Tsenaben'ny boky 2025
Tokotanin'ny Tranombokim-pirenena ao Anosy
Toetra
Ràja - 02/06/2025
Hanamarika ny toerana ireo trano heva maro fampirantiana boky sy ny tontolony. Hampiavaka ity hetsika ity koa ny fanentanana amin'ny alalan'ny velakevitra, rohin'ny boky manomboka amin'ny famoronan'ny mpanoratra azy mandra-pahatongany ho eny am-pelatanan'ny mpamaky, fitantarana angano, fotoana ho an'ny teatra frankôfôna, fanolorana boky vaovao...
Eo amin'ny tontolon'ny poezia dia singanina manokana ny velakevitra hotontosain'i Ranoe amin'ny hoe "Inona no antsoina hoe: mpanoratra sy poeta?"
Tsy ho diso anjara amin'ny fampirantiana ireo bokin'ny poeta sy mpanoratra ka anisany ny ao amin'ny trano hevan'ny Poetawebs izay hanolorana ireo andiana boky sorapiainana poeta. Ao anatin'izany no hahafahan'ireo mpitsidika mifanakalo hevitra amin'ireo mpikamban'ny tranonkala.
![]() |
Ny fandaharam-potoana |
![]() |
Ireo mpandray anjara |
![]() |
Ny mpitandrina
Andrianaivoravelona mianaka voambara ao amin'ny boky Sorapiainana 3 anisan'ny haranty |
Tsenaben'ny boky 2025