Randja Zanamihoatra rahampitso

Fankalazana ny fahazato taonany

Randja Zanamihoatra rahampitso
Toetra Ràja - 26/05/2025

Randja Zanamihoatra rahampitsoRandja Zanamihoatra (29/05/1925 - 29/05/2025), zato taona afaka hateloana ity poeta andrarezina ity. Lanonana manetriketrika eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina no hanokafana ny fankalazana izany ao amin'ny tranombokim-pirenena Anosy rahampitso 27 mey 2025. Nanangana komity manokana ny taranany sy ny fianakaviam-ben'ny poeta malagasy ho fanatanterahana ny fankalazana izay haharitra herintaona maninjitra.

Rahampitso amin'ny 2 ora sy sasany àry ny fotoanan'ireo mpakafy literatiora sy an'i Randja Zanamihoatra manokana ao amin'ny efitrano Dox.



Randja Zanamihoatra rahampitso

Ajouter un commentaire