Mina Ilarion, poeta, mpiangano

Mina Ilarion, poeta, mpiangano
Tsikimilamina Rakotomavo - 09/03/2025

Mina Ilarion, poeta, mpiangano

Nifanojo tamin'i Tsikimilamina Rakotomavo tanatin'ny ora-mikija i Mina Ilarion. Araho ange ny tafasirin'izy mianadahy tanatin'ny rivotra nifofo sy rotsak'orana e!

Tsikimilamina Rakotomavo
Tsy manakana antsika hitapatapatakahitra ny toetrandro Mina Ilarion. Salama ianao

Mina Ilarion
Marina tokoa izany Tsikimilamina. Miarahaba anao ary misaotra anao sy ny tranonkala Poetawebs mahatsiaro ahy.

Tsikimilamina Rakotomavo
Iza moa i Mina Ilarion raha fintinina?

Mina Ilarion
Lehilahy avy any amin’ny faritr’i Moramanga, nanoratra nanomboka tamin’ny taona 2007. Niditra ho mpiraifaribolana Sandratra ny taona 2014. Manoratra sombintantara, tantara an’onjam-peo, tantara an-tsehatra, horonan-tsary, angano ankoatra ny tononkalo. Namoaka boky Sombintantara FONTSY tamin’ny taona 2016. Nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny fifaninanana angano nokarakarain’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny taona 2021 tamin’ny alalan’ilay angano RIANALA.

Tsikimilamina Rakotomavo
Poeta i Mina Ilarion kanefa manasongadina ny angano, inona no antony?
   
Mina Ilarion
Izay tokoa no niandohana, niezaka niala tao anatin’ny valam-pamaritan’ny poeta tato aoriana. Misafidy ny sombintantara, indrindra ny angano noho ny fankafizana angano nontantarain’i Dadabe tany ambanivohitra teo amorom-patana. Nanonofy ny mba hitantara angano rehefa lehibe satria sondriana fatratra nihaino azy fahiny. Nanomboka tamin’ny fandikana ireny anganon’i Dadabe ireny ho lasa soratra, tonga taty amin’ny famoronana angano.

Tsikimilamina Rakotomavo
Manana talenta manokana amin'ny fitantarana angano angaha ianao?

Mina Ilarion
Niofana ho mpitantara angano niaraka tamin’i Ny Eja sy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tokoa aho ny taona 2022. Efa mpitantara angano any amin’ny sekoly vitsivitsy mpira-miasa ihany koa. Na izany aza anefa, tsy manao ho asa fototra amin’ny fitantarana angano toa an-dRakemba aho ka tsy hitompo teny fatratra ho mahay.

Tsikimilamina Rakotomavo
Aminao, misy ifandraisany ve ny angano sy tononkalo?
   
Mina Ilarion
Samy zava-kanto vita amin’ny teny ny tononkalo sy ny angano ankehitriny na dia nianga tamin’ny lahabolana am-bava aza ity farany tany am-boalohany. Miainga amin’ny aingam-panahy, adika ho soratra, hahasondriana, hampaka lesona, hampiala voly ny mpianoka. Havoaka ho boky sy entina an-tsehatra, raiketina horonan-tsary. Teboka maro samy iraisany avokoa ireo. Samy hafa kely ihany anefa satria aingam-nahy ranofotsiny ny tononkalo, moa miampy asan’ny saina bebe kokoa ny angano.

Tsikimilamina Rakotomavo
Misy asasoratrao miendrika angano vé?

Mina Ilarion
Ankoatra an’i RIANALA efa voalazako tetsy ambony dia efa maro ireo angano nosoratana namatsiana ireo onjam-peo teto Madagasikara. Isan’izany ny "Trondro sy ny saka", "Mariazin-dravitsika", "I Faralahy sy ny Akoho", "Hitokona ny alina" sy ny sisa maro be.

Tsikimilamina Rakotomavo
Hanao velakevitra ianao ny alarobia 12 marsa. Inona no andrasan'ny mpianoka literatiora aminao?
   
Mina Ilarion
Hitondra ny mpanatrika ho any amin’ny sahan’ny angano fa tsy ho revo fotsiny hilomano ao anatin’ny tononkalo, hampieritreritra azy ireo fa misy asasoratra matsiro ankoatra ny tononkalo ary mampitondra azy any anatin’ny tontolon’ny nofinofy kokoa aza. Tsy ny zaza sy ny ankizy ihany mantsy no renoky ny angano fa matory am-pitsanganana avokoa rehefa olombelona eo anoloany.

Tsikimilamina Rakotomavo
Ho avy tsy ho ela ny andro maneran-tany ho an'ny poezia sy angano, Inona no tokony hataon'ny mpamorona hampaharitra ireo sokajina literatiora ireo?
   
Mina Ilarion
Ry mpamorona, salory io anarana io fa aza mamerina. Rehefa mamorona, aza milona amin’ny tara-kevitra tokana fa miteteza tontolo samihafa, fenoy ny kianja rehetra fa aza eo amin'ny tara-kevitra tokana no mivangongo. Mitadiava zava-mahaliana isan-karazany fa aza manao lalan-tokana, jereo ihany koa ny filan’ny mpankafy. Mitondrà ny feon’ny tontolo fa aza variana amin’ny feon’ny aingam-panahy fotsiny.

Tsikimilamina Rakotomavo
Mankasitraka anao Mina Ilarion nitapatapatakahitra na dia ao anatin'izao andro manorana izao aza.

Mina Ilarion
Ianao no isaorana Tsikimilamina tamin'ny tafatafa teto.Misondrota hasina ny tranonkala Poetawebs sy ianareo rehetra mpiketrika rehetra.



Commentaires (4)

Toetra Ràja
  • 1. Toetra Ràja | 10/03/2025
Hafaliana hatrany ny fiarahana manoratra ny tantaran'ny literatiora amintsika herin'ny ankehitriny.
Mina
  • 2. Mina | 10/03/2025
Misaotra sy mankasitraka anareo Poetawebs tsy mitsahatra manoratra ny tantaran'ny literatiora andro aman'alina.
Tsy manadino anay ihany koa. Misia soa aby isika rehetra.
Havozo Manitra
  • 3. Havozo Manitra | 10/03/2025
Mahavità soa amin'ny velakevitra hotontosainao ry Mina Ilarion.Mahombiaza!
Heriarilala
  • 4. Heriarilala | 10/03/2025
Mirary soa an'i Mina, tsara tokoa ny manoratra angano satria tena manabe ny ankizy ireny.

Ajouter un commentaire

 
×