Valiha Gasy manambara an'i Randja Zanamihoatra

Tapatapakahitra

Lohateny
Toetra Ràja - 19/05/2025

Valiha Gasy manambara an'i Randja Zanamihoatra

Poeta i Valiha Gasy, mpandalina literatiora koa ary mpikamban'ny komitin'ny fankalazana ny faha-100 taonan'i Randja Zanamihoatra. Mahafantatra tsara an'io poeta io izy amin'ny maha mpandalina azy ary misahana manokana ny fikarohana sy fandrindrana tahirin-kevitra momba izany poeta lehibe izany. Savaravina ihany ity tapatapakahitra ity izay entina hisantarana ny fanolorany ny ampaham-pandalinana nataony ho an'ny mpiseran'ny tranonkala. Mamaly ny fanontanian'i Toetra Ràja (Poetawebs) izy.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Valiha Gasy ary misaotra indrindra mivahiny ato amin'ny tranonkala. Inona no azo ambara momba ny fandinihana nataonao mahakasika an'i Randja Zanamihoatra?

Valiha Gasy
Miarahaba anao Toetra Ràja. Faly miarahaba anareo mpiserasera eto amin'ny tranonkala Poetawebs koa ny tenako. Am-pitiavana indrindra no ivahinianako sy hanambarako eto ny fandinihana izay nataoko momba ireo tontolo nifotoran-dRandja Zanamihoatra sy ny maha izy azy eo amin'ny fanoratana. Niainga tamin'ireo vakiraoka misy sora-tanany sy ireo antontan-taratasiny sisa voatahirin'ny fianakaviany aho amin'izany fandinihana izany. Eto am-piandohana anefa dia tiana ny manamarika fa mbola tsy tena azo heverina ho fikarohana oniversitera loatra ny nataoko. Hany fanantsikafonana fotsiny mba handraiketana azy ireo an-tsoratra sy hamelana marika hitadidiana ny toerany ary indrindra hikajiana sy hisorohana ny sanatria ho fiparitahany na fahaverezany aorian'ny fampirantiana izay hatao ao amin'ny trano sary ny volana jolay 2025 ho avy izao. Koa fangatahan'ny fianakaviana manokana araka izany no nampifanindran-dalana ahy tamin-dRanja sy toy ny nihaonana mivantana taminy, araka ny efa nonofisina hatrizay nahalalana ny fisiany, ary teo amin'ny fihaonanay fanin-telony vao sahy namaritra azy ho ilay efa nolazainy aho hoe Randja Zanamihoatra : "Poeta...sy mpaminany raha misy mpaminany".

Toetra Ràja
Mpikambana ao amin'ny komitin'ny fankalazana ny faha-100 taonan'i Randja Zanamihoatra ianao. Ahoana no nahatafiditra anao tao?

Valiha Gasy
Ao anaty komitin'ny fankalazana ny faha-100 taonan-dRandja Zanamihoatra tokoa ny tenako ary eto aho aoka hanararaotra kely hisaotra ireo tompon-kevitra sy mpikaon-doha voalohany tamin'ny fananganana io komity io, indrindra indrindra ny fianakavian-dRandja sy i Nobel R. zanany faralahy izay nanome lalana ny hikirana ireo antontan-taratasin-dRandja. Tany am-piandohana dia nisalasala ihany ny tena teo anoloan'ny fitokisana napetrak'ireo Zoky sy mpampianatra niantso ny mba hanampiana azy ireo handrafitra ny komity raha ny fahazazan'ny tena eo amin'ny tontolon'ny literatiora sy ny fizandrian'ny traikefa ananana amin'io taranja io no nodinihina. Rehefa nandinika ny fidadasiky ny fomba fijerin'ireo mpianakavin'ny poeta sy mpikaroka ireo anefa dia tohina ny saina... Tsy vitako ny nandà. Tsy nijeren'izy ireo sokajin'olona sy sokajin-taona mantsy ny fikotrehana ity hetsika goavana ity fa nosokafany. Ny tiako hotenenina dia taminay zandry sy indray mihiran'ny vanim-potoana ankehitriny. Tsapa ho mikendry fanondrotana tahaka ny nataon-dRandja Zanamihoatra ireo mpitarika ity hetsika ity ary samy mandray ny andraikitra tandrify azy avy avokoa ny rehetra voakasika ao anatin'izany. Ilay "voakasika" eto dia izay rehetra mahatsapa ny fahamendrehan-dRandja ho "olomangam-pirenena" sy ny lanjan'ny asasorany ho "harembako-pirenena"...
Firenena mihitsy!

