Zo Maminirina mahafantatra an'i Randja Zanamihoatra
Toetra
Ràja - 20/05/2025
Zo Maminirina mahafantatra
an'i Randja Zanamihoatra
Toetra Ràja
Manaja anao Zo Maminirina ary mankasitraka indrindra amin'ny fanoloranao fotoana ho an'ny mpisera manoloana izao fiainana irotorotoana fatratra izao. Efa nahita an'i Randja Zanamihoatra ve i Zo Maminirina?
Zo Maminirina
Miarahaba finaritra ny ekipan'ny Poetawebs, sady mankasitraka indrindra amin'ny fanasana amin'ity tapatapakahitra ity. Tolorana arahaba koa ny mpisera an-tranonkala manaraka izao dinidinika izao.
Efa nihaona sy nahita mivantana an'i Randja Zanamihoatra tokoa aho ary indray mandeha monja. Fohy dia fohy ny fotoana nifampiresahanay miafy satria taorian'ny nanaovanay Faribolan'ny poeta sy mpanoratra Sandratra Tsangantononkalo ho azy izany. Betsaka ny "ankizy" sy olon-dehibe te hiresaka taminy ka tsy nisy fotoana elabe nahafahana nifampitafa loatra taminy. Raha tsy diso fitadidy aho dia tany amin'ny taona 1990 tany, nanamarihana ny faha-50 taona nanoratan'i Randja Zanamihoatra na Randriamananjara Edmond io fotoana io, tsangantononkalo nilohateny hoe "Fifandraisana", raha tsy diso fitadidy koa aho, izay nataonay tamin'izany tao amin'ny Trano fanaovan-danonan'ny Complexe Scolaire Ampefiloha. Ilay tononkalo milohateny hoe "2 novambra" no anjarako novelomina an-tsehatra tamin'izany.
Ny fahitako azy dia efa somary osaosa ihany Ingahibe tamin'izany, saingy mbola natanja-tsaina tsara.
Toetra Ràja
Betsaka loatra ny azo ambara momba an'i Randja Zanamihoatra fa raha bangoina ao anatina fehezanteny vitsivitsy, inona no azo amaritana ny maha poeta tsy mitovy amin'ny poeta rehetra azy?
Zo Maminirina
Poeta tsy nitovy tamin'ny poeta rehetra tokoa i Randja Zanamihoatra. Mety ho nitovitovy ny rian-kevitra na "feeling" nentiny na novoiziny niaraka tamin'ireo indray nihira taminy fa samy nanana ny fomba nanehoany izany teny amin'ny sorany ny tsirairay. Ny azy manokana, raha ny fomba fijeriko tany anatin'ireo sangan'asany tao anatin'ny "Vain'afo tononkira" sy ny "2003" tamin'izany, manan-danja be aminy ny resaka tandindona na aloka. Tsy ainga misavoana, araka ny fijery maimaikan'ny olona anefa ireny, fa tena mitehin-tany avokoa. Azoko tsara izay tian-koresahina fa voafono anaty endrika kanto miavaka izay azy irery ihany. Misy moa tena mahitsy be sy mivantana ny voambolana nampiasainy ka malemy nalain'ny molotra, toy ny "Malagasy mankany", "Roa novambra", "Anjombona",... Fa misy maromaro kosa vakina indroa na intelo sady antsaina mangina dia fantatra ny tian-kambara. Mety ho mampiavaka an'i Randja Zanamihoatra koa ny fanasoniavany ny tonokalony hoe Dj-Z, ny fampiasany andinin-tSoratra Masina ho teny fampidirana ny tononkalo. Misy fotoana, niako taminay mpanoratra ankehitrio izany ka vosoratra tsy nahy satria mifandraika amin'izay tononkalo vosoratra.
Taty aoriana moa aho vao mba namaky ny "Ny vehivavy", "Ny lehilahy", "Ako sy feo".
Toetra Ràja
Amin'ny maha komity anao, inona no anjara andraikitrao ao anatiny?
Zo Maminirina
Raha ny tena marina, tsy manana andraikitra manokana ao anatin'ny komitin'ny faha-100 taonan'i Randja Zanamihoatra aho. Amin'ny maha mpanao gazety ahy eo amin'ny asa andavanandro dia mampita sy manely ny vaovaon'ny fanomanana sy ny hetsika amin'ireo mpanao gazety ara-kolontsaina mivondrona ao anatin'ny Fikambananay SORAKANTO no iantsorohako. Ankoatra izay dia mitondra riam-pijery na rian-kevitra ihany aho hanatevenana ireo efa tapaky ny komity. Mizara izany rehefa toavin'ny komity.
Toetra Ràja
Manana hafatra azo atolotra ny mpisera ve i Zo Maminirina amin'izao fankalazana ny faha-100 taonan'izany poeta andrarezina izany?
Zo Maminirina
Tsy hafatra angamba no hoentiko fa fanentanana ho an'ny rehetra tia haisoratra. Tsy maninona fa na ny tsy dia mankafy koa no entanina. Mateza roritina sy mirakitra haren-tsaina tapitr'ohatra sady tovozin-tsy ritra na rahoviana na rahoviana ny sorakanto rehetra. Izay mamaky azy ihany no afaka misitraka izany. Avadibadiho ny boky mirakitra sorakanto na haisoratra, hianohana ny isan-takila mba ho sakafon-tsaina amam-panahy. Misy tononkalon'i Randja Zanamihoatra izay any milohateny hoe "Resadresaka" sy ilay hoe "Malagasy mankany". Mety handona ny hambontsika izay voalaza ao. Raha mahatohina, anjarantsika ny manova famindra sy fomba fa tsy nanora-bato mafana akory ny poeta. Sivano sy fanteno ireo endri-pandrosoana mora miely amin'izao vanimpotoanan'ny efijery sy ny tranonkala izao fa tsy arapaka hatao sakafon-tsaina ho zary Kolontsaina avokoa. Mety ho mandroso amin'ny fijery ivelany isika saingy tsy mivoatra raha faikam-pandrosoan'ny vahiny no hivokisana.
Toetra Ràja
Fohy ny fotoanantsika kanefa nahafahana nanolotra hevitra mafonja ho an'ny mpisera. Mankasitraka Zo Maminirina!
Zo Maminirina
Voankazo an'ala ihany izay mba nozarainay teto ka raha mahasoa, mazotoa homana. Raha tsy levontsika, aleo hiverina aminay ihany. Dia mankasitraka feno ny Tranonkala Poetawebs sy ireo mpisera rehetra. Soava tsarà daholo e.