotra hatrany isaky ny fahavitan'ny tononkalo iray.

Namarana ny seho ny teny fisaorana sy fanoloran'i Faniry Ezeckiel, mpandrindra ny Faribolana Sandratra sampana Betafo, ireo mpandray anjara ary ny nilazan'i Mampandriniaina Manitra ny fotoanan'ny hetsika manaraka. Nanakatona tanteraka ny fotoana ny fiarahana naka sary tamin'ireo mpijery.

Naharitra adin'ny roa tsy nihato ny seho sehatra. Afa-po ireo mpijery nameno ny efitrano ary naniry sahady ny hisian'ny fihaonana manaraka.

Sary : Santatra Ramarozaka

Ankaromiafina
Ireo ekipan'ny Faribolana Sandratra Betafo rehetra niantsehatra

Ankaromiafina
Faniry Ezeckiel, nanolotra ireo ekipa rehetra

Ankaromiafina
Mikitroka Hazavana sy Ny Fiainana, anaty seho

Ankaromiafina
Patrick Teddy, tafiditra tanteraka anaty fampisehoana

Ankaromiafina
Ny Fiainana, vehivavy tokana sady zandriny indrindra anatin'ny Faribolana Sandratra Betafo

Ankaromiafina
Patrick Teddy, manaingo ny aingany amin'ny gitara

Ankaromiafina
B'y Hakay, anisan'ireo Faribolana Sandratra Betafo

Ankaromiafina
Aloka Miserana, anaty antsa tononkalo

Ankaromiafina
Ni Avatsa, miravaka valiha

Ankaromiafina
Faniry Ezeckiel sy Ni Avatsa, anisan'ireo nanodina voalohany ny Faribolana Sandratra Betafo

Ankaromiafina
Faribolana Sandratra Betafo sy mpakafy vitsivitsy

Ankaromiafina
Faniry Ezeckiel
Ankaromiafina
Kopakopa-tanana farany, nalai-nisaraka ny rehetra
Ankaromiafina

Ajouter un commentaire