Vakoka - Felana

Fanadihadiana tononkalo

Vakoka, tononkalon'i Felana
Tsikimilamina Rakotomavo - 15/05/2025

VAKOKA

Voambolana ampiasaina eo amin’ny fanajariana harentsaina amin’izao vanimpotoana diavina izao ny vakoka. Singa entina anasongadinana ireo tsiahy sarobidy teo amin’ny fiarahamonina ka tokony hampitaina amin’ny taranaka mifandimby izany. Tsikaritra ao amin’ny tononkalo ihany koa ity voambolana miavaka ity ary nataon’i Felana lohatenin’ny kalony  izay notsongaina tao amin’ny Mifandrary Fitia tak. 16. Asongadiny ao fa manana ny hasiny eo amin’ny tantaram-pifandraisana ny tsiahy an’ireo tranga nolalovan’ny olon-droa niombona. Araka izany dia asongadiny ny anjara toeran’ny vako-pitiavana. Navohitrany manaraka izay ny lanjan’izany eo amin’ny  tontolom-pifandraisana. Ezahina halalinina miandalana ireo voambara ireo.


VAKOKA

Misy tranom-bakoka
Izay mitahiry
Harena sarobidy
Tsy ananan’iza n’iza
Na firenena hafa
Azonao tsidihina
Raha sendra ka mandalo,
Na manina ahy ianao,
Hitamberina daholo
Ny lasa sy ny ela
Ka ahatsiarovanao
Ny andro fahizay
Ny zavatra tavela
Izay koboniny ao
Ka niombonantsika
Voatahiriny avokoa :
- ny onjan’ny fitia
- ny rakitry ny fo
- ny fientanan’ny fanahy
Tsy maty !

FELANA
29 Jolay 2004
in  Mifandrary fitia, tak. 16

Voambolana ampiasaina eo amin’ny fanajariana harentsaina amin’izao vanimpotoana diavina izao ny vakoka. Singa entina anasongadinana ireo tsiahy sarobidy teo amin’ny fiarahamonina ka tokony hampitaina amin’ny taranaka mifandimby izany. Tsikaritra ao amin’ny tononkalo ihany koa ity voambolana miavaka ity ary nataon’i Felana lohatenin’ny kalony  izay notsongaina tao amin’ny Mifandrary Fitia tak. 16. Asongadiny ao fa manana ny hasiny eo amin’ny tantaram-pifandraisana ny tsiahy an’ireo tranga nolalovan’ny olon-droa niombona. Araka izany dia asongadiny ny anjara toeran’ny vako-pitiavana. Navohitrany manaraka izay ny lanjan’izany eo amin’ny  tontolom-pifandraisana. Ezahina halalinina miandalana ireo voambara ireo.
 
Anisan’ny maneho ny maha izy ny vondron’olona eo anivon’ny fiarahamonina, na ny firenena mihitsy aza ny vakoka. Manana ny anjara toerany izay tena iavahany amin’ny hafa ny tahirim-bakoka na mozea. Anisan’izany ny fitahirizany ireo raki-tsoa izay heverin’ny fiarahamonina fa mampiavaka azy amin’ny maro.

"Izay mitahiry
 Harena sarobidy
 Tsy ananan’iza n’iza
 Na firenena hafa"

Misy ireo zoky raiamandreny no mametraka ireny harena ireny ho lova mipetraka sy ampitaina amin’ireo taranaka izay handimby rahatrizay. Amin’ny maha toerana tsy manam-paharoa azy dia zava-dehibe loatra ho an’ny teratany na ny vahiny ny fitsidihana azy. Sady hanovozam-pahalalana no hampandrosoana ny toekaren’ny faritra izany. Ambara ao avokoa mantsy ireo tsiahin’ny lasa izay tokony ho fantatry ny taranaka aty aoriana

"Azonao tsidihina
 Raha sendra ka mandalo,"

Araka izany dia manana ny toerana mendrika azy ny tahirim-bakoka na eo amin’ny vondron’olona mikajy azy. Raha ny tononkalo anefa no ifotorana dia harem-pitiavana efa nilona ela no ambara amin’ny vakoka etoana.

Raha izay ny mikasika ny anjara toeran’ny vako-pitiavana, inona kosa ny lanjan’izany eo amin’ny tontolom-pifandraisana ?

Raha vao fifandraisana eo amin’ny olon-droa no ambara dia harena tsy hita pesipesenina ny fiontanana izay miteraka hetsi-po mahery vaika. Fitia vao mitsiry, miaina, mitombo, misandrahaka, izany rehetra izany no saha ivelarany.

"Voatahiriny avokoa :
- ny onjan’ny fitia
- ny rakitry ny fo"

Ankoatra izany dia mifamatotra amin’ny fifandraisan’olon-droa ihany koa ny takalo izay mampisy ako hafa eo amin’ny resaka ifanaovana. Teraka avy amin’izany ny fambolena kolom-panahy izay maneho fomba fiheverana sy fisainana manara-penitra iombonana. Lasa tondrozotra tari-dalana eo amin’ny olon-droa mifankatia izany.

"ny fientanan’ny fanahy
 Tsy maty !"

Ireo toetra amam-pihetsika ireo no mitoetra maharitra ary tsaroana hatrany.
Raha aravona izay voambara dia tsapa fa harena tsy voavidy ny fitiavana ka tokony ho tandrovana mandrakariva. Maro ireo tsiambaratelo rehetra nolalovana tokony hotahirizin’ny olon-droa miombom-piainana. Sady fifaliana ho azy ireo izany no lova tsy azo soloina na inona loza manambana ny fifandraisana. Araka izany dia rariny raha tsarovana ireo soa sy ny lesoka izay nodiavina mba hanatsarana ny ho avy.

Ajouter un commentaire