Tontolo Poezia
LA POÉSIE DE MADAGASCAR, Anthologie de Dominique Ranaivoson
Tsikimilamina
Rakotomavo - 07/05/2025
Tontolo Poezia
Nianoka
sy nanjohy tanatin'ny tontolon'ny poezia ranofotsiny ireo mpankafy
literatiora malagasy tao amin'ny tranombokim-pirenena Anosy ny 7 mey
2025. Navoaka imaso tao tokoa ny boky "LA POÉSIE DE MADAGASCAR,
Anthologie de Dominique Ranaivoson", amboara nofantenana sy
narindran'ity mpandalina ny literatiora ity.
Ny tononkalon'ireo poeta malagasy 32 manoratra amin'ny teny frantsay no nasongadiny tamin'izany. Misokajy ho dimy ny lohahevitra ivondronan'ireo tononkalo isan-karazany ireo izay nosoratan'ny poeta isam-banimpotoana.
Nandravaka ity misandratra andro nivoahan'ny boky ity ny feon-gitaran'i Lemana sy famakiana tononkalo nifandimbiasan'i Na Hassi, Izik ary Dominique Ranaivoson.
Nampiantrano ny hetsika ny tranombokim-pirenena izay natrehin'ny Tale Jeneraliny sy ireo Tale samihafa teo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nifandimby teo amin'ny lahateny kosa ny mpanoratra ny boky, ny Talen'ny Fonds Yavar Houssen izay mpiara-miasa miombona antoka ary ny Tale Jeneralin'ny Kolontsaina.
Marihina fa fampivelarana ny tononkalo malagasy voizina amin'ny teny frantsay no tanjon'izany. Hisandrahaka maneran-tany anie ny Tononkalo malagasy.

Commentaires (1)

- 1. | 08/05/2025
Seho nivavaka sy nanasongadina ny lanjan'ny literatiora.