Akon'ny Alitaram-poezia

Akon'ny Alitaram-poezia
Ikaloyna Vony - 23/02/2025

Akon'ny Alitaram-poezia

Fanolorana boky tononkalon'i Lalaina Ravahy

Famoaham-boky mitondra ny lohateny hoe Alitaram-poezia nosoratan'i Lalaina Ravahy no notontosaina tetsy amin'ny IKM Antsahavola ny sabotsy 15 febroary 2025 teo.

Tononkalo voarakitra ao amin'ny boky no nantsain'ireo namana avy amin'ireo fikambanana mpanoratra sy ny Soa Mahatsangy mpampiantrano. Anisan'ireo niantsa tononkalo i Nirihaja sy Felana mpiraifaribolana Sandratra, i Aina Nirina avy amin'ny Tsanta.

Nampiavaka ny fotoana koa ny nihiran'i Lalaina Ravahy ny tononkalony. Tononkalom-pitiavana no tena manavanana azy. Miisa 137 ireo hita ao anatin'ny boky izay mirakitra 150 pejy.

Vahiny manan-kaja nasaina manokana ny Filohan'ny Fikambanana "Mère épanouie". Tazana nanatrika ny fotoana koa i Hajaina sy Nalisoa Ravalitera.

Tatitra   : Ikaloyna
Sary      : Lalaina Ravahy, Zo Nat Andrianina

Miankavanana : Felana, Geralda, Lalaina Ravahy, Filohan'ny fikambanana "Mère épanouie", Ikaloyna Vony, Hanitra Randria, Fafah Hary Soa, Perla Soa

Miankavanana : Felana, Geralda, Lalaina Ravahy, Filohan'ny fikambanana "Mère épanouie", Ikaloyna Vony, Hanitra Randria, Fafah Hary Soa, Perla Soa

Miankavanana : Perla Soa, Ikaloyna Vony, Geralda, Lalaina Ravahy, Felana (takona), Aina Nirina 

Ajouter un commentaire

 
×