Fiakaran'ny aingam-panahy

Randja Zanamihoatra

Lohateny
Toetra Ràja - 30/05/2025

Andro faharoa tamin'ny fankalazana ny fahazato taonan'ny poeta Randja Zanamihoatra ny teny amin'ny Le Park Bemasoandro Itaosy ny 29 mey 2025, tao anatin'ny andiana hetsika novolavolain'i Randy Donny antsoina hoe "Bar à livres", ka nivoizana ny lohahevitra "Randja Zanamihoatra sy ny fiakaran'ny aingam-panahiny".

Nisantarana ny fotoana aloha, araka ny anaran'ity hetsika ity, ny fampahafantarana boky vaovao ka nahitana ny an'i Perla Soa (Rivalité récurrente), Lalaina Ravahy (Alitaram-poezia), Eddie Fernand (Genèse d’une pensée politique atypique) ary ny boky miisa telo an'i Jean Razafindambo (L’Absurdistan ? Ici l’enfer 261; Nuances du mal; Tuer, en dernier recours). Notsarovana manokana tamin'io fotoana io koa i Saholy Rakotonanahary, mpanoratra sy mpilalao tantara amin’ny onjam-peo, izay nandao vao tsy ela ny fiainana an-tany.

Hipoka poeta, mpanoratra, mpikaroka... niampy ireo taranak'i Randja Zanamihoatra sy ireo mpakafy an'izany poeta andrarezina izany ny terasin'ny Le Park. Singanina manokana ny fanotronan'ny Ben'ny Tanànan'ny Bemasoandro Itaosy. Namerina ny tsiahiny momba an-drainy i Nobel Randriamananjara ary nodimbiasan-dRamamenosoa Herinjato Samuelson izay nanoritsoritra ny lalam-piainany. Namelabelatra ny momba ireo sangan'asan'i Randja kosa i Vanga sady naneho ny hevi-dalina fonosin'ny aingam-panahiny. Ny masoandro maty no nampalahelo noho ny fiitaran'ny fifanakalozana saika tsy ho tapitra momba izany poeta lehibe ankalazaina mandritra ny herintaona izany.

Toetra Ràja


Fiakaran'ny aingam-panahy - Randja Zanamihoatra
Miankavanana :
Nobel, Ramamenosoa Herinjato, Vanga

Fiakaran'ny aingam-panahy - Randja Zanamihoatra
Nobel mandray fitenenana

Fiakaran'ny aingam-panahy - Randja Zanamihoatra
Ny senatera Eddie Serge FERNAND
nanolotra ny bokiny

Fiakaran'ny aingam-panahy - Randja Zanamihoatra
Perla Soa nanolotra ny bokiny

Fiakaran'ny aingam-panahy - Randja Zanamihoatra
Lalaina Ravahy nanolotra ny bokiny

Fiakaran'ny aingam-panahy - Randja Zanamihoatra
Ny Ben'ny Tanànan'ny Bemasoandro Itaosy

Fiakaran'ny aingam-panahy - Randja Zanamihoatra
Eo anoloana ny filohan'ny komitin'ny falkalazana, Nirihaja. Eo akaikiny i Valiha Gasy

Fiakaran'ny aingam-panahy - Randja Zanamihoatra
Miankavanana : Felana, Tolotra Ravonandriana, Avelo Nidor, Sylvia Randrianantoandro, Nirihaja

Fiakaran'ny aingam-panahy - Randja Zanamihoatra
Faribolana Sandratra sy ny komity

Fiakaran'ny aingam-panahy - Randja Zanamihoatra
Ny masoandro milentika no mampalahelo

Fiakaran'ny aingam-panahy - Randja Zanamihoatra

Ajouter un commentaire