Lanonana roa
sosona no hotanterahina amin'izao fiatombohan'ny fankalazana ny
fahazato taonan'i Randja Zanamihoatra izao. Eo aloha ny ny fankalazana
rahampitso fanokafana
manetriketrika27 mey 2025 ao amin'ny tranombokim-pirenena Anosy.
Amin'ny 29
mey 2025 kosa ny Bar à Livres
dia hanomezam-boninahitra an'ity poeta lehibe ity noho io fahazato
taonany io izay hotanterahana ao amin'ny Le Park Bemasoandro Itaosy amin'ny 3
ora tolakandro.
"Randja
Zanamihoatra sy ny fiakaran'ny aingam-panahiny" no lohahevitra
iompanan'ity hetsika Bar à Livres ity izay marihina fa efa fanao
isan-taona hatramin'ny 2023. Hitondra ny anjara birikiny amin'ny
alalan'ny velakevitra ireo mpanoratra sy mpikaroka ary amin'ny maha Bar
à Livres azy dia hahazo avara-patana amin'izany ny fanolorana ireo boky
vaovao mahakasika ny literatiora.