Akoakon'ny Kipantsona
Fanolorana ny boky vaovaon'i Lova Santatra sy Voary
Tsikimilamina
Rakotomavo - 29/05/2025
Nomena hasina manokana teny am-panombohana ny sasin-teny niangalian'i Niry-Solosoa amin'ny hoe: "KIPANTSONA" no ho henonao ato amin’ireo tononkalo voarakitra am-pehezana telo toko.
KIPANTSOM-BOAHARY
Manoritsoritra ny asan’ny Mpahary sy ny fiainan’ny olombelona ny zavaboahary ivelomany amin’ny lafiny rehetra.
"Indro famonjena
Ho an’ireo mosarena
Sy ny mahonena
Andeha ange jerena
Fa maro sesehena
Ny adiny ao an-davaka!
Ray o!"
Lova Santatra (Indro)
KIPANTSOM-PITIAVANA
Voalazan’i J. Nalisoa Ravalitera ao amin’ny "TENY MIAMPITA" fa "haren-tsaina ny endrika marolafy mifameno anehoana ny fitiavana" ary "tsapa fa misy hevi-dalina tiana hambara".
"Kanefa aza manenina
Fa n’inona tenenina
Na inona ambara
Dia indro fa tantara…
Fa n’inona maratra
Na mahavaky tratra
Dia indro hositran’ody :
Ny lasa mitampody
Dia indro hivalona iny
Tahaka ny fahiny !!!..."
Voary (Dia indro...)
KIPANTSONA MIAKO
Manazava izany ny teny nentin-dRanoe namarana ny boky dia ilay "Voahary" n’ny lanitra sy ilay "Lova" n’ny tany.
"Narafitro ho hira
Ny tononkalonao
Nataoko ho vita
Mba ho tahirinao
Vahoaka an’alinkisa
Mankafy anao
Vakoka tsy hita isa
No natambatrao"
Lova Santatra (Boky)
"Ingao ho’aho ireo hira
Iangalio ny vazovazo
Rontsony avy andakira
Iakaro an-dampihazo
Tendreo am-baliha
Rodony langoraona
Hanako hatraty
Ho kanto tafahaona"
Voary (Redony hanao lamako)
Mirakitra tononkalo 60 ny Kipantsona. Nisahana ny mozika lafika teny an-tsehatra i Sammy sy ny tariny ho fanambarana ny kipantsona tsara feo. Nanelanelana ny antsa tamin'ny hira ny tarika Precious Pazzapa. Efa niavaka tao amin'ny fizarana voalohany sahady anefa ny "Eny ambanivohitra eny, lahy", nohirain'i Lova Santatra niaraka tamin'i Sarobidy mpitarika Precious Pazzapas.
Miarahaba manokana an'i Lova Santatra sy Voary ny Poetawebs nahavita dingana vaovao mafonja eo amin'ny tantaran'ny literatiora malagasy.
Tsikimilamina Rakotomavo
Akoakon'ny Kipantsona