Toetra Ràja
Ahoana indray ny fahitanao ny fiaraha-mientan'ny mpianakavin'ny poeta ao anatiny?

Valiha Gasy
Fa hoy Randja ao amin'ilay revio kely hoe "Ny poeta sy ny asany" : "Eo amin'ny fotoana mahafaty na mahalefy ny fitiavan'ny firenena iray ireo lova aman-drakiny no fotoana koa iovan'ny satany amam-panahy nentim-paharazany". Manomboka eo, raha ny fahazoako izany, no mahafaty momoka ny "maha izy"... ilay tsy ahafantaran'ny firenena intsony ny tenany toy ny olona "lasa adala" ka potika toy ireo rehetra efa potika ny sisa mihazona ny heriny. Izany indrindra no mampifaningo-drantsana an'ireo poeta ireo, hiara-hientana amin'ny zavatra goavana toy izao fankalazana izao. Amiko manokana mantsy dia literatiora sisa... literatiora, io sisa no rovi-damba hihazonako ny satako manokana sy ny an'ny taniko tsy ho rendrika tanteraka. Inoako sy antenaiko fa toy izany daholo ireo mpisehatra rehetra ireo, na am-bava izay na an-tsoratra.

Toetra Ràja
Eny, arofanin'ny satam-pirenena mba tsy ho rendrika ny literatiora ka hery lehibe amin'izany izao fiaraha-mientan'ny mpianakavin'ny poeta izao. Azonao ampahatsiahivina ve ny fihaonany amin'ireo mpakafy literatiora sy Randja Zanamihoatra?

Valiha Gasy
Ny tian-kambara moa betsaka saingy ny iray isan-jatony ihany no hita izay fomba hitantarana azy, ka hoy aho hoe : mbola eo ny soratra handrakitra azy aoriana kely.
Ny hamaranako az, efa miara-misalahy tokoa ny poeta sy ny mpikaroka ary ny mpankafy literatiora amin'izao fotoana izao; rempotra aza amin'ny fiketrehana ity fankalazana izay hisy mandritra ny taona ity, mba hanjarian'ny fisiany ho velona mandrakizay...
Ny 27 Mey ho avy izao no hanaovana ny lanonam-panokafana eny amin'ny tranom-bokim-pirenena Anosy. Hivoaka miandalana eo ihany moa ny fandaharam-potoana sy ny andinindininy rehetra mahakasika izany izay tsy voalazako eto.

Toetra Ràja
Mahaliana sady lalina ny resatsika kanefa ny fotoana tsy azo ivalamparana ka dia fisaorana mitafotafo Valiha Gasy no atolotry ny Poetawebs anao nahafoy fotoana tamin'ny fizarana ny traikefanao. Mirary soa tompoko!

Valiha Gasy
Izay tokoa no lava, izay no fohy kanefa ny hisavasavana ny raviny, hono, no ahitana ny fotony. Averiko kely ny hoe : "Ny famakafakafana ho avy mbola hamahavaha ny mihoatra.
Misaotra anao Toetra Raja tamin'ny fiantsoana hifampizara, misaotra ny tranonkala Poetawebs nampiantrano ary indrindra eram-po, eran-tsaina ny fisaorana atolotro anareo mpiserasera rehetra. Hikapa hahita ny tonony anie ianareo, handidy hahita ny vaniny. Misondrota fahalalana aman-kasina daholo tompoko.

Toetra Ràja
Manome fotoana tsy ho ela sy hisesisesy ho an'ny mpisera eto amin'ny Poetawebs i Valiha Gasy amin'ny fanolorany ny ampahan'ny fandalinany momba ny poeta Randja Zanamihoatra. Veloma finaritra!

Valiha Gasy
Mandra-pihaona!

Commentaires (1)

Nirihaja
Mankasitraka Valiha. Satry foana hamaky anao <3

Ajouter un commentaire