Créer un site internet

Nivoaka ny Ankaromiafina

Hivoaka ny Ankaromiafina
Faniry Ezeckiel - 23/05/2025

Hivoaka ny Ankaromiafina

Hifamotoana ao amin'ny CGM Analakely ireo mpiangaly ny literatiora. Hivoaka ny sabotsy 26 avrily 2025 ho avy izao eny an-toerana mantsy ny boky Ankaromiafina. Hanomboka amin'ny telo ora folakandro ny fotoana. Boky fahefatra novokarin'ny Faribolana Sandratra Betafo ny Ankaromiafina. Handravahana ny famoaham-boky ny antsa tononkalo amin'ny endriny miavaka sy hira malagasy.

Marihina fa mpanoratra 11 mianadahy no nametraka ny rango-peniny anatin'ity boky ity : Ni Avatsa, Faniry Ezeckiel, Patrick Teddy, Ny Avo Elabakaka, Hiaka Mikalo, Aloka Miserana, Nambinina Abel, Mikitroka Hazavana, Ny Tsiaro Fanaperana, Ny Fiainana ary i B'y Hakay. Ahitana takila 120 sy tononkalo 82 ny Ankaromiafina. Nanao ny ainga takotra na nisava lalana ny boky i Zo Maminirina.

Midika ho tsiambarantelo ny teny hoe "ankaromiafina" ao anaty Rakibolana Rakipahalalana. Mitahiry ireo hafatra miafitra ao anatin'ny aingampanahin'ireo poeta namela raki-tsoratra ao ny boky vaovao. Antony iray nanononana azy ho ANKAROMIAFINA izany.


Antenaina hisarika mpankafy maro ity hetsika voalohany hiseharan'ny Faribolana Sandratra Betafo aty an-drenivohitra ity.





Ajouter un commentaire