Créer un site internet

Fanandratana ny maha Malagasy - Faniry Ezeckiel

Fanandratana ny maha Malagasy - Faniry Ezeckiel
Faniry Ezeckiel - 29/05/2025

Miantso ireo mpiserany hiaraka manandratra ny maha Malagasy aminy ireo mpiara-misalahy ao amin'ny tranonkala amin'ity taona 2025 ity!

"Malagasy tia tanindrazana, manalavitra ny fizarazarana"
Faniry Ezeckiel

Nahalasa lavitra ny fahendren'ny Ntaolo ny fiombonana sy ny firaisankina. Nikoriana tao anaty ran'izy ireo ny fitiavana ny tanindrazana. Nahay mifampitsinjo izy ireo hany ka afaka niara-nivoatra koa. Amin'izao vanim-potoana iainantsika izao, ny fizarazarana no fototry ny faharavana rehetra. Malagasy miara-manandratra ny taniny, ny teniny, ny kolontsainy no tena ilain'ny firenena sy ny fiarahamonina hitondra rivo-baovao. Manana adidy isika tsirairay, ho fitaratra sy hitaona ny manodidina antsika, hanana toe-tsaina mahay miara-dia, anaty fitiavan-tanindrazana, ho antoky ny ho avy mamiratra.



Tenin'ny Poetawebs rehetra ho fanandratana ny maha Malagasy


Fanandratana ny maha Malagasy - Faniry Ezeckiel



Ajouter un commentaire