Créer un site internet

Poésie des 4 Horizons : La flamme poétique à Madagascar

Poésie des 4 Horizons : La flamme poétique à Madagascar
Ralamboarijaona Rita sy Rakotonirainy Ny Hery - 07/03/2025

Poésie des 4 Horizons

La flamme poétique à Madagascar

Nihaona tamin'ny poeta sy fikambanana poeta vitsivitsy teto Antananarivo ny poeta namana vahiny, tao anatin'ity hetsika "Poésie des 4 Horizons : La flamme poétique à Madagascar" ity izay notanterahina tao amin'ny tranombokim-pirenena Anosy tamin'ny 6 marsa 2025.

Niatomboka tamin'ny fifankahafantarana ny fotoana. Nisantatra izany ny "Délégation sans frontières" notarihin'i Marc Alexandre Oho Bambe antsoina hoe Capitaine Alexandre. Nanambara ny tanjon'ny hetsika ity talen'ny ekipa ity raha manao izao fitetezana firenena maro izao izy ireo. Ny tanjona dia ny hamorona fifandraisana sy hifampizakan’ny zava-kanto amin’ny alalan’ny fizarana ny sehatra, ny nofy ary ny tononkalo. "Tamin'ny alalan'ny fifanakalozan-kevitra notanterahin’ny mpanorona tononkalo tao amin’ny Akademia tao Toulouse tamin'ny taon-dasa no nitsirin'ny hevitra hanatanterahanay ny tetik'asa", hoy izy. "Ny imasoana dia ny hifohazan'ny tanora amin'ny torimaso izay misy azy ankehitriny".

"La Flamme poétique" dia mariky ny zavatra mampifandray antsika rehetra manerantany. Izany no antony hitetezana tanàna maro izay niainga avy tao  Douala (Kamerona), tonga eto Antananarivo (Madagasikara) ary manohy ny lalany any Jacmel (Haiti), Nouméa (Nouvelle-Calédonie), Beyrouth (Liban) ary mamarana izany any Marseille (France), mba hamoronana rohy eo amin’ny mpanao tononkalo, ny mpitondra teny sy ireo rehetra misehatra ao anatiny izany".

Nandray sy nifampidinika tamin'izy ireo kosa ny fikambanana malagasy toa ny Faribolana Sandratra nahitana an'i Riambola Mitia, Tahirintsoa, Soambinintsoa, Felana. Tao amin'ny Havàtsa-Upem no nahatazanana an'i Ony Ravorombato. Nisolotena ny Mpizaka STeLaRiM i Nala Tiana. Nampahafantatra ny fikambanana misy azy avy izy ireo toa ny nataon'i Ralamboarijaona Rita sy Rakotonirainy Ny Hery mpikamban'ny Poetawebs izay nanatanteraka izany tamin'ny fiteny roa (malagasy sy frantsay). Nanana toerana miavaka tamin'ity seho ity koa ireo mpiangaly slam izay nahitana an'i Na Hassi mpandrindra ity hetsika ity, niampy mpanao slam malagasy sy kaomaorianina fanta-daza eto amin'ny Nosy sy amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

Niantsa tononkalo ireo vahiny tao aorian'izay ary notohizin'ireo mpikambana anatina vondrona toa ny Faribolana Sandratra, Havàtsa-Upem ary mpianatra izay efa niomana ny tamin'ny izany.

Nofaranana tamin'ny fiarahana maka sary teo anoloan'ny Tranombokim-pirenena ny fotoana.

Tao amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina kosa tamin'ny zoma 7 marsa ny ivon'ny fotoana izay nanatrehana ny fampitana ny "Flamme poétique", fotoana nifampizaran'ny "Délégation sans frontières" ny sehatra miaraka amin’ny mpanao tononkalo sy mpanakanto hita nandritra ny herinandro.


Commentaires (2)

Toetra Ràja
  • 1. Toetra Ràja | 10/03/2025
Eo ihany koa ny fanehoana ny fisian'ny literatiora malagasy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.
Heriarilala
  • 2. Heriarilala | 09/03/2025
Anisan'ny hetsika iray mahaliana izy ity. Sady mampiavaka ny iray volan'ny pôezia eto Madagasikara ho an'ny taona 2025.

Ajouter un commentaire