Randy Donny mpanao gazety... misahana ny kanto
Toetra
Ràja - 20/05/2025
Randy Donny mpanao gazety...
misahana ny kanto
Toetra Ràja
Ho an'izay mety ho tsy mbola mahafantatra anao, iza moa i Randy Donny?
Randy Donny
Betsaka ! Tsy mpanakanto aho na mpanao fanatanjahantena malaza fa mpanao gazety tsotra ihany. Ela nihetezana ka fotsy volo teo amin’izany asa izany.
Na izany aza, efa nisehatra taranja ara-kolontsaina maroloha ihany koa. Nanatontosa sarimihetsika, namoron-kira, nanoratra ary efa namoaka boky maro. Singanina manokana eto ny fehezan-tononkalo “Fonoka sy kalo”, nivoaka ny 2021. Efa nantsoina hitsara fifaninana dihy eran-tany koa, Nijinsky awards, tany Monaco…
Raha te-hahafantatra ny tenako mihoatra an’izay dia manatsafa an’i Randy Donny any amin’ny namana Google.
Toetra Ràja
Mpikarakara hetsika ara-kolontsaina ianao araka izany. Azonao asiana tsindrim-peo kely ve ny amin'izay?
Randy Donny
Eny, nikarakara hetsika ara-kolontsaina efa ela ny tenako. Nanomboka tamin’ny fanatontosana fampisehoana an-kira tany amin’ny 1985 tany ho any. Anisan’izany ny “Big Rock” intelo miantoana. Fa tamin’ny 2023 dia nanatontosa ny IKK izay sehatra nahafahan’ireo mpanao hatsikana stand-up niaka-tsehatra isam-bolana sy nivoaka gazety. Io taona io ihany, nanokatra ny “Bar à livres”, café littéraire natao isam-bolana ihany koa.
Toetra Ràja
Efa nanatanteraka hetsika toa io amin'ny 29 mey 2025 io ve ianao?
Randy Donny
Ny hetsika amin’ny 29 mey 2025 dia tohin’ny “Bar à livres” voalaza etsy ambony izay natokana hanandratana ny tontolon’ny asasoratra.
Tamin’ny 22 aprily 2023 no nanokafana izany ka “Aina sa boky ? Jery todika momba ny fanoratana/Fanontana boky” no nanombohana azy. Notohizina tamin’ny “Soratra sy boky : fanoitran’ny fampivoarana”, nentanin’i Hobiana Andrianimerina sy ny “Torohay momba ny famoahana boky”, niaraka tamin’i Mina Ilarion. Anisan’ireo lohahevitra hafa efa novoaboasana tao koa : “E. D. Andriamalala sy Thomas Sankara, resadresaky ny andrarezina” izay nentin’i Vanga, anthropologue sy poezisianina, “Jean-Joseph Rabearivelo amin’ny endriny hafa”, niaraka tamin’i Brice Danoly-Nirina Rakotomanga, “Randja Zanamihoatra sy ny tontolony’, nampahafantarin’i Harinjato Samuelson Ramamenosoa ary “Literatiora ve ny rap ?”, niaraka tamin’i Syklop. Maro ireo mpanoratra anaty fandaharam-pianarana mbola velona nandalo tao amin’ny “Bar à livres”.
Niato kely ny “Bar à livres” ny taona 2024 fa miverina indray izy amin’ity taona ity. Dia io fanomezam-boninahitra an’i Randja Zanamihoatra, noho ny faha-zato taonany, io no manamarika izay fisokafana indray izay. Fanindroany izany izao ny “Bar à livres” no miresaka manokana momba an’i Randja Zanamihoatra.
Bar à livres 2023. Miankavanana :
Harinjato Samuelson Ramamenosoa, Vanga, Randy Donny
Harinjato Samuelson Ramamenosoa, Vanga, Randy Donny
Toetra Ràja
Ahoana no mety ho fizotrany amin'io 29 mey 2025 io ?
Randy Donny
Araka izay dia fahatsiarovana an’i Randja Zanamihoatra, noho ny faha-zato taonany, no hibahan-toerana. Ny lohahevitra manokana hitondrana ny vela-kevitra amin’io andro io dia "Randja Zanamihoatra sy ny fiakaran'ny aingam-panahiny". Hisy ireo mpanoratra sy manam-pahaizana mpikaroka hifandimby handray fitenena amin’io fotoana io.
Na izany aza, toy ny fanao mahazatra, hisy ny fampahafantarana ireo boky vaovao vao nivoaka mandritra ny tapany voalohany. Hisy koa ny fahatsiarovana manokana an’i Saholy Rakotonanahary, mpilalao tantara amin’ny radio. Mpamelona aina ny zavakanto amin’ny ankapobeny izy ireny ary, indrindra indrindra, manandratra ny asasoratra.
Toetra Ràja
Marina tokoa izany Randy Donny. Mankasitraka anao nanompana fotoana ho an'ny mpisera na dia efa diso fantatra loatra aza ny fahateren'ny fotoananao. Mirary soa tompoko!
Randy Donny
Misaotra tompoko!