Randja Zanamihoatra 100 taona
Tapatapakahitra niarahana tamin'i Nirihaja
Toetra
Ràja - 08/05/2025
Randja Zanamihoatra 100 taona

Toetra Ràja
Miarahaba anao Nirihaja ary misaotra manokana fotoana ho an'ny mpiseran'ny Poetawebs. Raha vao miresaka Randja Zanamihoatra, inona no mety ho tonga ao an-tsaina avy hatrany?
Nirihaja
Finaritra Toetra Ràja! Arahaba mavitrika ihany koa no atolotra ny mpamaky. Ny tonga dia tsaroako rehefa miresaka Randja Zanamihoatra dia ilay tononkalony milohateny hoe “Malagasy mankany”. Nanamarika ahy manokana ity poeta iray ity tamin’ny fomba famoronany ny asasorany; poetan’ny saina sy fitiavana izy. Tsy mankaleo ny mamaky ny sorakantony fa sady mampametsovetso no mandranitra ny fanahy. Mampiavaka azy ny fampiasana voambolana tsy fampiasa amin’ny andavanandrom-piainana, miaingitra ny fanehoany azy.
Mpiraifaribolana Sandratra no mitarika ity fankalazana ity. Misy antony manokana ve indrindra eo amin'ny endri-pifandraisan'i Randja Zanamihoatra amin'izany faribolana izany?
Nirihaja
Azo antsoina hoe kintana fitarikandron’ny Faribolana Sandratra i Randja Zanamihoatra. Namana akaiky sy niara-nikoninkonina tamin’i Solofo José sy Ilay tamin’ny nanangana ny Faribolana izy. Izy no nampita ilay fomba fiantsa izay mampiavaka ny mpiraifaribolana Sandratra rehefa miantsehatra. Maro be ny fiaraha-miasa izay tena nahafinaritra namelomana ny asasorany tany aloha tany, singaniko amin’ireny ny “Andro gaigy, taona 2003”. Heveriko fa rariny loatra raha mametraka fitokisana aminay ny taranany amin’ny fitondrana an-tanana ity fankalazana ny faha-100 taona ity.
Toetra Ràja
Amin'ny 27 mey 2025 izao ny lanonan'ny fotoam-panokafana ny fankalazana. Midika ve izany fa mbola hisy fotoam-panamarihana maromaro ao aoriana?
Nirihaja
Kasaina ho mandritra ny herintaona ny fankalazana, izany hoe tsy hifarana raha tsy amin’ny volana mey 2026. Araka izany dia maro ny hetsika hotontosaina toy ny seho lehibe, fifaninanana isan-karazany, takalo, velakevitra, fanentanana madinidinika eny antsefatsefany eny, fiarahana mikorana, fa ny tena lehibe dia ny fanontana indray ilay amboaran-tononkalo “Vainafo tononkira” sy famoaham-boky “2003” sy revio mikasika ireo fikarohana nataon’i Randja Zanamihoatra.
Efa manakaiky ny datin'ny 27 mey, inona no hiandry ny mpankafy tononkalo sy Randja Zanamihoatra amin'io?
Nirihaja
Fanokafana ofisialy ny taom-pankalazana amin’io faha-27 mey io, izay iaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolotsaina izay isaorana etoana. Miombona antoka amin’ny hetsika ny taranak’i Randja Zanamihoatra sy ny mpianakavin’ny poeta malagasy. Mazava ho azy fa hisy ny famelomana ny asa soratr’i Randja Zanamihoatra hanelanelana ny fandraisam-pitenenan’ireo olo-manan-kaja. Hisy fampirantiana sy fampahafantarana an’i Randja Zanamihoatra ihany koa. Amin’io fotoana io ihany koa no hampahafantarana ny hetsika rehetra amin’ny taom-pankalazana.
Toetra Ràja
Mankasitraka indrindra Nirihaja nahafoy fotoana ho an'ny mpisera. Marihina fa manaraka akaiky ity fankalazana ity ny Poetawebs. Manasa ny mpamaky koa hitsidika ny takelaky ny sorapiainan'i Randja Zanamihoatra.
Nirihaja
Misaotra ny Poetawebs nampiantrano ary ankasitrahana ihany koa ny mpamaky. Mirary soa indrindra!
Commentaires (2)

- 1. | 09/05/2025
@Havozo Manitra, misaotra sy mankasitraka anao ihany koa eo foana miara-manandratra ny Poeta malagasy.

- 2. | 08/05/2025
Mankasitraka indrindra Nirihaja amin'ny fanomezan-danja ny Poeta malagasy.