Ako sy feon'ny fahazato taona
Randja Zanamihoatra
Toetra
Ràja - 27/05/2025
"Fa misy koa fanahy mitondra fofo-manitra
mpamangy anay Poeta sakaizan'Andriamanitra
manidim-berovero hatrao anaty ireny
ka mampanentoento ny hiranay sy teny"
Izany ampahan-tononkalon'i Randja Zanamihoatra nosoratany ny alin'ny 1 avrily 1971 izay manasongadina ny poeta sy ny loharanon'aingam-panahiny izany no anisan'ny novetsoin'ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK). Talohan'ny fandraisam-pitenenany dia nifandimby nanao lahateny ny taranak'i Randja Zanamihoatra notarihin'ny zanany Nobel Randriamananjara sy ny filohan'ny komitin'ny fankalazana, ny poeta Nirihaja.
Niavaka ny teatira poetika "Embona" narindran'i Valiha Gasy ary nolalaovin'i Mahefa, Fiantsa Hary Dia, Faniry, Jayah Razafy. Nankafizin'ny maro koa ny hiran'i Doublenn. Nianohana ny fiantsana ny tononkalon'i Randja tamin'ny alalan'i Tiavina (Malagasy mankany), Avelo Nidor sy Ratsifa (Poeta) ary i Kanto Fitahiana (Fifandraisana). Nahaliana ny rehetra ny Sorapiainan'i Randja nosoratan'i Tsikimilamina Rakotomavo Izay narindrany tamin'ny horonan-tsary niaraka tamin'i Patrick Raveloarison mpikamban'ny Poetawebs.
Ankoatra ny tompon'andraikitry ny MSK sy ny komity mpikarakara dia nanome voninahitra ny fotoana ny taranak'i Randja Zanamihoatra, ny mpampianatra mpikaroka, ny mpianatra amin'ny ambaratonga fahatelo sy ambony, ireo filoham-pikambanana sy filoham-piangonana.
Toetra
Ràja
Ako sy feon'ny fahazato taona
Commentaires (2)

- 1. | 28/05/2025
Misaotra ireo komity nanompana ny heriny ka nahazoana fahombiazana feno an'iny lanonam-panokafana iny.

- 2. | 28/05/2025
Hetsika tena niavaka