Créer un site internet

Randja Zanamihoatra sy ny taranany

Tapatapakahitra nifanaovana tamin'ny zanany sy zafikeliny

Randja Zanamihoatra sy ny taranany
Toetra Ràja - 12/05/2025

Randja Zanamihoatra sy ny taranany

Mifanerasera amin'ny fianakavian'i Randja Zanamihoatra ny Poetawebs ao anatin'izao fankalazana ny faha-100 taona nahaterahan'ity poeta tsy zoviana intsony ity. Mamaly ny fanontanian'i Toetra Ràja (Poetawebs) ny zanany Nobel sy ny zafikeliny Avisoa.

Toetra Ràja
Miarahaba sy misaotra anareo mianaka mitapatapakahitra amin'ny Poetawebs. Raha tsy mahadiso, zanak'i Nobel moa i Avisoa?

Avisoa
Salama tompoko.
Eny tompoko, faravavin'i Nobel aho.

Toetra Ràja
Firy eo ho eo ny isan'ny taranak'i Randja Zanamihoatra?

Nobel
Ny isan'ny taranaka Randja dia 30 latsaka eo ho eo.

Toetra Ràja
Inona no tena hevitry ny  anarana hoe Randja Zanamihoatra izany?


Nobel
Ny dikan'ny Randja Zanamihoatra?
Ny Randja dia avy amin'ny anarany hoe Randriamananjara.
Ny Zanamihoatra indray dia avy amin'ny foko na taranaka niaviany, faritra Ambohijanaka, ambonimbonin'Andoharanofotsy iny, mipaka hatrany amin'ny Mahalavolona, iny an-tampon'ny Mahabo iny ary tonga hatrany Soalandy any. Ilay Zanamihoatra dia toy ireny firazanana mitovy amin'ireny Tsimiamboholahy sy Zazamarolahy ireny. Ny an-dry zareo kosa dia Zanamihoatra.

Toetra Ràja
Nifanerasera tamin'i Randja Zanamihoatra ve i Avisoa?

Avisoa
Tsia, tsy nanam-potoana firy nifaneraserana taminy aho satria tamin'ny taona 1997 izy no niala teto ary izaho kosa tonga tamin'ny 1996.

Toetra Ràja
Na izany aza anefa dia inoako fa mahafantatra ny dadabenao ianao?

Avisoa
Misy fotoana i dadanay mitantara saingy azo lazaina ho tsy tena ampy ny fifanakalozanay amin'ny maha goavana an'ireo tahiry momba io dadabenay io. Mbola misy ary mbola ampy  hananganana mozea kely mihintsy ny ao, ao anatiny ireo soratanany sy ireny vakiraoka ireny.

Toetra Ràja
Mahafantatra ny tononkalon'i Randja Zanamihoatra ve i Avisoa?

Avisoa
Misy tononkalony fantatro fa misy betsaka ihany koa no mbola tiako hofantarina.

Toetra Ràja
Rehefa mahita ireny vakiraoka ireny ianao, liana amin'ny tononkalony ve i Avisoa ary manoratra tononkalo?

Avisoa
Raha eo amin'ny fitiavana tononkalo dia tsy hitako loatra izay maharatsy azy saingy tsy mbola manoratra aloha hatreto.

Nobel
Ny mpandimby an'i Randja hatreto aloha mbola tsy misy fa asa any amin'ny zafiafiny angamba.

Toetra Ràja
Mpanakanto àry ve i Avisoa? Misy mpanakanto ao amin'ny fianakaviana?

Avisoa
Misy havanay fantatro havanana kokoa manao asa tanana fa ny ahy manokana dia ny fitiavako ny  mozika gadona rap no kanto azo resahina.

Toetra Ràja
Fantatry ny mpiara-mianatra tamin'ny fahazazana ve fa taranaka poeta andrarezina ianareo?

Nobel
Ny tany am-pianarana dia tsy fantatry ny mpianatra loatra fa ny mpampianatra no misy mahafantatra.

Avisoa
Ny namako akaiky no mahafantatra fa zafikelina poeta aho. Laza adinay tamin'ny bakalaoreà ny tononkalon'ny dadabeko. "Andrarezina"? Ho an'ny tia literatiora sy nandalina azy aloha dia nahatsapa tsara ny lanjany.
Randja Zanamihoatra - 100 taona
Toetra Ràja
Momba ny fankalazana ny faha-100 taona Randja Zanamihoatra iarahana amin'ny fianakaviamben'ny poeta, inona avy no anjara andraikitry ny taranaka?

Nobel
Ny anjara andraikitry ny taranaka dia maro fa arindra amin'ny komitin'ny faha-100 taona izany. Hoezahina ny hamoahana boky, fanontana vaovao sy fanontana indray an'ireo sangan'asany.

Toetra Ràja
Mankasitraka anareo mianaka nahafoy fotoana nitafatafana tamin'ny Poetawebs.

Nobel sy Avisoa
Mankasitraka indrindra tompoko!


Commentaires (1)

Havozo Manitra
  • 1. Havozo Manitra | 13/05/2025
Mankasitraka anareo taranaka manome lanja ny kanton'iRandja Zanamihoatra.

Ajouter un commentaire