Créer un site internet

Iray Volan'ny Teny Malagasy - Vakinankaratra

Ho henika seho kanto

Iray volan'ny teny malagasy - Vakinankaratra
Faniry Ezeckiel - 31/05/2025

Tsy ho diso anjara amin'ny fankalazana ny Iray Volan'ny Teny Malagasy ireo mpankafy literatiora any amin'ny lalam-pirenena fahafito iny. Hetsika telo no hatolotry ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina any Vakinankaratra mandritra ny volana jona. Fiaraha-miasa amin'ny Sampana Havàtsa-Upem Antsirabe sy ny Faribolana Sandratra Betafo ireo hetsika ireo.

Hisantarana an'izany, ny fifaninanana soratononina hampanaovina ireo mpianatra ambaratonga faharoa, ny tolaka andron'ny  11 jona 2025. Tsy hiandry ela fa ny alarobia herin'io dia haseho masoandro aty Antsirabe indray ny boky Ankaromiafina izay efa nanakoako tao Iarivo tao ny volana aprily lasa teo. Hilaro velakevitra atao amin'ireo mpianatra izay tonga hanatrika eo ity hetsika ity. Farany kosa ny atrikasa tsipelina arahina velakevitra momba ny teny malagasy ny sabotsy 28 jona 2025, hanomboka amin'ny 2 ora tolaka andro.

Marihina fa horavahina antsa tononkalo avokoa ireo rehetra ireo ary ao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina Akon'Ankaratra no hanatontosana azy ireo. Anisan'ny mpiandraikitra mavitrika amin'ireo fankalazana ireo araka izany ny lehiben'ny sampandraharahan'ny kolontsaina ao Vakinankaratra.

Seho kanto marolafy  no handravaka ny lanitry Vakinankaratra ka tsy hisy ho diso anjara aby ny rehetra. Hisy akony lehibe amin'ny fanabeazana ny tanora ho tia ny teniny izay mifamatotra amin' ny taniny ny hetsika tahaka izao.

Faniry Ezeckiel

Ho henika seho kanto i Vakinankaratra

Ajouter un commentaire