Tapatapakahitra mody masoandro
Tsikimilamina
Rakotomavo - 08/02/2025
Tapatapakahitra mody masoandro
niarahana tamin’i RAHAMA Georgette na i ZÔRY
Poeta miavaka i Zôry na Rahama Georgette amin'ny maha olon'ny haisoratra azy ary voky traikefa amin'izany. Mpampianatra tany Boriziny (Port-Bergé) izy ary efa misotro ronono. Mpikamban'ny Havàtsa-UPEM koa izy ka nahaliana ny Poetawebs ny nitafatafa taminy. Azo lazaina ho efa ela no nahafantarany an'i Tsikimilamina Rakotomavo (Poetawebs) izay nametraka fanontaniana taminy.Tsikimilamina Rakotomavo
Miarahaba anao Rahama Georgette tafahaona eto amin’ny tahalan’ny tranonkala Poetawebs. Elaela isika tsy nihaona koa. Inona no vaovao ?
Rahama Georgette
Miarahaba anao ihany koa Tsikimilamina Rakotomavo. Faly mahita anao ihany koa aho. Faly aho mampahafantatra ny tenako amin’ny mpanaraka ny tranonkala Poetawebs.
Rahama Georgette no anarako, mpampianatra tao amin’ny CEG Port-Bergé aho ary efa misotro ronono.Olona tia haisoratra aho ary manana tononkalo be dia be eo amin’ny zato eo ho eo. Mpikamban’ny Havàtsa-UPEM aho ary mandray anjara matetika ka mamoaka izay asasoratra kely ananana rehefa misy hetsika lehibe toy ny 8 marsa sy 26 jona.
Tamin’ny taona firy Rahama Georgette no nirotsaka teo amin’ny fanoratana ?
Rahama Georgette
Nanomboka tamin’ny taona 2000 aho no efa nanoratra tononkalo tamin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny sekoly Andranovo Befandriana Avaratra. Tamin’izay fotoana izay no nisy ny fihetseham-po ka nanoratra tononkalo mitondra ny lohateny hoe "Andranovo" aho.
Ny Raiko mantsy no nanorina ny sekoly tao amin’io toerana io. Izy no mpitarika tamin’ny fanorenana izany sekoly izany. Koa rariny raha mamelo-maso ny anarany aho. Ny sokajin-tsoratra tena irotsahako betsaka dia tononkalo. Nanoratra sombintantara ihany aho ny 2013 izay mitondra ny lohateny hoe "Ny kolontsaina sy fampandrosoana maharitra". Anisan’ny voantso hiofana momba ny fanoratana tantara tany Ambohimanga Rova izay nosahanin’i Michele Rakotoson taorian’izay aho. Ankoatra ireo dia mamorona angano sy sôva aho.
Tsikimilamina Rakotomavo
Efa nisy boky navoakanao ve ?
Rahama Georgette
Mbola tsy misy boky navoakako manokana na dia efa ela aza no naniry hanatanteraka izany. Na izany aza dia efa misy boky itambaranay ao amin’ny Havàtsa-UPEM, ny Tombokavatsan’ny haisoratra ahitana ny asasoratro. Misy ihany koa ireo gazety samihafa sy fandaharana tamin’ny onjam-peo mirakitra ireo famoronako.
Tsikimilamina Rakotomavo
Miresaka momba ny inona ny ankamaroan’ireo asasoratrao ireo ?
Rahama Georgette
Fanentanana ny Malagasy ho tia fianarana ka hiala amin’ny habadoana no ambaran’ny ankamaroan’ireo tononkaloko. Ankoatra izany dia zava-dehibe ihany koa ny fanoroana ny olona hanetry tena satria betsaka ny olona no tsy te hahalala ireo tsy manana na ny mavomavo.
Any Port-Bergé ianao no monina, maro ve ireo mpanoratra any an-toerana ?
Rahama Georgette
Maro ny mpanoratra any ary tanora avokoa ny ankabeazany. Betsaka mantsy ny tanora mandray anjara amin’ny fifaninanana manoratra rehefa fotoan-dehibe manan-tantara eto amin’ny firenena.
Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no no solon’anaranao rehefa manoratra ?
Rahama Georgette
Zôry no solon’anarako izay avy amin’ny anarako hoe Rahama Georgette ihany.
Tsikimilamina Rakotomavo
Raha hamoaka boky ianao atsy ho atsy, inona no hoeritreretinao havoaka boky ?
Rahama Georgette
Ny eritreretiko izao dia ny hamoaka boky ahitana tononkalo, sombintantara, angano.
Tsikimilamina Rakotomavo
Ahoana no fiheveranao izany tononkalo izany ?
Rahama Georgette
Amiko ny tononkalo dia teny roa no natambatra, tonona sy kalo, izay mivoaka avy ao anaty ka kanto sy mambabo ny fo ary ambara amin’ny besinimaro. Izay tonga ao an-tsaina araka izany no avoakan’ny mpanoratra. Amin’izay fotoana izay dia misy fahafinaretana eo am-panoratana. Ny mpihaino na mpamaky ihany koa finaritra mianoka izany.
Tsikimilamina Rakotomavo
Raha tiana hateza eo amin’ny taranaka sy ho fantatry ny rehetra ny tononkalo, inona no tokony hatao ?
Rahama Georgette
Ny tokony hataon’ny mpanoratra mba hitiavan’ny taranaka ny tononkalo dia miezaka mamoaka ny tsara na ny kanto mandrakariva. Tsy vitan’ny hoe miady rima fotsiny fa ny hevitra ao anatiny no kanto ka amin’izay fotoana izay dia mateza sy mitety vanimpotoana maro. Manaporofo izany ny asasoratr’i Rabearivelo, Rado... izay eo am-bavan’ny taranaka mandraka ankehitriny.
Hamaramparana ny tapatapakahitra isika Zôry. Afaka mametraka asasoratra ve ianao ho an’ny mpisera eto amin’ny tranonkala Poetawebs ?
Rahama Georgette
Eny, hanoratra aho ka ny soratanako mihitsy no apetrako ho rakitra tadidy hahatsiarovanareo manjohy izao tranonkala izao.
Tsikimilamina Rakotomavo
Mirary anao hitombo laza eo amin’ny sehatry ny haisoratra Zôry ary mametra-beloma finaritra amin’ny manaraka indray!
Rahama Georgette
Misaotra anao Tsikimilamina nitapatapakahitra tamiko teto. Mahafinaritra ahy loatra ny fandraisanao andraikitra. Mirary anao ihany koa aho hitombo voninahitra eo amin’ny andraikitra maro sahaninao eto amin’ny firenena.
Commentaires (2)

- 1. | 09/03/2025
Harena ho an'ny literatiora ny fikelezana aina ataon'ny pôeta avy any amin'ny faritra. Mirary soa, Mama !

- 2. | 09/02/2025
Mankasitraka indrindra